"Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny, ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodi-masony izy. Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa" (Ohabolana 6:25-26).
Ao amin'ny Baiboly iray manontolo dia io andininy io no mifanakaiky indrindra amin'ny Matio 5:28 ilay milaza hoe aza mitsiriritra vehivavy ao am-ponao. Tsy misy andininy mifanakaiky tahaka ny Matio 5:28 sy ny Ohabolana 6:25 ao amin'ny Baiboly manontolo. Tandindon'ny Fanekena vaovao izany. Ny fahendrena dia mampitandrina fa ny fijangajangana dia manomboka ao am-po. Manomboka amin'ny fitsiriritana ny hatsaran-tarehy eo amin'ny lahy sy ny vavy fotsiny izany. Tiako hantitranterina izany satria ny kristiana sasany (mpino) dia mampianatra fa tsy misy maharatsy ny fandinihana ny hatsaran-tarehy. Ny antony dia tsy manana fahatahorana an'Andriamanitra ao anatin'ny fony izy. Ny Tenin'Andriamanitra dia manao hoe "Aza maniry ny hatsaran-tarehiny ao am-ponao".
Diso ve ny fandraisanao ny atao hoe hatsaran-tarehy ara-batana ? Lazain'ny Ohabolana 31:30 fa zava-poana sady mandalo ny fahatsaran-tarehy. Ry tanora, izao no tsy maintsy lazaiko aminareo, raha tsy tadidionareo tsara fa zava-poana sy mandalo ary tsy misy ilàna azy ny hatsaran-tarehy dia ho voafitak'izany ianareo indray andro any. Hanambady olona tsy tokony ho vadinareo ianareo ary hijaly mandritra ny androm-piainanareo sisa. Aza variana mandinika hatsaran-tarehy ka miteny hoe "Tsia, tsy mitsiriritra aho. Sondriana mandinika ny hatsaran-tarehy fotsiny aho". Tena fitaka bevava izany ary hitan'Andriamanitra izany ! Mety nantsoin'Andriamanitra ho amin'ny asa fanompoana ny lehilahy toy izany kanefa nakifak'Andriamanitra hoe "Tsy azoko omena anao izany. Azoko nomena asa fanompoana ianao kanefa nilaozanao nitakerikerika tetsy sy teroa, nilaza tena ho mpino ianao ary miresaka ilay "làlana vaovao sady velona" kanefa ianao aza tsy mahatoky amin'ity lafiny ity!" Aza maniry ny hatsarahan-tarehiny akory na dia ao am-ponao aza ! Tsy fijangajangana no resahina eto fa fandinihana ny bika aman'endriky ny tovovavy anankiray fotsiny ! Aza mitsiriritra an'izany akory hoy ny voalaza eto. Eny, izany no fahendrena raha raisinao ho anao. Mitandrema.
Izao koa no voalaza eto "Aoka tsy hahazo anao amin'ny hodi-masony izy". Ny tenin'Andriamanitra dia tena mora ampiharina. Voalaza eto fa ao amin'ny mason'ny vehivavy ao dia misy zavatra mahasarika ny lehilahy. Izany no ahitantsika fa ampianarin'ny devoly manosotra manjamaso ny tovovavy amin'izao andro izao mba hanaitra ny mpijery amin'ireny loko marevaka rehetra ireny. Ary raha te hahazo ny mariky ny bibidia eo amin'ny tànanao ianao sy halaza ao am-piangonana dia mino aho fa misy karazana loko hafa koa azonao ahosotra ny masonao sy ny molotrao ary ny faritra rehetra eo amin'ny tenanao mba hampiherika ny mpandalo. Izao no voalaza eto "Aza avela hahazo anao amin'ny hodi-masony izy".
Te-haneho anao andininy anankiray ao amin'ny 2Mpanjaka 9:30 aho izay miresaka ny vehivavy anankiray nanosotra loko ny tarehiny. Jezebela izany. Azonao vakiana koa ny mikasika azy ao amin'ny Apokalipsy toko faha-2. Nisy Jezebela anankiray anisan'ny mpiangona tao Tyatira. Voalaza ao amin'ny 2Mpanjaka 9 fa tonga tany Jezirela i Jeho. Ary nony nandre izany Jezebela dia nohosorany loko mainty ny masony. Fantatrao ve fa an-jato taonany talohan'i Kristy no efa nisy ny "mascara" ? Tsy zavatra vao noforonin'ny taonjato faha 20 izany. Jezebela no nampahalaza an'izany. Nanosotra loko ny masony izy ary noravahany ny volony. Azoko antoka fa nandoko ny tarehiny rehetra koa izy ary nandeha nitsidika teo am-baravarankely. Ary hoy Jeho eo amin'ny andininy faha-33 "Azerao io vehivavy io" dia nazeran'ny olona izy ary novonoiny. Tsy nampiraika an'i Jeho akory izay tarehy voahosotra "maquillage" ary tokony tsy hiraika amin'izany koa ianao. Tsy lehilahy natahotra an'Andriamanitra akory i Jeho kanefa nahatohitra an'izany rehetra izany izy. Mitandrema tsara ianao amin'io resaka "maquillage" io, indrindra fa ny "mascara".
Tahaka an'i Solomona dia tsy sasatra aho mampitandrina ny tanora fa zava-doza ny ateraky ny fifampijerijerena eo amin'ny fifandraisan'ny tanoralahy sy ny tanoravavy. Raha mangovitra amin'ny tenin'Andriamanitra ianao ka tena ataonao zava-dehibe ny Teniny dia hiaro anao amin'io vehivavy mety ampiasain'i Satana hamotika sy handrava ny fiainanao io izany ! Ary rehefa tsy mahomby amin'ny famotehana sy fandravana ny fiainanao Satana dia hiezaka izy farafaharatsiny hamotika ny fiainam-panahinao mba tsy ho azon'Andriamanitra ampiasaina ianao ! Misy aza olona efa voavonjy kanefa mbola milalao amin'ny vehivavy ihany, hany ka very ny asa fanompoana nomanin'Andriamanitra ho azy. Tsy maintsy ataontsika zava-dehibe tokoa izany. Tsy ampy ny miteny fotsiny hoe "Efa voavela heloka aho". Alaivo sary an-tsaina hoe tonga any amin'ny mandrakizay ianao dia mahita fa nisy asa fanompoana nomanin'Andriamanitra ho anao kanefa tsy azonao satria tsy nitandrina ny fifandraisanao tamin'ny vehivavy ianao. Eritrereto hoe tonga any amin'ny mandrakizay ianao ary hitanao fa noho ny fahafinaretana kely tsy misy dikany niaraka tamin'ny vehivavy maivan-doha anankiray dia tsy azonao ilay asa fanompoana izay tokony ho nampamirapiratra ny mandrakizainao satria niadaladala ianao tety an-tany. Eritrereto ny nenina bevava hameno ny fon'ny olona maro dia maro amin'izay andro izay.
Indrindra raha mbola tanora ianao, mitandrema tsara.