WFTW Body: 

Aoka ianao hitsotra ny marina

Ao amin'ny Matio 5:8 dia hoy Jesosy "Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady". Mila manatona an'Andriamanitra isika mba ho voavonjy amin'izany, ary ny dingana voalohany dia ny fitsorana ny marina. Raha tezitra ianao dia tsory ny marina. Mandehana manatona ilay olona nahadiso anao dia lazao aminy hoe "Miala tsiny aho ry rahalahy. Mifona aho tamin'ny fomba niresahako taminao". Ary raha nanota impolo tao anatin'ny indray andro ianao noho ny fahatezerana dia mandehana mifona amin'ilay olona impolo. Raha hitan'Andriamanitra fa mitsotra ny marina sy manetry tena ianao dia hanome hery anao Izy mba hanafahana anao.

Fa raha saronanao ny zavatra nataonao, raha mahita fialan-tsiny ianao ka manamarina ny fahatezeranao dia tsy hahazo fanafahana mihitsy. Ny fotoana tokana tokony hahatezitra anao dia rehefa voakasikasika ny voninahitr'Andriamanitra fa tsy ny voninahitrao.

Ny filàna vehivavy dia tsy azo amarinina mihitsy. Azonao atao ny mijery sy mankafy ny vadinao fa tsy azonao atao ny mankafy vehivavy hafa. Tsy sitrapon'Andriamanitra izany. Andriamanitra dia milaza fa tsy azonao andeferana mihitsy izany. Voalohany indrindra dia tsy maintsy mitsotra ny marina ianao hoe "Tompo ô, nijangajanga aho". Aza miteny mihitsy hoe "Nankafy ny hatsaran-tarehiny aho". Fa izao lazaina "Nijangajanga aho".

Raha mitsotra ny marina ianao dia hanafaka anao Andriamanitra.

Aoka ianao tsy handefitra mihitsy

Ny zavatra faharoa dia izao, tokony ho hentitra fatratra ianao. Hoy ny Baiboly "Mandosira ny fijangajangana" (1Korintiana 6:18). Raha mijery ordinatera ianao ka azon'ny fakam-panahy dia alaviro haingana iny na vonoy dia mitenena hoe "Tompo ô, tsy miraharaha aho na tsy hitako aza izay notadiaviko tato fa tsy te-ho lavo eto aho". Rehefa milaza i Jesosy hoe "Raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao dia esory hiala izy". Ny tiany nolazaina dia tsy hoe ongoty hiala ery ny masonao ankavanana. Mazava tsara izany satria mbola afaka mitsiriritra amin'ny masonao ankavia foana ianao. Ny tiany nolazaina dia hoe aoka ianao tsy handefitra mihitsy manoloana ny fahotana, tsy handefitra mihitsy amin'ny lelanao sy ny masonao.

Ataovy tahaka ny olona jamba sy olona moana ianao rehefa tonga ny fakam-panahy. Ny moana ve mbola afaka hampiaka-peo sy hivazavaza ? Ny jamba ve mbola afaka hitsiriritra amin'ny masony ? Tsia. Meteza ho tahaka ny jamba ianao ary lazao hoe "Tompo ô, tsy nanome ahy maso hitsiriritako vehivavy ianao fa mba hahitako ny voninahitrao". Lazain'i Jesosy fa raha tsy manao tahaka ny jamba sy moana ianao dia hariana any amin'ny helo na dia tsy feno aza ny rantsambatanao. Mahasoa ny olona ny mamoy rantsam-batana anankiray (izany hoe mandà an-tsitrapo ny fahafinaretana mamoafady irin'ny vatana) ka tafiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Dia torak'izany koa, hoy Jesosy "Raha manao vetaveta ny tananao ankavanana ary manafintohina anao dia tapaho izy" (Matio 5:30). Ataovy tahaka ny mondry tanana ianao ka tsy afaka manota na amin'ny tananao ankavanana na amin'ny tananao ankavia. Jesosy dia manome vahaolana tsotra sady mora ampiharina foana. Asain'i Jesosy manao tahaka ny jamba ianao, manao tahaka ny olona tapa-tanana satria mampidi-doza loatra ny fahotana. Raha manana toe-tsaina hentitra mafy tahaka izany isika dia mino aho fa hanafaka antsika tanteraka Andriamanitra ary hanana tokantrano sambatra kokoa isika. Aza mihevitra hoe ny fananana tokantrano no hamaha ny olan'ny filàna ara-nofo. Marobe ny olona manambady no manana eritreritra mamoafady tsy misy fiafarany. Isan'andro dia marobe ny olona manambady no mijery pôrnô ao amin'ny internety. Tsy mahavaha izany olana izany ny fanambadiana satria filàna anaty izany. Raha tsy resenao amin'ny herin'ny Fanahy Masina izany dia ho resy ianao ka hihevitra ny tenanao ho kristiana ara-panahy mandritra ny fiainanao kanefa tsy izany akory.

Moa ve fivavahana kristiana efa ambaratonga ambony no resahin'i Jesosy eto ? Tsia. Fomba fialàna amin'ny helo fotsiny no resahiny eto. Tsy taranja ho an'ny ambaratonga ambony ny fialàna amin'ny helo. Abidim-pianarana fototra izany. Lazain'i Jesosy fa aleo mamoy rantsana anankiray toy izay ny tena manontolo no hariana any amin'ny helo. Ny fialàna amin'ny helo no fampianarana farany ambany indrindra ary izany no tian'i Jesosy ampianarintsika ny mpianatr'i Jesosy rehetra any amin'ny firenena rehetra. Betsaka ve ny mampianatra an'izany ? Tsia, zara raha misy. Koa izany no antony nanendren'ny Tompo ahy hanasongadina an'izany hatrany ao amin'ny asa fitoriako.