WFTW Body: 

"Manàna faharetana amiko (omeo andro aho)", hoy ny fitalahoan'ilay mpanompo namany nangataka ny famindram-pony (Matio 18:29). Izany koa no hiaka tsy miloaka ny vava miantefa aty amintsika vehivavy mpikarakara tokantrano sy renim-pianakaviana avy amin'ireo olona maro tsy maintsy karakaraintsika isan'andro. Kanefa tsy maintsy malady sofina ny ao amin'ny fanahintsika raha te handre izany fitarainana izany isika, satria tsy miloaka ny vava izany.

Mety hoe elabe ny zanatsika vao mahay ny zavatra izay efa nampianarintsika azy imbetsaka, ary alaim-panahy mafy isika tsy hanam-paharetana aminy. Raha mba rentsika mantsy ny fitarainany tsy miloaka manao hoe "Manàna faharetana amiko, efa miezaka mafy aho mba manao izay farany takatry ny saiko", dia ho mora kokoa amintsika ny handresy ny fakam-panahy rehefa mitady ho sosotra aminy isika.

Na angamba ilay mpanampy antsika amin'ny raharaha ao an-tokantrano no tsy dia havanana loatra, ary tsy tena araka izay tadiavintsika ny zava-bitany, dia alaim-panahy isika hikitakita azy. Kanefa misy hiaka ao anatiny manao hoe "Manàna faharetana amiko. Omeo fotoana aho fa amin'ny manaraka hatsaraiko ny asako", amin'izay koa dia mbola hisy ny fotoana hahafahantsika maneho fahalemem-panahy bebe kokoa aminy.

Na koa mety ireo ray aman-drenintsika be taona, efa antitra sy osa, ka miankin-doha amintsika ankehitriny. Ny fitarainana malefaka am-pony tsy miloaka koa dia izao "Manàna faharetana amiko. Tsy te hanahirana anareo ange aho, kanefa ankehitriny dia mila ny fanampianareo aho". Raha mora tsapantsika ny fihetseham-pon'izy ireo, dia ho rentsika ny fitarainany ary hanampy azy isika, ka tsy hesorintsika aminy ny haja maha-olona azy, ary tsy hataontsika tsapany akory ny tsi-fahavitany tena.

Mety ny fihetsik'ireo rahavavy ao am-piangonana no tonga fizahan-toetra ho antsika. Ny fitarainany koa dia izao "Manàna faharetana amiko. Mbola tsy ampy fahendrena aho". Ary dia ho fantatsika fa izy ireny koa, tahaka antsika ihany, dia miady mafy mba handroso ho amin'ny fahatanterahana.

Ao amin'ireny toe-javatra rehetra ireny dia mitady hirona hankany amin'ny nofo isika ka ho tonga tahaka ilay mpanompo tsy nahay namindra fo. Kanefa amin'ireny fotoana ireny no tokony hahatsiarovantsika indray fa namela heloka be antsika Andriamanitra, ary ny olona dia nanana faharetana tamintsika tamin'ireo hadalantsika.

Noho izany dia tokony hanongilana ny sofim-panahintsika mandrakariva isika mba handre ny fitarainan'ireo mpanompo namantsika izay mangataka antsika hanam-paharetana, na antitra izy ireny na tanora.

"Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona" (Jakoba 1:4).