WFTW Body: 

« Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy, ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana, eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty. Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy. Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako ; fa zavatra iray loha no ataoko ; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony » (Fil. 3:7-14) .

Izany dia fijoroana vavolombelona nataon'ny kristiana anti-panahy rehefa nadiva hifarana ny fiainany izay ampoky ny soa sady feno. Telopolo taona izay no efa niova fo i Paoly. Nandritra ireo telopolo taona ireo dia nampiasain'Andriamanitra izy hanangana fiangonana marobe, ary nohamarinin'Andriamanitra tokoa tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ny asa fanompoany. Hatramin'ny voalohany mihitsy dia tsy nisalasala i Paoly fa avy hatrany dia nikely aina tamin'ny asa fitoriana, tsy nitsahatra nandeha nitety tany, ary nisedra zava-tsarotra maro. Arakaraka ny nitomboany tamin'ny fanahafana ny Tompony, no nahitany fa niha tanteraka teo amin'ny fiainany ilay hoe fandresena ny fahotana. Ary tao anatin'ireo fifaliana marobe teo amin'ny fiainan'i Paoly, dia nisy zavatra anankiray hafa kely nihatra taminy, satria araka ny filazany, dia nakarina tany amin'ny lanitra fahatelo izy mba handray fanambarana mahagaga mikasika fahamarinana ara-panahy.

Kanefa tamin'ny faran'izany rehetra izany dia nanambara izy fa tsy mbola nahatratra akory izay nokasain'Andriamanitra ho an'ny fiainany. Eto dia miteny io kristiana izay lehibe indrindra hatramin'izay io, rehefa antomotra ny andro hahafatesany, fa mbola mila miezaka manatratra ny tanjona izy. Ho an'ny ankamaroan'ny mpino mantsy dia indrisy fa ny famonjena dia manomboka sy miafara eo amin'ny fahateraham-baovao ary natao hiaro azy ireo amin'ny fitsaran'Andriamanitra izany. Fa tsy mba toy izany ho an'ny apostoly, tsy mba toy izany mihitsy ho an'ny olona izay te ho mpianatr'i Kristy tokoa tahaka an'i Paoly. Ambaran'i Paoly ao amin'ireo andinin-tsoratra masina ireo ny finoany lalina fa nisy tanjona ny nihazonan'i Kristy azy. Izy kosa, ho setrin'izany, dia ninia nihazona izany tanjona izany araka izay tratry ny ainy. Ny fahamarinana lehibe sady tsy miova dia izao : eo amin'ny fotoanan'ny fiovam-pontsika, rehefa mihazona antsika ny Tompo, dia miaraka amin'ny tanjona anankiray izany. Io tanjona io dia tsy ny hamonjena antsika amin'ny afobe sy hahatongavantsika any an-danitra fotsiny fa mihoatra lavitra be noho izany. Raha lehilahy anti-panahy tahaka an'i Paoly aza, izay tsy nety sasatra nanao asa fanompoana nandritra ny telopolo taona, no milaza fa mbola tsy nahatratra ny tanjona sy mila mikely aina hahatanteraka ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny fiainany. Moa tsy tena goavana be tokoa ve izany tanjona izany ?

Mbola miroso lalindalina kokoa aza Paoly ao amin'io andininy io. Aminy ny zavatra rehetra izay heverin'izao tontolo izao ho sarobidy dia taimboraka, rehefa ohariny amin'ny zavatra anankiray faratampony : ny fahafantarana ny tanjon'Andriamanitra sy ny fanatanterahana izany eo amin'ny fiainana. Izany dia napetrany ho loka hamoizana ny zavatra rehetra eto amin'izao tontolo izao (andininy 14). Rehefa mijery ny manodidina isika ka mahita mpino mitsiriritra ny fananan'izao tontolo izao ary mamikitra amin'ny zavatra ara-nofo, sy manome toerana betsaka kokoa an'ireny eo amin'ny fiainany noho ny zavatra momba an'Andriamanitra, dia voatery miaiky isika fa mifanalavitra be amin'ny an'i Paoly ny fiainany.

Ny fiheverana fa ny famonjena dia fitaovam-piarovana amin'ny afobe fotsiny dia mariky ny fahazazana ara-panahy. Rehefa miha-matotra ara-panahy isika dia mahatakatra fa ny famonjena dia nomen'Andriamanitra antsika mba hahafahantsika mandeha isan'andro eo amin'ny lalany izay efa nosoritany ho an'ny tsirairay hatrizay (Efesiana 2:10). Izany lalana izany no nantsoin'i Paoly hoe tanjon'Andriamanitra ho an'ny fiainana. Raha afa-po amin'ny fandraisana ny fahasoavany fotsiny isika, fa tsy manatanteraka ny sitrapony ho an'ny fiainantsika, na dia evanjelistra mafana fo aza isika, dia tsy hahavita hanome zavatsoa sarobidy sy maharitra ho an'Andriamanitra mandritra ny fiainantsika. Mazava ho azy fa ny tanjon'ny devoly voalohany dia ny hanajamba ny olona amin'ny fomba rehetra mba tsy hahitany ny fahasoavan'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy, sy hanakana azy tsy ho voavonjy (2 Korintiana 4:4). Fa raha tsy mahomby izany, ny tanjon'ny devoly manaraka dia ny manajamba ireo mpino vaovao tsy hahita fa efa misy planin'Andriamanitra raikitra natao ho azy ireo. Nahitan'ny devoly fahombiazana kokoa io faharoa io. Misy olona tena mpino an'arivony maro no tsy mba mitady ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fahazotoana kely akory, na dia mikasika ireo fanapahan-kevitra lehibe raisiny eo amin'ny fiainany aza.

Ny fiainana kristiana izay voalaza eo amin'ireo andinin-tsoratra masina ao amin'ny Filipiana ireo, dia fiainana izay tsy hahafahana mitaredretra fa tsy maintsy hiezahana mandroso haingana hatrany. Tsy misy olona manana fahamatorana ara-panahy ambony dia ambony eto amin'ity tany ity ka afaka hilaza fa tsy iharan'izany hamehana izany. Ny antony dia satria mpino marobe no efa nanao tsirambina io fampianarana io ka tsy afaka mijoro vavolombelona eo amin'ny fiainany. Ny fijoroana vavolombelona tokana ananan'izy ireo dia mikasika ny zavatra niainany efa tany aloha elabe tany, tamin'ny androm-pahasoavana anankiray izay mety nananganan'izy ireo tanana sy nanaovany sonia taratasy nandritra ny asa fitoriana iray. Tena mahafinaritra izany, kanefa tsy nisy na inona na inona nitranga hatramin'iny ! (Ohabolana 24:30-34).Ny sarin'io saha izay tsy nisy fikarakarana io, dia maneho ny toe-piainan'ny olona izay mipetra-potsiny aorian'ny fahazoany famonjena. Ny saha dia mila havaina sy karakaraina raha tsy tiana ho feno ahi-dratsy, dia toy izany koa ny fanahin'ny olombelona.