Ny tanjon'Andriamanitra dia ny hahatonga antsika ho tahaka an'i Kristy. Ireto misy andinin-tSoratra Masina telo lehibe mifandray amin'izany :
(a) Romana 8:28, 29 : Ataon'ny Raintsika miara-miasa avokoa ny zavatra rehetra ety ivelany mba ho tratrantsika io tanjona io
(b) 2 Korintiana 3 :18 : Fenoin'ny Fanahy Masina ao anaty isika mba ho entina any amin'io tanjona io
(c) 1 Jaona 3:2, 3 : Ny olona rehetra izay manana fanantenana ny amin'ny fihavian'i Kristy dia hiezaka hanatratra io tanjona io.
Raha miara-maty amin'i Jesosy isika dia azo antoka fa hiara-belona Aminy koa. Raha manana finoana an'Andriamanitra isika dia hiombona amin'izany " fahafatesan'i Jesosy" izany, izany hoe maty ny amin'ny sitrapon'ny nofo (mitady fahafinaretana, laza amam-boninahitra sy ny sisa) eo amin'ireo toe-javatra alamin'Andriamanitra. Hino marimarina isika fa ho takalon'izany dia homen'Andriamanitra antsika ny fiainany izay ambony lavitra noho ny fiainana adamika (sitrapon'ny nofo) atolotsika ny fahafatesana.
Ny fiainan'i Jesosy nitsangana tamin'ny maty dia azo antoka fa ambony lavitra noho ny fiainana nolovantsika rehetra tamin'ny ray aman-drenintsika. Kanefa tsy maintsy vonona hahafoy ilay fiainana adamika ho amin'ny fahafatesana aloha isika vao hanome antsika ny fiainan'i Jesosy Andriamanitra (2 Tim. 2:11; 2 Kor. 4:10). Izany dia azo oharina amin'ny vola madinika kely ao anatin'ny kapoaka entintsika mangataka kanefa atakalo vola anapitrisany atolotr'Andriamanitra. Ny olona adala ihany no handà izany fifanakalozana izany. Saingy feno olona adala tahaka izany izao tontolo izao. Koa ny fiafaran'izy ireny dia mbola mifikitra amin'ireo vola madinika keliny (ny fiainan'i Adama izay lo), kanefa azon'izy ireo nampiasaina ireo fakam-panahy nahazo azy tety ambonin'ny tany hananany harena be ara-panahy (sy ny toetran'Andriamanitra), alohan'ny hahataperan'ny androny. Tsy mahagaga raha antsoin'ny Baiboly hoe fitaka ny filantsika (Efe. 4:22), satria lazain'ny filantsika amintsika fa izy no hahasambatra antsika.
Anankiroa ny mariky ny fitiavan'Andriamanitra antsika : mananatra Izy ary manafay rehefa diso isika, na dia amin'ny raharaha madinika indrindra aza (Heb. 12:5-8; Apok.3:19). Izany dia manaporofo fa mitondra antsika tahaka ny zanany Andriamanitra. Ary miasa tsy tapaka Andriamanitra hahatonga antsika ho tahaka an'i Kristy raha toa ka tena zava-dehibe amintsika koa izany tanjony izany.
Manana hevitra iheverany ny fiainantsika Andriamanitra, nefa tsy ho tanteraka izany raha tsy katsahintsika amin'ny fontsika rehetra Izy, ary amin'izay ihany (Vakio Jeremia 29:11-13 ampifandraiso amin'izany). Andriamanitra dia Mpamaly soa izay rehetra mazoto mitady Azy (Heb. 11:6). Koa mazotoa mitady Azy manomboka izao.