WFTW Body: 

Vakiantsika ao amin'ny Lioka 22:31 ny nampitandreman'i Jesosy an'i Petera ny amin'ny loza efa hanjo azy. Hoy Jesosy taminy " Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao ; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao ".

Nisy tanjona tian'Andriamanitra nokendrena tamin'ny namelany an'i Petera ho lavom-pahotana. Ny tanjona dia ny hikororohana an'i Petera toy ny vary. Ny tena notadiavin'i Satana dia ny hamotika tanteraka an'i Petera, saingy tsy navelan'Andriamanitra hanao an'izany izy. Andriamanitra dia tsy hamela antsika halaim-panahy na hosedraina mihoatra noho izay zakantsika. Koa navela hikorokoka an'i Petera i Satana. Ary vokatr'izany fahalavoan'i Petera izany dia nodiovina ho afaka tamin'ny akofa be dia be teo amin'ny fiainany izy. Izany koa no tena tanjona tian'Andriamanitra hotratrarina amin'ny famelany antsika ho lavon'ny fahotana. Tsy tsara kosa ve raha esorina hiala eo amin'ny fiainantsika ny akofa ? Tsara tokoa. Rehefa mijinja vary ny mpamboly, dia tsy maintsy kororohiny ny vary vao azony ampiasaina. Ary izay ihany ny fomba hialan'ny akofa sy hahazoana voam-bary.

Mampiasa an'i Satana ny Tompo mba hanesorana ny akofa eo amin'ny fiainantsika. Tena mahavariana fa ny fomba anatraran'Andriamanitra izany tanjona izany dia amin'ny famelany antsika ho lavom-pahotana hatrany hatrany !!! Nampiasa an'i Satana Andriamanitra mba hanatrarany izany tanjona izany teo amin'i Petera ary hampiasa an'i Satana koa Izy mba hanatrarany izany tanjona izany eo amin'ny fiainantsika. Betsaka ny akofa eo amintsika rehetra, ny akofan'ny avonavona, ny akofan'ny fahatokisan-tena, ary ny akofan'ny tsi-fahamarinana. Ary mampiasa an'i Satana Andriamanitra mba handavo antsika isaky ny mihetsika, mba hampiala izany akofa izany tsy ho hita popoka eo amintsika.

Ianao irery ihany no mahalala na vitan'ny Tompo ny nanatratra izany tanjona izany teo amin'ny fiainanao na tsia. Fa raha miala tanteraka ny akofa, dia hitombo ny fanetren-tenanao ary hihena ny fanamarinan-tenanao. Tsy hanao tsinontsinona ireo olona hafa lavom-pahotana ianao. Tsy hihevitra ny tenanao ho tsara kokoa noho ny hafa ianao na iza na iza.

Andriamanitra dia manome alalana an'i Satana hanaisotra ny akofa eo amintsika, amin'ny famelany antsika ho lavon'ny fahotana tsy misy farany. Koa aza kivy ianao raha lavon'ny ota. Mbola eo an-tanan'Andriamanitra ianao. Tanjona ambony dia ambony no tratra amin'ny alalan'ny fahalavoanao imbetsaka. Kanefa ny finoanao ny fitiavan'Andriamanitra anao dia aoka tsy ho levona ao amin'ireny fahalavoana ireny. Izany no nangatahin'i Jesosy ho an'i Petera ary ankehitriny dia izany koa no angatahiny ho antsika. Jesosy dia tsy mangataka mba tsy ho lavo mandrakizay isika, fa mangataka Izy mba tsy hiozongozona mihitsy ny fahatokisantsika ny fitiavan'Andriamanitra rehefa latsaka ambany dia ambany isika.

Amin'ny alalan'ireo fahalavoana maro niainantsika ihany no ahatongavantsika eo amin'ilay "kilaometatra zero" amin'ny farany, rehefa voatorotoro tokoa isika. Rehefa tonga teo amin'izany toerana izany i Petera vao nahazo "fiovam-po" faharoa (Lioka 22:32). Nibebaka izy. Ny porofo fa nivaly ny vavaka nataon'i Jesosy ho an'i Petera dia satria rehefa tafidina ambany dia ambany indrindra i Petera dia nibebaka. Tsy kivy sy nanjoretra teo amin'ny toerany fotsiny izy. Tsy nanary ny finoany izy. Nitsangana izy. Navelan'Andriamanitra nandeha nomban'ny tady lavabe izy. Koa rehefa tonga hatrany amin'ny faran'ilay tady i Petera dia nosintonin'Andriamanitra niverina.

Tena mahafinaritra loatra izany hoe zanak'Andriamanitra. Rehefa mitazona antsika Andriamanitra dia manisy tady manodidina antsika Izy mba hiarovany antsika. Matetika no miketraka izany tady izany ary mety mibolisatra sy mianjera injato aman'arivo ianao na mety manalavitra ny Tompo mihitsy aza. Kanefa any andro iray, ho tonga hatrany amin'ny faran'ilay tady ianao. Ary amin'izay dia hisintona anao hiverina any Aminy Andriamanitra. Mazava ho azy fa rehefa tonga eo amin'izany toerana izany ianao dia afaka manapa-kevitra ny hanapaka ny tady sy hitsoaka mandositra. Nefa koa ianao afaka misafidy ny hotorotoron'Andriamanitra amin'ny halemem-panahiny ka hitomany mafy sy hiverina any Aminy. Izany no nataon'i Petera. Nitomany izy ary niverina tany amin'ny Tompo. Fa i Jodasy Iskariota kosa tsy mba nanao izany. Notapahin'i Jodasy ny tady tamin'izy niodina tsy hanaiky ny fahefan'Andriamanitra, ary dia very mandrakizay izy. Kanefa matoky aho fa hanao tahaka an'i Petera ianao.

Dia hoy amin'izay Jesosy tamin'i Petera, "Rehefa avy mibebaka ianao ary tonga mahery indray, dia ampaherezo ireo rahalahinao". Rehefa voatorotoro ihany isika vao tonga mahery sy afaka hampahery ny hafa. Rehefa nalemy sy voatorotoro i Petera izay vao tena tonga nahery, nahery tokoa izy ka afaka nampahery ny rahalahiny sy ny anabaviny. Azontsika lazaina izany fa ny fanomanana an'i Petera ho amin'ny asa fanompoana feno ny Fanahy Masina dia tamin'ny fahalavoana nihatra taminy. Raha toa ka nofenoina ny Fanahy Masina avy hatrany izy kanefa tsy niharan'izany fahalavoana izany dia ho olona feno avonavona no nijoro tamin'ny andron'ny Pentekosta, tahaka ny olona tsy lavom-pahotana hatrizay niainany, ka ho nanambany sy namingavinga ireo mpanota very sy mahantra teo anoloany. Ary ho nataon'Andriamanitra fahavalo izy, satria Andriamanitra dia manohitra ny mpiavonavona !!!

Petera dia tsy maintsy nankeo amin'izany kilaometatra zero izany koa talohan'ny nahatongavany ho olona araka ny nitiavan'Andriamanitra azy. Raha efa nanjo antsika izany latsaka ambany dia ambany izany, dia tsy mba hanambany velively ireo olona izay mbola tavela ao isika. Tsy mba hanao tsinontsinona ireo mpanota na ireo mpino niverin-dalana isika eny na dia ireo mpitondra fiangonana solafaka aza. Tsy mba hampirehareha antsika velively ny fandresentsika ny fahotana, satria fantatsika tsara ireo fahalavoana marobe teo amin'ny fiainantsika tamin'ny lasa. Izany no antony nahatonga an'i Petera mihitsy nampitandrina ireo kristiana hoe "A za manadino ny nanadiovana anareo tamin'ny fahotanareo voalohany" (2 Petera 1:9). Nampitandrina izy fa raha hadinon'izy ireo izany, dia ho lasa jamba sy pahina izy ireo. Izaho dia tsy mba maniry ny ho lasa jamba sy pahina. Tiako ny hanana fahitana mahatsinjo lavitra, ny zavatsoan'ny lanitra sy ny zavatsoan'ny mandrakizay, amin'ny fotoana rehetra.