WFTW Body: 

Ao amin'ny Genesisy, toko faha-37, no amakiantsika fa Josefa dia tovolahy natahotra an'Andriamanitra ary izany no antony nankahalan'i Satana azy. Ary noho izany dia notoloran'i Satana hevitra ireo zokiny lahy mba hamono an'i Josefa. Kanefa tsy natolotr'Andriamanitra teo an-tanan'izy ireo ny ain'i Josefa. Na izany aza dia vitan'ireo zokin'i Josefa ihany ny nivarotra azy tamin'ny mpandranto ismaelita. Kanefa taiza hoy ianao no toerana nitondran'izy ireo an'i Josefa ? Tany Egypta, mazava ho azy ! Koa dia tontosa tamin'izany ny dingana voalohany tao amin'ny planin'Andriamanitra ! Tany Egypta dia novidian'i Potifara i Josefa. Izany koa dia efa tao anatin'ny fandaminan'Andriamanitra. Ny vadin'i Potifara dia vehivavy ratsy fanahy. Raikipitia tamin'i Josefa izy ary naka fanahy azy tsy an-kiato. Tamin'ny farany, rehefa hitany fa tsy nahomby ny tetiny dia nendrikendrehany Josefa ary tsy namelany raha tsy nampidirina an-tranomaizina. Kanefa iza hoy ianao no tafaraka tamin'i Josefa tao an-tranomaizina tao ? Ny mpitondra kapoakan'i Farao ! Efa nalamin'Andriamanitra koa ny fampidirana an-tranomaizina ilay mpitondra kapoakan'i Farao mba hampihaonana azy roalahy. Izany no dingana faharoa tamin'ny planin'Andriamanitra. Ny dingana fahatelo tamin'ny planin'Andriamanitra dia ny namelany ny mpitondra kapoakan'i Farao hanadino an'i Josefa nandritra ny roa taona. « Kanjo tsy mba nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy … Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao ….. Dia niteny tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka …. » (Gen. 40:23 ; 41:1,9). Izay amin'izay ilay fotoana, araka ny fandaharam-potoanan'Andriamanitra, mba hamoahana an'i Josefa avy ao an-tranomaizina. Izao no lazain'ny Salamo 105:19,20 « Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny. Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah. Naniraka ny mpanjaka hamaha azy. Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy ». Efa telopolo taona izao Josefa. Efa tonga ny fotoanan'Andriamanitra. Noho izany dia nasain'Andriamanitra nanonofy Farao. Ary nampahatsiarovin'Andriamanitra ilay mpitondra kapoaka koa fa Josefa no nahay nanazava taminy ny nofiny. Dia toy izany no nahatongavan'i Josefa teo anatrehan'i Farao sy nahatongavany ho mpanapaka faharoa tany Egypta. Ny tendrim-potoanan'ny zava-nitranga rehetra teo amin'ny fiainan'i Josefa dia tsy nisy nivena na kely aza ! Tsy ho takatry ny saintsika mihitsy izany fandaminan-javatra nataon'Andriamanitra. Raha nanana fahefana handamina ny fianan'i Josefa izao isika, ny nataontsika angamba dia tsy navelantsika hisy olona hanisy ratsy azy mihitsy. Kanefa ny fomba nanaovan'Andriamanitra azy no tsara kokoa. Vao mainka lehibe kokoa ny fahagagana rehefa ny ratsy nataon'ny olona tamintsika no mivadika mba hanatontosana ny sitrapon'Andriamanitra ho antsika ! Mahafaly an'Andriamanitra mihitsy ny mampifotitra any amin'i Satana ny ratsy ataony, mba hiara-miasa hahasoa ny olom-boafidin'Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Ao amin'ny toko voalohany amin'ny bokin'ny Eksodosy, dia vakiantsika fa naharaiki-tahotra an'i Farao ireo Zanak'Isiraely, na dia andevo aza izy ireo. Nitombo betsaka sy nihamaro ny Zanak'Isiraely ka natahoran'i Farao sao hahavita hikomy aminy sy tsy hety hanompo azy intsony. Noho izany dia namoaka didy izy mba hamono ny zazalahy kely vao teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely. Fa izao aloha, izany tetika izany dia avy tamin'ny devoly. Satana dia nitetika hamono ny jiosy foana, ary efa imbetsaka no nisehoan'izany tao amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona. Fotoana voalohany nanararaotan'i Satana namonoana ny jiosy izao nitranga izao. Hitantsika fa noho ny didy navoakan'i Farao hampamono ny zazalahy kely vao teraka rehetra no nahatonga ny renin'i Mosesy hametraka azy tao anaty sobika kely. Ary rehefa nitsinkafona iny sy nidina nanaraka ny renirano dia nampiarahin'ny renin'i Mosesy vavaka tamin'Andriamanitra. Raha toa ka tsy nivoaka izany lalàna mahatsiravina izany, dia tsy ho nanao zavatra toy izany mihitsy ny renin'i Mosesy. Hitan'ny zanakavavin'i Farao i Mosesy ka noraisiny, dia notezainy tao an-dapan'i Farao. Toerana efa nikasan'Andriamanitra hanofanana an'i Mosesy nandritra ny 40 taona teo amin'ny fiainany izany. Tsy ho nitranga teo amin'ny fiainan'i Mosesy izany raha tsy namoaka ilay lalàna mahatsiravina i Farao. Fa ho nobeazina tahaka ny andevo rehetra namany ihany izy. Hitanao amin'izany ve ny fomba nanatontosan'Andriamanitra ny tanjony avy tamin'ny zavatra nataon'i Satana ?

Ao amin'ny bokin'i Estera, dia vakiantsika ny fomba nanavotan'Andriamanitra ny Jiosy mba tsy haharingana tanteraka azy ireo. Kanefa mahazendana ny fomba nanatanterahan'Andriamanitra an'izany, satria tamin'ny alalan'ny trangan-javatra kely fotsiny : ny tsy fahitan-torin'ny mpanjaka. Hamana sy ny vadiny dia niray tetika ny alin'iny mba hangataka alalana amin'ny mpanjaka hanantonana an'i Mordekay eo amin'ny fanantonan-doha ny ampitso maraina, ho santatry ny fandringanana ny jiosy rehetra. Kanefa raha mbola teo am-pandaminana izany teti-dratsiny izany Hamana mivady, Andriamanitra koa dia efa miasa amin'ny alalan'i Mordekay. «Indro tsy matory na rendrehana ny Mpiaro ny Isiraely » ( Salamo 121:4). Tamin'io alina io dia tsy navelan'Andriamanitra hahita tory ny mpanjaka . « Ary tamin'iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara ; ary novakina teo anatrehan'ny mpanjaka izany » (Estera 6:1). Nandritra ny ora maro dia nihaino ny tantaran'ny fireneny ny mpanjaka, mandra-pahazava ratsy ny andro. Tamin'izay ny famakiana ny tantara dia tonga teo amin'ny fomba niarovan'i Mordekay ny mpanjaka izay nisy nitady hamono. Koa dia nanontanian'ny mpanjaka ny mpanompony raha efa nisy fisandratana sy voninahitra nomena an'i Mordekay noho izany. Dia namaly ny mpanjaka izy fa tsy mbola nisy nomena an'i Mordekay. Eto koa dia mbola tsy nivena ny tendrim-potoanan'Andriamanitra. Amin'io fotoana io mihitsy no sendra tonga i Hamana, nikasa hangataka alalana amin'ny mpanjaka mba hanantonana an'i Mordekay. Raha mbola tsy nanoka-bava akory Hamana dia nanontanian'ny mpanjaka hoe, araka ny hevitrao inona no mendrika hatao amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra ? Dia noheverin'i Hamana, amin'ny maha-lehilahy mpieboebo azy, fa izy no tian'ny mpanjaka holazaina tamin'izany. Koa dia nanome torohevitra fomba fanomezam-boninahitra manetriketrika be izy ho an'izany lehilahy izany. « Mandehana ataovy haingana amin'i Mordekay izany » hoy ny mpanjaka. Tsy mahafinaritra be ve ny fomba nampifoteran'Andriamanitra aminy ny nataon'i Satana. Ny niafarany dia i Hamana no nahantona teo amin'ilay hazo fanantonan-doha namboariny ho an'i Mordekay. Araka ny voalazan'ny Baiboly hoe « Izay mihady lavaka (ho an'ny hafa) no ho latsaka ao (ny tenany), Ary izay manakodiadia vato (amin'ny hafa) no hikodiavany kosa (ho torotoro) » (Oha. 26:27). Eto amin'ity tantara ity i Hamana dia sarintsarin'i Satana izay mamorona teti-dratsy mandrakariva hamelezana antsika. Andriamanitra tsy hanakana azy amin'izany, satria Andriamanitra mbola manana tetika tsara lavitra. Ny tian'Andriamanitra dia ny mampifotitra any amin'i Satana ny ataony. Ny lavaka izay nolavahan'ny devoly ho antsika ihany no hianjeran'izy tenany amin'ny farany. Ny voalaza ao amin'ny Zefania 3:17 dia azo adika toy izao : amin'ny fitiavany no anaovan'Andriamanitra planina ho anao tsy mitsahatra ao amin'ny mangingina. Tamin'io alina io raha mbola sondrian-tory Mordekay, tsy nahalala na inona na inona momba ny teti-dratsin'i Hamana sy ny vadiny hamelezana azy, Andriamanitra koa dia efa eo am-panaovana planina hiarovana an'i Mordekay. Noho izany afaka matory tsy aman'ahiahy i Mordekay na dia fantany aza ny teti-dratsin'i Hamana. Ahoana moa izy no tsy hatory am-piadanana ? Raha Andriamanitra no momba azy, iza no hahatohitra azy ?

Ny ohatra lehibe indrindra azo raisina amin'izany dia Kalvary. Izany hoe rehefa nanaiky an'i Satana ny fahavalon'i Jesosy ka nanombo Azy teo amin'ny hazo fijaliana. Kanefa io hazo fijaliana io mihitsy no lasa toerana izay naharesy an'i Satana !!! Satana ihany no nifoteran'ny nataony, tahaka ny mahazatra. Ho an'i Jesosy dia nafotitr'Andriamanitra tany amin'i Satana ny teti-dratsiny. Ary izany koa no hataon'Andriamanitra amintsika raha mandeha amin'ny fahadiovan'ny fieritreretana sy amin'ny fanetren-tena eo anatrehany isika. Na inona na inona ataon'ny devoly sy ny forongony hamelezana antsika dia hafotitr'Andriamanitra any amin'izy ireo ihany izany, ary mandritra izany dia ho tontosa ny tanjon'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika.