WFTW Body: 

Ny Eksodosy toko faha 15 dia manomboka amin'ny fiderana an'Andriamanitra nataon'ny Zanak'Isirealy ary miafara amin'ny fimonomononany tamin'Andriamanitra. Izany lamin-tsary izany no naverimberin'ny Zanak'Isiraely imbetsaka tao an'efitra. Io olakolaka na "onde sinusoïdale" (amin'ny matematika) izay miakatra sy midina tsy misy fiafarany io dia mamaritra tsara ny fiainan'ny ankamaroan'ny mpino. Midera an'Andriamanitra izy rehefa mahazo izay tadiaviny, mitaraina amin'Andriamanitra rehefa misy zavatra tsy mandeha, misaotra an'Andriamanitra indray rehefa voavaha iny olona iny dia feno fisalasalana indray raha vao mipoitra ny zava-tsarotra manaraka. Ny anton'izany dia satria tsy mandeha amin'ny finoana ny ankabeazan'ny mpino fa mandeha amin'ny fahitana tahaka ireo Zanak'Isiraely. Amin'ny alahady maraina izy dia manandra-peo midera an'Andriamanitra mandritra ny fotoam-pivavahana (indraindray mampiaka-peo amin'ny teny tsy fantatra). Fa vao manomboka ny alahady tolakandro dia miova ny fiteniny, ataony amin'ny tenin-drazany amin'izay mantsy. Fahatezerana, fimonomononana sy fitarainan-dratsy na ao an-tokantranony izany na any am-piasany ! Ny alahady manaraka dia miakatra ny onjan'ny rafi-tsary ka manomboka midera an'Andriamanitra indray izy.

Aorian'izany dia midina indray ny onja ! Azontsika antoka fa tsy izany mihitsy no nokasain'Andriamanitra hiainan'ireo zanany ao amin'ny Fanekena Vaovao. Angaha moa ny Fanahy Masina izay manome fanomezam-pahasoavana hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra tsy mahay mifehy ny fitenin'ilay amin'ny tenin-drazany koa ? Hainy tokoa izany. Hoy ny Baiboly "Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo, misaotra mandrakariva noho nyzavatra rehetra" (Filipiana 4:4 ; Efesiana 5:20).

Izany no sitrapon'Andriamanitra ho antsika amin'ny fotoana rehetra ao amin'ny fanekena vaovao. Ary ny Fanahy Masina dia efa nomena antsika mba hanampy antsika hankato izany didy izany. Isika koa dia maintsy mandeha amin'ny finoana, izany hoe mino fa Andriamanitra efa nanomana vahaolana hamahana ny olana rehetra tsirairay atrehintsika.

Rehefa nimonomonona tamin'i Mosesy ny Zanak'Isiraely dia nitaraina tamin'ny Tompo i Mosesy ary izao no navalin'ny Tompo "Efa eo anoloanareo eo ny vahaolana hamahana ny olanareo" (Eksodosy 15:25). Nanehoan'ny Tompo hazo anankiray izy. Nokapain'i Mosesy ilay hazo ary natsipiny tao anaty rano dia tonga mamy ny rano.

Iza moa no namboly an'io hazo io tao an-efitra ? Nisy olona ve sa Andriamanitra ? Azo antoka fa Andriamanitra ! Tsy misy olona mamboly hazo any an'efitra izany. Efa taona maro talohan'io fotoana io no nambolen'Andriamanitra teo akaikin'ny Mara ilay hazo satria efa fantany fa taona maro any aoriana any dia handalo eo Mara ny Zanany ary hahita fa mangidy ny rano. Noho izany Andriamanitra dia efa nanomana vahaolana ho azy ireo taona maro mialoha an'io. Fantatrao ve fa mbola io Andriamanitra io ihany no nanomana vahaolana ho anao efa elabe talohan'ny iatrehanao ireo olanao ?

Mino an'izany zavatra izany no atao hoe mandeha amin'ny finoana. Tsy misy olana mitranga tampoka androany ka hoe tsy nampoizin'Andriamanitra. Tsy vitan'ny hoe fantatr'Andriamanitra mialoha fotsiny ilay olana hamelezan'ny devoly antsika fa efa nanamboatra vahaolana Andriamanitra hamahana ireny olana rehetra ireny ary efa nataony mialoha !! Koa afaka miatrika amin'ny fahasahiana ny olana rehetra ianao.

Azoko ijoroana vavolombelona ny fahamarinan'izany satria efa niatrika olana marobe aho tao anatin'izay 66 taona naha-mpino ahy izay. Tsy mbola nisy olana natrehiko na anankiray aza ka tsy nanomanan'Andriamanitra vahaolana ! Izy no namafy ny voa ho tonga hazo ary efa elabe talohan'ny nahatongavako tao Mara izany mba hahatonga ny ranoko ho mamy. Mamelà ahy hamporisika anao koa mba handeha amin'ny finoana an'ilay Raintsika mahagaga sy be fitiavana izay "manomana mangina ho antsika amin'ny fitiavana" (Zefania 3:17, dika malalaka). Koa amin'izany dia handresy tanteraka ny olanao rehetra ianao. Tsy hisy fimonomononana na fitarainan-dratsy na fahatezerana intsony eo am-bavanao fa fiderana sy fisaorana an'Andriamanitra ihany sisa. Amena.