written_by :   Zac Poonen categories :   Tanora Mpianatra Mpikaroka
WFTW Body: 

Rehefa tonga any an-danitra isika dia ho hitantsika ireo anjely izay niaro antsika fony isika nivahiny tety an-tany. Any am-parany any, rehefa jerentsika ny rakitsary video mitantara ny fiainantsika rehetra dia ho hitantsika fa nisy anjely anarivony maro niaro antsika ka tokony hisaorantsika. Ankehitriny isika dia mety tsy mahafantatra afa-tsy ireo "saika loza" vitsivitsy teny an-dalam-pianantsika teny. Fa amin'izay andro izay kosa dia ho fantatsika fa efa novonjena tamin'ny "tena loza" marobe lavitra noho ireny isika. Noho izany aoka ianao ho feno fisaorana.

Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa antsika. Taorian'ny lozam-pifamoivoizana nihatra tamiko taona vitsy lasa izay dia hoy Aho : "Tompo ô, mbola tsy nahavita naneho ny fisaorana Anao feno sy tanteraka aho noho izay nataonao ho ahy tao Kalvary. Koa mba omeo fotoana kely aho hitenenako hoe "Misaotra Anao aho". Tamin'izany dia izao teny izao no tao an-tsaiko : " Ny fiainantsika dia tsy maintsy fanehoana tsy tapaka ny fankasitrahantsika ny Tompo noho ny zavatra nataony ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana" .

Manana tanjona amin'ny zavatra rehetra Andriamanitra. Mikasika an'i Jakoba dia voalaza fa " tamin'ny finoana dia nivavaka tamin'Andriamanitra izy, niankina tamin'ny lohan'ny tehiny (tena tehina io satria tsy nahay nandeha intsony izy raha tsy nisy an'iny, fa efa nofolahin'Andriamanitra ny feny), ary nitso-drano azy ireo izy" (Heb.11:21). Io tehina io dia natao hampahatsiahivana an'i Jakoba, izay nihevitra azy ho nahavita tena, fa tsy maintsy miantehitra tanteraka amin'Andriamanitra izy amin'ny zavatra rehetra. Tahaka izany no nahatongavany ho Isiraely, izany hoe mpitolona amin'Andriamanitra izay nahery tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona. Rehefa tonga teo amin'izany toerana nampahalemy azy izany Jakoba vao tonga fitahiana ho an'ny hafa (araka ny voalazan'io andininy io). Ny

ivavahako dia ny mba hanandramanao izany eo amin'ny fiainanao koa, izany hoe ho voatorotoro ny herin'olombelona ao anatinao, ka tsy hiantehitra afa-tsy amin'Andriamanitra ianao, ary ho tonga fitahiana lehibe ho an'ny hafa ianao mihoatra lavitra noho izay mety ho vitan'ny herinao.

Efa nalamin'Andriamanitra ho lavorary tokoa ny fiainantsika, dia ny antsipirian'ny fiainantsika rehetra. Hamela an'i Satana hanafika antsika Andriamanitra, tahaka ny namelany an'i Satana hanafika an'i Jesosy. Kanefa narovan'i Jesosy ho madio ny fanahiny ary azonao arovana ho madio koa ny fanahinao. " Fa mahalala ny antsipirian'ny zavatra rehetra mitranga aminao Andriamanitra " (Job 23:10 Baiboly Living), na dia ao anatin'ny fizahan-toetra aza ianao ; ary mandamina ny antsipiriany rehetra koa Izy ( Rom.8:28). Koa ataovy fampaherezana ho anao izany. Tsara raha iainanao izany tsy miantehitra afa-tsy amin'Andriamanitra irery izany, rehefa ao anatin'ny zava-mitranga izay fantatrao fa " zava-poana ny fanampiana avy amin'ny olona". Izay ihany no lalana tokana hitomboana ara-panahy. Hoy C.T. Studd indray mandeha : " Tiako ny haitraitran'ny ady mahamay, mba hahitako izay fahagagana hataon'Andriamanitra amiko ao anatin'izany ".

Hitondra fanafahana lehibe dia lehibe tokoa ho antsika ny mahafantatra fa :

- Andriamanitra Ray no nifidy antsika

- ny Zanak'Andriamanitra no nanavotra antsika tamin'ny ràny ary

- ny Fanahy Masina izao no efa manisy tombo-kase antsika ho an'Andriamanitra (Efe. 1:1-13).

Ny famonjena antsika dia avy tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra avokoa. Niandry antsika hiteny hoe "Eny" fotsiny Andriamanitra ary dia notanterahiny avokoa izany (Efe.2:1-8). Tsy azony natao ny namonjy antsika raha tsy nomentsika alalana hanao izany Izy satria isika tsy 'robot'.

Efa nifidy antsika Andriamanitra fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, izany hoe efa nifidy antsika Izy talohan'ny nanaovantsika ratsy na nanaovantsika tsara (Rom.9:11), ary efa nanapa-kevitra Izy fa hitahy antsika amin'ny fitahiam-panahy rehetra ao amin'i Kristy. Noho izany dia tsy ankehitriny Izy akory no hiova hevitra ny amin'ny momba antsika.