WFTW Body: 

Tsy maintsy matoky ny Tompo mandrakariva isika fa Izy Ilay Tokana hanampy antsika :

(1) handresy ny filàn-dratsy rehetra ao anatin'ny nofo

(2) hanatanteraka ny tanjony ao anatin'ny fitsapana rehetra mahazo antsika

(3) hampandresy antsika na inona na inona mitranga, ary

(4) hampiseho miharihary ny fahamendrehan'i Kristy manoloana ny ratsy rehetra

Dia tsy ho kivy mihitsy isika amin'izay.

Isika dia natao ho vavolombelona velona ho an'izao taranaka tsy mino izao sy ho an'ireo kristiana tsy mijoro tsara, fa manana Andriamanitra fitiavana any an-danitra isika Izay manao fahagagana ho antsika. Manana planina ho an'ny fiainanao Andriamanitra.

Eo amin'ny fanomezanao voninahitra Azy isan'andro no ahitanao ny planiny. Ary amin'ny fotoana mety dia hanokatra varavarana ho anao Izy, any amin'ny sehatra rehetra : na amin'ny resaka fiombonan'ny mpino, na ny asa fivelomana, na ny trano fonenana, na ny fanambadiana (samy amin'ny fotoanany avy). Handray ny tsara indrindra any amin'ny sehatra rehetra ny olona manome voninahitra an'Andriamanitra, na inona inona mari-pahaizany, ary na tsy tsongoinolombolo sy tsy manana loharanom-bola aza izy, ary na inona na inona fahantrana misy na aiza na aiza fireneny.

Manjaka tokoa izao ny hadalana eo amin'ireo zatovo sy erotrerony. Tsy misy afaka hanakana anao tsy hanao hadalana mandoza hanimba ny fiainanao manontolo afa-tsy ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany. Noho izany dia tsy maintsy miaina amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra ianao sy mitandrina fatratra amin'ny fotoana rehetra.

Tandremo sao tsy mahita ny planin'Andriamanitra ho an'ny fiainanao ianao. Ny fiainako dia efa natolotro feno sy manontolo ny Tompo fony aho 19 taona sy tapany. Ankehitriny, taona maro aty aoriana, dia faly ery aho mahita ireo zavadehibe nataon'Andriamanitra teo amin'ny fiainako izay tsara lavitra noho izay ho vitan'ny tenako raha nanao izay "noheveriko fa tsara tokony natao" aza aho. Izaho akory tsy manao hoe tsy nanota mihitsy aho hatrizay niainako, na tsy nanao hadalana mihitsy, na tsy nanao fahadisoana mihitsy nandritra ireo taona maro ireo. Nanao an'izany rehetra izany aho, ary tena mahatsiaro menatra mafy tamin'ireo hadalana sy ireo zavatra nataotaoko foana rehetra rehefa jereko ny lasako. Kanefa namindran'Andriamanitra fo aho dia nofafany avokoa ireny rehetra ireny ary notarihiny aho. Mino aho fa na tao aza ireo hadalako dia hitan'Andriamanitra ny finiavako hanao ny sitrapony. Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy Izy, na dia manao fahadisoana maro aza ireo mazoto mitady Azy ireo. Azoko antoka fa ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny famindrampony no hanaraka anao koa amin'ny andro rehetra hiainanao (Salamo 23:6).

Zavatra maro tsy ampoizina sady mahafinaritra no miandry anao rehefa te hanome voninahitra an'Andriamanitra ianao, satria "manomana planina am-pitiavana mandrakariva ho anao ao amin'ny mangingina Izy" ( Zef. 3:11 dika malalaka). Tafiditra ao anatin'izany ny antsipirian'ny hoavinao rehetra, na amin'ny ara-nofo izany na amin'ny ara-panahy. Handray ny tsara indrindra avy amin'Andriamanitra ianao raha mivonona ny hanome voninahitra Azy isan'andro eo amin'ny fiainanao. Tsy tahaka ny an'izao tontolo izao no anomanantsika ny hoavintsika. Miasa eo anilantsika Andriamanitra ary manome antsika tambiny manokana izay tsy mendrika ho antsika akory, na amin'ny resaka ara-nofo tahaka ny asa fivelomana sy ny sisa aza. Noho izany dia tsy manahy ny amin'ny hoavy isika. Fa araka ny nampianarin'i Jesosy dia miaina ny andro androany isika, miaina lavitry ny ahiahy sy ny tebiteby, tahaka ny voromanidina. Deraina ny Tompo!

Tsy nataon'i Paoly ho zavatra akory ny ainy raha izany no hahavitany ny fihazakazahany amin'ny fifaliana ( Asa 20:24 Baiboly KJV). Rehefa mampiditra ny zanakeliny any an-tsekoly ny ray aman-dreny dia andrandrain'izy ireo ilay andro hahatontosan'ireo zanany ny fianarany. Dia tahaka izany koa Andriamanitra. Efa nanomana fihofanana ho an'ny fiainantsika Izy. Tsy maintsy vitaintsika izany fihofanana notendren'Andriamanitra ho antsika ety an-tany izany. Mandritra ny fiainantsika dia mety hanao hadisoana maro sy hadalana maro isika ary mety handanilany ny fotoanantsika amin'ny hadalana mihitsy aza. Kanefa soa ihany fa ireny dia mitovy amin'ireo fahadisoana izay nataontsika rehetra tany an-tsekoly tamin'ny matematika, ka nandiso ny vahaolana. Andriamanitra dia manana planina tonga lafatra ho antsika mikasika ireo taranja lehibe tahaka ny asa fivelomana, ny fanambadiana sy ny sisa. Kanefa ireny rehetra ireny dia tsy ho tanteraka raha tsy miezaka hanatanteraka ny sitrapony isika eo amin'ny sehatry ny fahamasinana. Raha mikatsaka ny fahamasinana amin'ny fontsika manontolo isika, dia Andriamanitra no hiantoka ny fahatanterahan'ny planiny eo amin'ny fiainantsika any amin'ny resaka hafa rehetra ara-nofo.