Mba hahatonga ny finoantsika tsy ho voahozongozona dia tsy maintsy mifahatra eo ambonin'ireto fahamarinana telo ireto izy : ny fitiavan'Andriamanitra tonga lafatra, ny herin'Andriamanitra tsy hay tohaina, ary ny fahendren'Andriamanitra lavorary. Raha maharesy lahatra antsika ny fitiavany dia tsy maintsy maharesy lahatra antsika tahaka izany koa ny heriny tsy toha.
Izany no antony nampianaran'i Jesosy antsika hanomboka ny vavaka ataontsika amin'ny fiantsoana an'Andriamanitra hoe "Rainay izay any an-danitra"
Ny "Rainay" dia mampahatsiahy antsika an'ilay fitiavan'Andriamanitra tonga lafatra, ary ny "Izay any an-danitra" dia mampahatsihy antsika fa Izy ilay Andriamanitra Tsitoha Izay mandidy sy manapaka ny zavatra rehetra miseho eto an-tany. Amin'ny maha-Andriamanitra Azy koa dia hendry tanteraka Izy ary noho izany dia alaminy antsakany sy andavany araka ny fahendreny ny làlantsika.
"Raha ny amin'Andriamanitra dia marina ny làlany (tongalafatra ny fahendreny)... Izany Andriamanitra izany no manamarina ny alehako (alaminy tanteraka ny zavatra andalovako)" (Salamo 18:30,32).
Raha tsy tanteraka amin'ny fitiavana sy ny hery ary ny fahendrena Andriamanitra dia tsy hisy fanorenana mafy ho an'ny finoantsika. Kanefa noho Izy tanteraka amin'ireo telo ireo dia tsy ho voahozongozona mandrakizay isika.
Ny finoana dia fiankinana amin'Andriamanitra amin'ny fahatokisana tanteraka ny fitiavany tonga lafatra sy ny heriny tsy toha ary ny fahendreny lavorary.
Isika rehetra dia miaiky fa tongalafatra ny fahendren'Andriamanitra. Ny làlany dia avo dia avo tokoa raha oharina amin'ny làlantsika tahaka ny haavon'ny lanitra amin'ny tany.
"Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo" (Isaia 55:8,9).
Izany no tsy ahatakarantsika ny fomba fiasan'Andriamanitra sy ny fomba fitantanany ny raharahantsika. Raha tsy takatry ny zanaka avokoa ny làlan'ny rainy dia tsy mahagaga raha tsy takatsika avokoa ny làlan'Andriamanitra. Fa rehefa mitombo ara-panahy kosa isika ary miombon-toetra bebe kokoa amin'Andriamanitra dia hanomboka hahatakatra bebe kokoa ny làlan'Andriamanitra isika.
Mampisalasala ny mpino maro ny hoe mandidy manapaka ny olona rehetra sy ny toe-javatra rehetra Andriamanitra. Na dia eken'izy ireo amin'ny molony aza izany dia tsy mino izy fa "mandaitra" izany eo amin'ny fiainany andavanandro. Kanefa ny Soratra Masina dia feno ohatra be dia be ny amin'ny maha-masimandidy an'Andriamanitra rehefa manampy ny olony Izy, ary matetika dia tamin'ny fomba tsy nampoizina mihitsy.
Ny ankamaroantsika dia mahafantatra ireo fahagagana miharihary izay nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakany, toy ny namoahany ny zanak'isiraely avy tany Egypta sy ny sisa. Kanefa tsy hitantsika ny fahagagana lehibe kokoa izay nanatsimbadihan'Andriamanitra ny tetik'i Satana rehefa nanafika ny vahoakan'Andriamanitra i Satana.
Ny tantaran'i Josefa dia porofo anankiray. Ny planin'Andriamanitra ho an'io zanakalahin'i Jakoba faha iraikambinifolo io dia ny hahatonga azy ho mpanapaka faharoa any Egypta amin'ny faha telopolon'ny taonany.
Zazalahy natahotra an'Andriamanitra i Josefa ary noho izany dia nankahalain'i Satana izy. Koa namporisihin'i Satana ireo zokin'i Josefa hamono azy. Kanefa tsy navelan'Andriamanitra hanala ny ain'i Josefa izy ireo. Na izany aza dia vitan'izy ireo ihany ny nivarotra an'i Josefa tamin'ny Isimaelita. Kanefa araka ny hevitrao dia taiza no nitondran'ireo mpivarotra andevo ireo an'i Josefa ? Tany Egypta, mazava ho azy ! Izany ny fahatanterahan'ny dingana voalohany tamin'ny planin'Andriamanitra !
Tany Egypta dia novidin'i Potifara i Josefa. Andriamanitra koa no nandamina an'izany. Vehivavy ratsy fanahy ny vadin'i Potifara. Raiki-pitia tamin'i Josefa izy ka niezaka ny haka fanahy azy imbetsaka. Tamin'ny farany rehefa tsy nahomby ny tetikadiny dia nanendrikendrika an'i Josefa izy ary nampiditra azy an-tranomaizina. Kanefa araka ny hevitrao dia iza no olona nihaona tamin'i Josefa tao an-tranomaizina ? Ny mpitondra kapoakan'i Farao ! Efa nalamin'Andriamanitra ny fampidirana an-tranomaizina io mpitondra kapoakan'i Farao io tamin'izay fotoana izay mba hahafahan'i Josefa mihaona aminy. Izany no dingana faharoa tamin'ny planin'Andriamanitra.
Ny dingana fahatelo dia izao, navelan'Andriamanitra hanadino an'i Josefa nandritra ny roa taona ilay mpitondra kapoakan'i Farao. "Kanjo tsy mba nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka fa nanadino azy…. Ary rehefa afaka roa taona mipaka dia nanonofy Farao… Dia niteny tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe" (Genesisy 40:23; Genesisy 41:1-9).
Izay no fotoana amoahana an'i Josefa avy ao an-tranomaizina araka ny fandaharam-potoanan'Andriamanitra.
Hoy ny Salamo 105:19-20 "Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny ; Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah. Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, eny ny mpanapaka ny vahoaka mba handefa azy".
Telopolo taona izao Josefa. Tonga ny fotoanan'Andriamanitra. Koa nampanofisin'Andriamanitra i Farao. Ary nampahatsiahivin'Andriamanitra an'ilay mpitondra kapoaka koa fa Josefa ilay mpilaza ny hevitry ny nofy. Toy izany no nijoroan'i Josefa teo anatrehan'i Farao sy nahatongavany ho mpanapaka faharoa tao Egypta. Ny nandaminan'Andriamanitra ny fotoana tamin'ny zavatra niseho teo amin'ny fiainan'i Josefa dia tsy nisy azo nokianina !
Tsy ho nieritreritra ny handamina ny zavatra tahaka ny nandaminan'Andriamanitra azy mihitsy raha isika. Raha nomena antsika angamba ny fahefana handamina ny fiainan'i Josefa dia tsy navelantsika hisy olona hanisy ratsy azy. Kanefa tsara kokoa ny fomba nanaovan'Andriamanitra izany.
Mbola fahagagana lehibe lavitra koa rehefa mivadika ho fanantanterahana ny fikasan'Andriamanitra ho antsika izay ataon'ny olona amintsika ! Maharavoravo an'Andriamanitra indrindra ny mampitsimbadika ny tetik'i Satana mba hiara-miasa hahasoa antsika olomboafidiny ny zavatra rehetra.
Andeha hampiharintsika izany amin'ny toe-javatra miseho eo amintsika.
Ahoana no tokony ho fihetsika asehontsika manoloana ny olona ratsy fanahy, manoloana ireo rahalahy mialona antsika, ireo vehivavy manendrikendrika antsika, ireo namana nampanantena fa hanampy antsika kanefa nanadino, na rehefa aiditra am-ponja amin'ny tsy rariny isika ?
Tena mino ve isika fa masi-mandidy tanteraka Andriamanitra ka hampiasa ireo olona rehetra ireo sy ny zavatra nataony, na niniany natao ireny na tsia, mba hiara-miasa hanatanteran'Andriamanitra ny fikasany ho an'ny fiainantsika ? Raha nanao izany ho an'i Josefa izany dia tsy hataony ho antsika koa ve ? Azo antoka fa hainy atao izany ary hataony tokoa.
Kanefa holazaiko aminao hoe iza no olona mety afaka nandrava ny planin'Andriamanitra ho an'i Josefa. Olona tokana ihany, ary tsy iza fa i Josefa. Raha toa izy izao ka nanaiky ny fanangolen'ny vadin'i Potifara dia azo antoka fa nilaozan'Andriamanitra teo izy.
Olona tokana ihany eto amin'izao tontolo rehetra izao no afaka manimba sy manakantsakana ny planin'Andriamnaitra ho an'ny fiainanao dia tsy iza fa ianao. Tsy misy olon-kafa afaka hanao an'izany. Na ny namanao izany na ny fahavalonao. Na ny anjely na i Satana. Ianao irery. Rehefa azontsika tsara izany dia ho afaka amin'ny tahotra maro sy ny fihetsika tsy tokony atao manoloana ireo olona nanisy ratsy antsika isika.