written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 

Mbola miaina ao ambany Fanekana taloha ny ankamaroan'ny kristiana ankehitriny. Tsy fantany fa efa voaorina tamin'ny andro pentekosta ny Fanekena vaovao. Sahala amin'ireo olona aty Madagasikara izay tsy mahalala fa efa nahaleo tena isika hatramin'ny taona 1960. Azo eritreretina ve izany zavatra izany ? Dia mahatsikaiky tahaka izany koa ny mahita kristiana mbola miaina ao ambany Fanekena taloha.

Mbola miaina ao ambany fanekena taloha ny ankamaroan'ny kristiana ao anatin'ny sehatra maro. Tao amin'ny Fanekena taloha dia azo navela ny fahotana ary izay ihany (Salamo 103). Fa ao amin'ny Fanekena vaovao kosa ny Romana 6:14 dia milaza fa tsy hanan-kery aminao ny fahotana. Ny olona tsy mandray afa-tsy famelana ny fahotana fa tsy mandresy ny fahotana dia miaina ao ambany Fanekena taloha. Tao amin'ny Fanekena taloha dia tsy afaka niasa tahaka ny tena iray ny fiangonana. Raha mitovy amin'izany ny fiangonana ankehitriny, izany hoe tsy mahay miara-miasa tahaka ny tena iray, dia porofo izany fa mbola fiangonan'ny Fanekena taloha ihany izy. Raha zava-dehibe ny ampahafolon-karena ao dia Fanekena taloha koa izany.

Avy amin'ny Fanekena taloha tokoa ny fanantitranterana ny fandoavana ampahafolony hitantsika ao amin'ny tontolo kristiana ankehitriny. Koa tsy maintsy fantarintsika tsara ny fitsipika mifehy ny fanomezana ao amin'ny Testamenta vaovao. Tsy misy lalàna ao amin'ny Testamenta vaovao milaza fa tsy maintsy mandoa folo isan-jato ianao. Ny andininy farany miresaka ny didy mikasika ny ampahafolon-karena ao amin'ny Baiboly dia ao amin'ny bokin'i Malakia ao amin'ny Testamenta taloha. Rehefa niresaka mikasika izany Jesosy ao amin'ny Matio toko faha 23 dia ho an'ireo olona mbola niaina tao ambany Fanekena taloha no nilazany an'izany, izany hoe ho an'ireo Fariseo sy ireo vahoaka Jiosy. Naorina tamin'ny andro pentekosta ny Fanekena vaovao ary taorian'izany dia tsy nisy didy na iray aza nampandoa ampahafolon-karena ny kristiana. Tsy misy resaka fandoavana ampahafolon-karena mihitsy ao.

Nanisy resaka kely mikasika an'i Abrahama nanome folo isan-jato ho an'i Melkizedeka ny bokin'ny Hebreo. Kanefa tsy lalàna narahin'i Abrahama akory izany. Afaka nanome izay tiany nomena izy. Sendra folo isan-jato fotsiny no tiany nomena fa tsy nisy lalàna tsy maintsy nankatoavin'i Abrahama ary tsy nanota akory izy raha tsy nanome.

Ny fitsipika arahina ao amin'ny Fanekena vaovao dia atao ao amin'ny mangingina ny fanomezana (Matio 6:4), atao amin'ny fifaliana (2Korintiana 9:7) ary atao arakarak'izay vola azonao (1Korintiana 16:2). Tsy misy lalàna mametra hoe ohatrinona no tsy maintsy omena. Azonao atao ny manome araka izay nanambinan'Andriamanitra anao. Raha manam-bola be ianao ary manana ambim-bava betsaka dia afaka manome bebe kokoa. Ary raha kely ny volanao dia tsy voatery manome ianao. Tsy mampaninona mihitsy izany satria Andriamanitra dia miliaridera be ary tsy tiany hoe ny zanany mahantra dia mbola voatery hanome vola ho Azy ihany.

Raha tsy azonao tsara ireo fitsipika ireo dia hararaotin'ny pastera sy ny mpitory maro ianao hakany ny volanao. Kanefa aza adino mihitsy fa isak'izay manome isika dia tsy maintsy manome miafina. Raha ataon'ny fiangonana hitan'ny olona ny fanomezana atolotrao dia mampandika anao ny didin'Andriamanitra ao amin'ny Matio 6:1-4 izany fiangonana izany. Araka izay azonao atao dia ataovy ao amin'ny mangingina, ataovy an-tsitrapo ary amin'ny fifaliana ny fanomezana.

Raha izaho manokana dia heveriko fa tokony tsy ampandalovina eny anoloan'ny olona ny fitatazan-drakitra hanerena azy hanome vola tsy vokatry ny fony satria mijery izay omeny ny olona eo akaikiny. Mino aho fa ny fomba tsara indrindra hanomezana miafina dia ny fametrahana boatin-drakitra ao am-piangonana handrotsahan'ny olona vola amin'ny mangingina, amin'ny fifaliana ary arak'izay fahafahany manao. Vitsy dia vitsy anefa ny fiangonana manao an'izany satria misy fitiavam-bola be ao amin'ny ankamaroan'ny kristiana mpitory sy mpino.

Tadidio fa ilay andininy ao amin'ny Matio 5:20 mikasika ny toriteny teo an-tendrombohitra hoe "Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo" dia azo soloina hoe: "Ahoana ny hampihoatra ny fahamarinantsika amin'ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo mba hidirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra".

Lazain'i Jesosy fa rehefa manome isika dia tsy maintsy ataontsika samy hafa tanteraka amin'ny fomban'ny Fariseo mpihatsaravelatsihy. Tian'ny Fariseo ho fantatry ny olona izay omeny. Izao no lazain'i Jesosy, tandremo mba tsy hanomezanareo eo imason'ny olona hahitany izany. Izany no fitsipika fototra. Hoy Jesosy hoe aza manome mba hahitan'ny olona izany.

Indraindray dia tsy azo afenina ka hitan'ny olona ny fanomezana atolotrao kanefa aza manamelo-tena raha sendra nisy nahatsikaritra tsy nahy izany na raha tsy misy fomba azo nanafenana azy. Saingy tsy mahazo manome mba ho hitan'ny olona isika. Izay no zava-dehibe indrindra. Fa raha tsy izany dia tsy ho azontsika ny vakim-pitia avy amin'ny Raintsika any an-danitra. Araka ny voalazan'io andininy io dia nisy olona nanome ho an'ny asan'ny Tompo kanefa tsy hahazo valim-pitia na kely aza any an-danitra satria tian'izy ireo ho fantatry ny olona ny zavatra nomeny.

Raha manome ao amin'ny mangingina ianao, ny Rainao izay ao amin'ny mangingina no hamaly anao. Izany dia valim-pitia mahafinaritra be ary ampanantenain'Andriamanitra antsika hoe raha mankato ny didiny isika ety an-tany dia hisy valim-pitia goavana ho an'ireo olona nahafoy be tao amin'ny mangingina amin'ny andro hiverenan'i Kristy.