WFTW Body: 

Ny vesatra ato am-poko dia ny mba hampisy fifandanjana eo amin'ny fanatanterahana ny Hafatra lehibe. Ny kristiana rehetra dia mahafantatra fa tena ilaina tokoa ny manatanteraka ilay antsoina hoe "Hafatra lehibe" izay navelan'i Jesosy tamin'ireo mpianany taloha kelin'ny nandaozany ny tany.

Ny ampahany voalohany amin'izany Hafatra lehibe izany dia hitantsika ao amin'ny Marka 16:15 "Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao batisa no hovonjena ; fa izay tsy mety mino no hohelohina". Kanefa misy ampahany anankiray hafa koa io Hafatra lehibe io, izany hoe misy tapany faharoa, izay ambaran'ny Matio 28:18-20. Izao no lazain'i Jesosy ao "Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, koa mandehana hianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo, ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao".

Rehefa nandinika ny tontolon'ny fivavahana kristiana aho, izany hoe ireo kristiana efa nateraka indray, ireo asa fitoriana, ary ireo fiangonana, tao anatin'ny 52 taona farany, hatramin'izay niovako fo, dia hitako fa ny ankamaroan'ny kristiana dia manasongadina ilay lafiny anankiray amin'ny Hafatra lehibe ao amin'ny Marka 16:15. Olom-bitsy ihany no manasongadina ilay tapany voalaza ao amin'ny Matio 28:18. Raha ny vinavinako dia olona 99% no mifantoka amin'ny Marka 16:15 fa tsy misy afa-tsy 1% no manao ny Matio 28:18-20 ho laharam-pahamehana. Azontsika anaovana fanoharana hoe misy olona zato miezaka mibata vatan-kazo anankiray, ka ny olona 99 dia etsy amin'ny tendrony anankiray ary olona anankiray fotsiny no eny amin'ny tendrony ilany mitolona mafy manao izay tsy hampianjera an'iny. Izay no fahitako azy.

Koa hitako tamin'izany fa ny Hafatra nomen'ny Tompo ahy, rehefa nanomboka nampianatra ny Tenin'Andriamanitra aho sy nandray fanomezam-pahasoavana avy Aminy dia ny hanasongadina ilay lafiny anankiray amin'ny Hafatra lehibe izay tsy nisy mpanao afa-tsy olona 1% fotsiny. Satria ny tena fifandanjana dia tokony ho 50% sy 50%. Ny tapany voalohany amin'ny Hafatra lehibe dia ilay fantatsika amin'ny hoe fitoriana ny filazantsara. Amin'ny ankapobeny dia antsoina hoe asa misiona izany, ary matetika dia mitaky fandehanana any amin'ny faritra mbola tsisy nitory. Tena zava-dehibe tokoa ny mitondra ny hafatry ny filazantsara (hoe ao anaty fahotana ny olona ; samy efa nanota avokoa ny olona ka tsy misy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra ; Kristy dia maty noho ny fahotan'izao tontolo izao ; Kristy no lalana tokana mankany amin'ny Ray ; Kristy efa nitsangana tamin'ny maty ; izay mino Azy sy atao batisa no hovonjena, sy hoe izay tsy mino kosa dia hohelohina) any amin'ireo faritra tsy mbola tratran'ny filazantsara.

Kanefa tian'ny Tompo hijanona eo fotsiny ve ? Rehefa avy nino ny olona anankiray, avy nanaiky fa efa mpanota, ary avy nandray an'i Kristy ho Mpamonjiny, dia izay ihany ve ? Tsy izay velively mihitsy. Ao amin'ny Matio 28:19 , dia asain'ny Tompo mandeha any amin'ny firenena rehetra isika hanao ny olona hompianatra.

Ireo apôstôly tany am-boalohany, tamin'ny nandrenesany an'izany hafatra izany, dia tsy nisy fisalasalana akory tao an-tsainy mikasika ny atao hoe "mpianatra" satria efa nohazavain'i Jesosy mazava tsara tamin'izy ireo tao amin'ny Lioka 14 izany. Rehefa nahita vahoaka marobe nanatona Azy Jesosy, araka ny vakiantsika ao amin'ny Lioka 14:25, dia nitodika Izy ary nanao fitenenana mafy dia mafy tsy mbola nisy tahaka izany hatramin'izay.

Amin'ny herinandro manaraka dia hojerentsika lalindalina kokoa ireo "fepetra maha-mpianatra takiana". Tsara raha mitsara tena isika rehetra : moa efa tonga mpianatra araka ny famaritan'i Jesosy azy ve isika ? Ary moa ve ampy fifandanjana tsara ny fahatakarantsika ny Hafatra lehibe sy ny fanomezan'i Jesosy lanja ny maha-mpianatra ?