WFTW Body: 

Tao amin'ny Testamenta taloha dia niresaka ny amin'ireo sisa tao amin'ny vahoakan'Andriamanitra ny mpaminany. Noresahin'ny mpaminany ny nifikiran'ny olom-bitsy tamin'Andriamanitra tamin'ny vanim-potoana izay nihemoran'ny vahoakan'Andriamanitra ara-panahy. Ny lohahevitr'ireo bokin'ny Mpaminany dia ny fanasitranana ara-panahy.

Ohatra amin'izany, Hosea dia niresaka momba ny fijangajangana ara-panahy sy ny fitiavan'Andriamanitra tsy miova. Habakoka dia niresaka momba ny adin'ny finoana sy ny fandresen'ny finoana. Ny vesatra tao am-pon'i Zakaria dia ny dian'ny vahoakan'Andriamanitra avy tany Babylona nankany Jerosalema. Ny vesatra tao am-pon'i Hagay dia ny fananganana ny tempoly. Ny mpampinany rehetra tsirairay dia samy nanana vesatra manokana tao am-pony avy, izay nomen'Andriamanitra azy, kanefa izy rehetra dia samy nalahelo mafy noho ny tsy fisian'ny fahamasinana teo amin'ny vahoakan'Andriamanitra.

Fahamasinana sy fitiavan'Andriamanitra tsy mba miova no vesatra tao am-pon'ny mpaminany rehetra : Fahamasinana teo amin'ny vahoakan'Andriamanitra sy fitiavan'Andriamanitra tsy niova ho an'ny vahoakany na dia nijangajanga ara-panahy sy nivily lalana aza izy ireo. Ny fanirian'Andriamanitra dia ny hitondra ny vahoakany hiverina any Aminy foana. Faiziny izy ireny ; kanefa tiany entina miverina any Aminy rehefa vita ny famaizana.

Tahaka izany koa no tokony anatanterahana ao am-piangonana ny tena asa fanompoan'ny mpaminany. Ankehitriny, ny tena mpaminany ao am-piangonana dia hanana izany vesatra tao am-pon'ny mpaminanin'ny Testamenta taloha izany, dia ny mba hisian'ny fahamasinana eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra. Ary tahaka ireo mpaminany taloha dia ho voakasiky ny fitiavan'Andriamanitra izay tsy miova sy maharitra ary mangoraka izy ka haniry mandrakariva hitondra ireo izay nania hiverina any amin'Andriamanitra sy hiverina amin'ny tena fahamasinana. Isaky ny fiangonana dia tokony hisy asa fanompoan'ny mpaminany raha toa ny fiangonana ka tsy maintsy velona sy miasa ho an'Andriamanitra araka ny tokony ho izy.

Ny vesatra apetrak'Andriamanitra ao am-ponao matetika dia saika famantarana ny asa fanompoana efa nomanin'Andriamanitra ho anao. Noho izany dia miandrasa ny Tompo handraisanao ny vesatra avy Aminy. Raha manompo ny Tompo ianao kanefa tsy misy vesatra ao am-ponao, dia hankaleo anao vetivety foana ny asan'ny Tompo, ary farany dia hataonao fitadiavam-bola sy fitadiavam-boninahitra ary fitadiavana fiainam-piadanana izany. Ankehitriny dia mampalahelo fa maro amin'ny olona milaza fa manompo ny Tompo no tsy manana ny vesatra nomen'Andriamanitra azy hanaovany ny asa fanompoany.

Mety homen'Andrimanitra vesatra am-po hiasa eo anivon'ny ankizy ny olona anankiray ary ny anankiray kosa homeny vesatra am-po ho tonga evanjelistra. Mety hisy anankiray hafa hahazo vesatra hampianatra ny olon'Andriamanitra. Omen'Andriamanitra vesatra samy hafa ny mpikambana samy hafa ao amin'ny Tenan'i Kristy. Tsy mahazo mangala-tahaka ny asa fanompoan'ny hafa isika na mitady hanana ny vesatra mitovy amin'ny azy. Aza manery ny hafa hanana ny vesatra natao ho anao, ary aza avela hisy olon-kafa hanome anao ny vesatra ao am-pony. Andriamanitra ihany no aoka hanome vesatra ao am-ponao, dia ilay efa nomaniny ho anao.

Arakaraky ny fitomboan'ny firaisantsika amin'ny fon'Andriamanitra no hitondrantsika bebe kokoa ny vesatry ny fony. Raha nantsoin'Andriamanitra ho evanjelisitra ianao, dia homeny fo antra ny fanahy very. Raha nantsoin'Andriamanitra ho mpampianatra ianao, dia homeny fo antra ireo mpino izay jamba ara-panahy sy voafitaka ka tsy tafiditra ao amin'ny fiainam-pandresena. Ny firaisana amin'ny fon'Andriamanitra hizarany amintsika ny Fiantràny dia tena ilaina tokoa raha tiantsika ny hanefa ny fanompoantsika an-tsakany sy an-davany.

Marobe ny olona no nanosika ahy mba hanana vesatra ho an'ny asa fanompoana izay azy ireo manokana, matetika asa fitoriana filazantsara. Kanefa dia notoheriko foana ny faneriterena toy izany. Tsy te-hanana izay vesatra efa nomen'Andriamanitra ny hafa aho. Efa nomen'Andriamanitra vesatra ao am-poko ho ahy manokana aho ary efa nianiana tao am-poko fa tsy hanefa afa-tsy izany asa fanompoana tokana izany. Ny mpaminany dia tsy namela na iza na iza mihitsy hampiala azy ireo tamin'ny vesatra tao am-pony sy tamin'ny asa fanompoana nomen'Andriamanitra azy.

Raha tsy misy vesatra mihitsy na kely aza ao am-ponao dia tsy maintsy manatona an'Andriamanitra ianao ary mangataka Aminy hanome hoanao vesatra anankiray ao am-ponao. Efa nofaritan'Andriamanitra mazava ny andraikitra natokany ho anao ao amin'ny Tenan'i Kristy ary tsy maintsy fantarinao hoe inona ilay izy.

Ny ankamaroan'ny mpitory dia mitety asa fanompoana etsy sy eroa, izany hoe manatevin-daharana ny fikambanana kristiana izay manakarama azy betsaka indrindra. Ohatra, manomboka manana toy ny "vesatra" ho an'ny asa fanompoana amin'ny radio izy ireo. Kanefa raha misy fikambanana manao fitoriana ho an'ny ankizy ka manome azy ireo karama bebe kokoa, tampotampoka teo dia lasa manana "vesatra" ho an'ny asa fitoriana ho an'ny ankizy izy ireo ! Aoriana kelin'izay, raha misy fikambanana kristiana mpanao asa soratra mbola manome azy karama ambonimbony indray, dia mifindra tampoka any amin'ny asa fanompoana an-tsoratra ny " vesatra" ao am-pony !! Tsy manompo ny Tompo ny mpitory tahaka ireny. Ireny dia olona mpanaraka fombam-pivavahana izay efa niditra tao anatin'ny "fandraharahana" babyloniana.

Rehefa manome vesatra ao am-ponao Andriamanitra dia tsy azonao ilaozana izany satria sendra nisy fikambanana nanome anao tombontsoa ara-nofo bebe kokoa.