WFTW Body: 

Andriamanitra dia manan-karena amin'ny famindram-po (Efe.2:4). Ny toetra voalohany indrindra maha-Andriamanitra an'Andriamanitra izay tsapantsika rehetra tsirairay fony isika niova fo dia ny famindram-pony. Ary izany koa no tokony ho zavatra voalohany tsapan'ny olona rehetra tafahaona amintsika, indrindra indrindra raha efa miombon-toetra amin'Andriamanitra isika.

Tsy misy famindrampo any amin'ny helo ary tsy misy famindrampo koa ao amin'ny nofontsika. Ny nofontsika dia masiaka ho azy fotsiny amin'ny olona ary mora foana amintsika ny mamita-tena hihevitra fa izany hasiahana izany dia noraisintsika avy amin'ny hasiahan'Andriamanitra. Famitahan'ny ota ny zavatra tahaka izany.

Raha afaka manopi-maso ny any an-danitra isika amin'izao fotoana izao dia hahita fa tsy mitsahatra ny mamela ny heloky ny olona Andriamanitra. Any amin'ny toerana rehetra manerana izao tontolo izao na mpino na tsy mpino dia samy mitaraina mangata-pamelana amin'Andriamanitra noho ireo fahotana sy fahadisoana natao. Ary mamela heloka mandrakariva an'ireny olona ireny Andriamanitra, isan'andro sy isan'ora. Ny sasany mety mangataka famelan-keloka noho ny fahotana izay nataony efa in-1000. Mbola avelan'Andriamantra ny helony satria izany no toetra maha-Andriamanitra Azy. Jesosy dia nilaza fa tsy maintsy mamela ny hafa tahaka izany ataon'Andriamanitra izany koa isika (Mat.18:35).

Nilaza koa Jesosy fa tokony hamela ny heloky ny rahalahintsika impito isika ao anatin'ny indray andro (Lioka 17:14). Andeha raisintsika ho 12 ny ora ao anatin'ny iray andro. Midika izany fa raha nanota taminao ny rahalahinao tamin'ny 6 ora androany maraina, ary nifona taminao izy tamin'ny 7 ora maraina dia tokony namela azy ianao. Raha mbola namerina nanota taminao indray izy tamin'ny 8 maraina ary nifona taminao tamin'ny 9 dia tokony namela azy indray ianao. Dia avy eo indray amin'ny 10 maraina dia mbola ataony fanintelony indray ilay izy, ary mifona aminao izy amin'ny 11. Tsy maintsy mamela azy ianao. Dia averiny tahaka ny teo indray ilay izy amin'ny 12 atoandro sy amin'ny 2 atoandro sy amin'ny 4 hariva, ary miverina mankany aminao foana izy adiny iray aorian'iny dia mifona aminao. Isak'izay miverina izy dia tsy maintsy mamela azy hianao, tsy mila manisa hoe efa impiry aho no namela ny helony tao anatin'ny indray andro. Ny olona sasany tia mampihatra ara-bakiteny ny lalàna mety hiteny hoe nasain'i Jesosy namela heloka hatramin'ny impito isika. Ary izany mihitsy no nolazain'i Petera tamin'i Jesosy indray mandeha ary dia nasain'i Jesosy namela heloka ny rahalahiny in-490 izy (Mat.18:21,22).

Tahaka izany ny toetran'Andriamanitra. Ary ny vaovao mahafalin'ny fanekena vaovao dia afaka miombon-toetra amin'Andriamanitra isika. Mora kokoa ny miresaka momba izany noho ny tena miombona amin'izany toetra izany. Fantatsika rehetra avy tamin'ny andram-piainana efa nandalovantsika izany. "Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny fa amin'ny hery" (1Kor.4:20).

Ny voninahitr'i Kristy dia miampita amin'ny alalantsika, kanefa tsy amin'ireo

"fahamarinana" sy foto-pampianarana mahagaga marobe aloaky ny vavantsika, fa amin'ny fanehoantsika ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa.