WFTW Body: 

Nanoratra ny Apostoly Jaona ao amin'ny 1 Jaona 1:3 hoe " Ny firaisanay dia amin'ny Ray". Ny tena firaisana dia misy zotra roa, tahaka ny rantsana anankiroan'ny hazo fijaliana. Amin'ny alalan'ny hazo fijaliana no hahatongavantsika amin'ny firaisana amin'Andriamanitra sy amin'ny firaisantsika samy isika. Eo anelanelantsika sy Kristy dia misy hazo fijaliana anankiray izay nahafatesan'ny Tompo. Noho izany antony izany dia afaka manana firaisana amin'ny Tompontsika isika. Tsy afaka manana firaisana amin'Andriamanitra mihitsy isika raha tsy ao izany, satria raha isika ihany, dia tsy ho mendrika mihitsy. Ary eo anelanelantsika mpino samy mpino koa, dia tsy maintsy misy hazo fijaliana izay hahafatesan'ny nofontsika tsirairay avy, raha tiantsika ny hanana firaisana amintsika samy isika. Tsy hisy firaisana azo atao mihitsy raha tsy misy fahafatesana amin'ny hazo fijaliana, fahafatesana sady mitsangana no mitsivalana. Ny hazo fijaliana no tsiambaratelon'ny fiainana sy ny firaisana. Tsy misy fiainana raha tsy misy hazo fijaliana ary tsy misy firaisana azo atao raha tsy misy hazo fijaliana. Ny hazo fijaliana dia efa tao anatin'ny sain'Andriamanitra tany amin'ny mandrakizay taloha tany. Ny Zanak'ondry dia voavono "hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao" ( Apk. 13:8). Hatrany am-boalohany dia efa fantatr'Andriamanitra ny farany, noho izany dia efa fantatry ny Telo izay iray hatramin'ny taloha indrindra, fa Ilay Faharoa ao amin'ny Trinite dia tsy maintsy hidina ety an-tany ho tonga Olona ary hohombohana amin'ny hazo fijaliana noho ny fahotan'ny olombelona. Tsy hevitra vao notapahin'Andriamanitra taorian'ny nanotan'i Adama akory izany. Efa fantany taloha hatrizay hatrizay izany. Napetrak'Andriamanitra teo anoloan'ny hazon'aina ny sabatra rehefa nanota i Adama. Nianjera tamin'i Jesosy io sabatra io ary namono Azy. Ary io sabatra io dia tsy maintsy mianjera eo amin'ny fiainantsika avy tamin'i Adama koa, izany hoe tsy maintsy ekentsika ilay toerantsika hoe "voahombo miaraka amin'i Kristy" ( Galatiana 2:20), raha te ho tonga eo amin'ny hazon'aina isika sy hanana firaisana amin'Andriamanitra ary firaisana amintsika samy isika.

Voalazan'i Jaona fa ny vokatry ny firaisana dia fahatanterahan'ny fifaliana (1 Jaona 1:4). Ny fifaliana dia ampahany lehibe ao amin'ny fiainan'ny kristiana, satria ny fifaliana no rivotra iainana any an-danitra. Tsy misy hasosorana any an-danitra. Tsy mba kivy izany mihitsy ny anjely. Salama sy tomady ary feno fifaliana foana izy ireny. Ary afaka manana izany fifaliana izany koa isika raha manana firaisana amin'Andriamanitra. Efa tonga ny Fanahy Masina hitondra ao am-pontsika ny rivotra iainan'ny lanitra, ary ao anatin'izany ny fahatanterahan'ny fifaliana. Satana dia hilaza aminao fa raha atolotrao manontolo ho an'Andriamanitra ny fiainanao dia ho fadiranovana ianao, ho sorisorena, ho rera-tsaina, ho malok'endrika. Mampalahelo fa misy kristiana sasany, tena izany mihitsy no fijery azy. Nandre ny tantaran'ny kristiana malok'endrika anankiray aho izay nitory tamin'ny olona anankiray ary nanontany azy hoe "Vonona ve ianao ny handray an'i Kristy ao am-ponao ?". Nojeren'ilay olona tsara ny endrik'ilay kristiana dia namaly izy hoe "Aoka ihany, fa misaotra. Ny olana eo amin'ny fiainako aza efa be dia be !". Fijoroana vavolombelona mampahonena ho an'ilay Tompontsika mahafinaritra izany. Raha tsy mamirapiratry ny hafalian'ny Tompo ny fiainanao sy ny tokantranonao, dia misy zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny ao. Efa nivily niala tamin'ny sitrapon'Andriamanitra izay ianao tany ho any.

Dia tohizan'i Jaona ihany ny teniny hoe raha tianao ny hanana izany fiainana izany, firaisana sy fifaliana, dia izao no zavatra voalohany indrindra tokony ho fantatrao : Andriamanitra dia mazava ary tsy misy maizina akory ao aminy (1 Jaona 1:5), izany hoe zero ny lainga, zero ny fahalotoana, zero ny fankahalana, zero ny fireharehana, sy ny sisa. Moa tianao ve ny hanana izany fiainana izany, izay tsy ilazanao lainga mihitsy, izay tsy hankahalanao olona mihitsy, izay tsy ialonanao na iza na iza mihitsy ary tsy ireharehanao mihitsy ? Raha mifidy hanana izany fiainana izany ianao, dia tsy hosorisorena na ho kivy mandrakizay. Hiaina fiainam-pifaliana tsy misy farany ianao ao amin'ny Tompo. Moa mety hisy ve izany fiainana izany eto amin'ity tany voaozona noho ny ota ity ? Eny tokoa. Ny Filipiana 4:4 dia mandidy antsika hifaly mandrakariva ao amin'ny Tompo. Izany dia teny nosoratana ho an'ny olona ety ambonin'ity tany ity fa tsy ho an'ireo any an-danitra ! Azonao atao tsara ny manana fifaliana tanteraka eto an-tany na enjehina tahaka an'i Jaona tao Patmosy ianao, na mipetraka miadam-pinaritra ao an-tranonao. Ny fifalianao dia tsy hiankina velively amin'ny zava-misy, raha misafidy ny handeha eo amin'ny fahazavan'Andriamanitra ianao amin'ny fotoana rehetra.

Raha hoy isika : Manana firaisana aminy isika kanefa mandeha eo amin'ny maizina dia tsy manao ny marina isika. Marobe ireo kristiana izay milaza fa manana firaisana amin'Andriamanitra kanefa milona ao anaty fahotana. Hitanao eny amin'ny endrik'izy ireo fa tsy ao ny fifalian'ny Tompo. Tsy mientan-kafaliana ny diany, tsy mihira ny molony, ary tsy manjelatra ny fijeriny. Tsy nahazo ilay fifalian'ny firaisana amin'Andriamanitra izy ireo. Arakaraka ny maha-matotra ara-panahy antsika mpino no hananantsika fifaliana bebe kokoa, raha mandeha miaraka amin'Andriamanitra isika.