WFTW Body: 

Ao amin'ny bokin'i Lioka 2 : 40,52 no amakiantsika fa hatramin'ny naha zaza Azy no efa nitomboan'i Jesosy tamin'ny fahendrena. Na dia efa ampoizintsika hanao zavatra tsy voahevitra aza ny tanora, noho ny maha tanora azy, dia tsy mba nanao zavatra tsy voahevitra Jesosy tamin'ny fahatanorany. Aoka Jesosy no ho fianarana ho antsika dia ho voavonjy amin'ny fahadalana isika amin'ny andron'ny fahatanorantsika. Ny fahatahorana an'Andriamanitra no fiandoham-pahendrena. Jesosy dia nivavaka mafy mba ho voavonjy tamin'ny fahafatesana ara-panahy, ary dia «voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra » Izy ( Hebreo 5:7). Tahaka ny nitiavany an'i Jesosy no nitiavan'Andriamanitra antsika koa. Noho izany, dia hohainoin'Andriamanitra foana ny vavaka ataontsika raha tahaka ny natahoran'i Jesosy an'Andriamanitra no atahorantsika koa an'Andriamanitra.

Andriamanitra dia nanome an'i Abrahama taratasy fankasitrahana toy izao «hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao » ao amin'ny Genesisy 22:12. Efa vonona ny hanao sorona ny zanany lahitokana izy tamin'izay. Nankato an'Andriamanitra tamin'ny nahim-pony tanteraka Abrahama teo an-tampon'ny tendrombohitra tamin'io andro io. Andriamanitra irery ihany no tiany hahita ny fankatoavany. Tamin'ny indray alina, raha irery iny Abrahama, no nitenenan'Andriamanitra taminy (Gen. 22:1). Tsy nisy olon-kafa nahafantatra izay nolazain'Andriamanitra tamin'i Abrahama. Ary tao amin'ny mangingina no nankatoavan'i Abrahama Azy. Ao amin'ireny zavatra ataontsika ao amin'ny mangingina ireny (rehefa tsy misy mahafantatra izay ataontsika) no ahitana marimarina na manana fahatahorana an'Andriamanitra isika na tsia.

Andriamanitra dia nanome taratasy fankasitrahana an'i Joba teo anatrehan'i Satana (Joba 1:8) izay nanambara fa Joba dia natahotra an'Andriamanitra. Tsara rehefa ataon'Andriamanitra rehareha eo anatrehan'i Satana tahaka izany isika. Satana mantsy dia miriorio eny rehetra eny, na dia amin'izao fotoana izao aza, ary fantany avokoa ny momba ny fiainantsika manokana. Joba dia efa nanao fanekena tamin'ny masony mba tsy hijery zazavavy intsony (Joba 31:1). Tsy mahavariana ve izany hoe nisy olona niaina talohan'ny nanomezana ny lalàna, niaina tany amin'ny taonjato maro talohan'ny nanorenana ny fanekena vaovao, kanefa nahavita nandray fanapahan-kevitra tahak'izany. Tsy nanana Baiboly akory izy, tsy nanana ny Fanahy Masina, ary tsy nanana rahalahy hamporisika sy hihantsy azy !! Amin'ny fitsarana farany dia hitsangana Joba ka hanameloka ity tanaraka ity noho ny fijejojejoany sy ny fahotany.

Aoka hatao faka tahaka i Josefa, tovolahy 18 taona izay marina tamin'Andriamanitra tany amin'ny tany tsy fantany akory. Ny fahatahorana an'Andriamanitra no fiadiana nananany ary izany no niaro azy tamin'ny fandrik'i Satana. Ny oha-piainan'i Josefa dia mampiseho amintsika fa azon'ny tovolahy 18 taona atao tsara ny mijoro tsy mivadika amin'ny Tompo na dia :

(a) Niaina teo anivon'ny fiaraha-monina feno fijangajangana sady baranahiny aza izy,

(b) Nisy vehivavy anankiray naka fanahy azy isan'andro isan'andro

(c) Anjatony kilaometatra mahery no nampisaraka azy tamin'ireo ray aman-dreniny. Ary noheverin'izy ireo fa efa maty aza izy.

(d) Tsy nanana Baiboly izy na boky masina mba hampahery ny finoany

(e) Tsy nandray hery avy tamin'ny Fanahy Masina izy

(f) Tsy nanana rahalahy mpivavaka nifandray am-po taminy izy

(g) Tsy nisy fivoriam-bavaka azony nandehanana.

Fa ny zavatra nananany kosa dia fahatahorana an'Andriamanitra izay nambolena'i Jakoba rainy ka nitsiry tao anatiny nandritra ireo 17 taona nipetrahany niaraka tamin'ny rainy. Ary ny fahatahorana an'Andriamanitra dia ampy hiaro ny tanora rehetra amin'ny fahotana, na tanora iza na tanora iza, na dia amin'izao androntsika izao aza.

Ny oha-piainan'i Joba sy Josefa dia mampiseho amintsika fa ny fahatahorana an'Andriamanitra irery ihany dia ampy hiaro antsika amin'ny fahotana mahatsiravin'ny filàn'ny nofo sy ny fijangajangana. Ny fahatahorana an'i Jehovah no abidim-pianaran'ny fahendrena (a,b,d).

Raha ho tahaka ny andron'i Noa ny andro farany (araka izay nolazain'i Jesosy ao amin'ny Matio 24), amin'izao andro farany izao Andriamanitra dia tsy maintsy mila olona tahaka an'i Noa, olona sahy mitsangana manohitra ny fahotana sy ny tsi-fahamarinana, olona sahy mijoro amin'ny fahamarinana sy ny fahadiovana ho an'Andriamanitra amin'izao fiainana efa ratsy izao

Tsy maintsy miatrika ady mandrakariva ao amin'ny sehatry ny fijangajangana isika, mandra pahatratrantsika ny fahadiovana feno. Mety hisy fahalotoana na dia amin'ny fomba firesahantsika amin'ny tovovavy aza ka mety handoto antsika izany. Tsy maintsy miezaka hatrany isika mba ho madio tahaka an'i Jesosy amin'ny fifandraisantsika amin'ny tovovavy. Voalazan'ny Soratra Masina fa indray mandeha dia gaga ny mpianany raha nahita an'i Jesosy niresaka tamin'ny vehivavy (Jaona 4:27). Izany no teny vavolombelony.