WFTW Body: 

Efa nampanantena Andriamanitra fa ho fahavalon'ny fahavalontsika Izy ( Eks. 23:22). Tao ambany fanekena taloha dia olombelona avokoa ny fahavalon'ny Zanak'Isiraely. Amin'izao fotoana izao dia tsy manana fahavalo afa tsy Satana (sy ireo fanahy ratsy namany) ary ny filàna ao anatin'ny nofontsika isika. Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà ( Efe. 6:12). Raha manapa-kevitra tsy hiady aman'olona mihitsy ianao, na olona iza izany na olona iza, dia amin'izay fotoana izay ihany vao hiady ho anao Andriamanitra. Tadidio fa Andriamanitra dia hiandany aminao foana hanohitra an'i Satana.

Nomen'Andriamanitra alalana i Satana hikororoka an'i Petera toy ny vary satria nananan'Andriamanitra fahatokisana tokoa i Petera sady asa fanompoana lehibe indrindra no efa nomaniny ho azy. Kanefa nivavaka ho an'i Petera i Jesosy mba tsy ho levona ny finoan'i Petera rehefa kororohina toy ny vary izy. Tena fampaherezana lehibe ny mahafantatra fa hivavaka ho anao Jesosy isak'izay hokororohin'i Satana toy ny vary ianao.

Rehefa mirehitra ny trano dia samy te hamonjy izay entana lafo vidy ao anatin'izany trano izany ny olona. Raha misy zazakely ao dia iny no tian'ny ray aman-dreniny vonjena voalohany indrindra fa tsy ny gazety efa lany andro. Dia toy izany koa, Jesosy dia nangataka fa rehefa ao anaty ady mahamay i Petera dia tsy ho levona ny finoany. Izay zavatra tokana izay ihany no zavatra lafo vidy indrindra. Ny ankoatr'izay dia tahaka ny gazety tranainy, izany hoe tsy misy ilana azy.

Tsy tokony ho levona mihitsy ny finoanao rehefa mikororoka anao toy ny vary i Satana. Raha manam-pinoana ianao, ao anatin'ny adim-panahy mafy indrindra, dia hiaiky hoe : " Ny ahy ny Raiko izay any an-danitra dia tia ahy loatra ary Izy no manapaka ny ety an-tany sy ny any an-danitra. Jesosy Kristy dia efa naharesy an'i Satana teo amin'ny hazo fijaliana. Satana dia mpandainga nefa tsy manana na inona na inona ato amin'ny fiainako izy. Ataon'Andriamanitra miara-miasa hahasoa ahy avokoa ny zavatra rehetra ". Izany no fiaikena ataon'ny olona izay manana finoana tsy mety levona. Nolazain'i Jesosy tamin'i Petera fa rehefa avy kororohin'i Satana toy ny vary izy dia hiova fo ary afaka hampahery ny rahalahiny avy eo ( Lioka 22:31, 32). Tsy afaka mampahery ny hafa isika raha levona ny finoantsika rehefa sedraina.

Afaka nanao zavatra be dia be tamin'i Petera i Jesosy satria tsy tafintohina i Petera na dia nantsoina hoe "Satana" aza ( Matio 16:23). Fa Jesosy kosa tsy mba nivavaka ho an'i Jodasy mihitsy satria tafintohina izy raha vao nanarin'i Jesosy kely fotsiny tao Betania (Vakio Jaona 12:4-8 ampiaraho amin'ny Matio 26:8-15)

Aza mba mety tafintohina mihitsy rehefa anarin'ny Tompo. Misy tanjona lehibe tian'Andriamanitra hotanterahina amin'ny alalantsika tsirairay avy. Arakaraky ny maha lehibe ilay tanjona no hamelan'Andriamanitra an'i Satana hikororoka anao mafimafy kokoa. Kanefa ao anatin'ny fisedrana rehetra dia hivoaka ho mpandresy ianao.