WFTW Body: 

Vakiantsika ao amin'ny Hebreo 6:12 fa amin'ny alalan'ny finoana sy ny faharetana ihany no handovantsika ireo teny fikasana. Noho izany, ny finoana fotsiny dia tsy ampy. Ny Hebreo 10:36 dia milaza koa fa mila faharetana ianareo rehefa avy nanao ny sitrapon'Andriamanitra, mba handovanareo ny teny fikasan'Andriamanitra. Ny teny hoe 'faharetana' dia adikan'ny Baiboly NASB hoe 'fihafiana' eo amin'ireo andininy eo ambony ireo, ary tena izany tokoa no izy.

Tsy mahazo tezitra velively amin'ny olona nampitondra ny mafy antsika isika satria ny zavatra rehetra ataon'ny olona amintsika dia ataon'Andriamanitra miara-miasa hahasoa antsika (Rom.8:28). Ny Romana 8:28 dia tahaka ny fitaovana elektrika fitantavanana rano. Na inona na inona rano maloto araraky ny olona ao dia rano madio mangarahara foana no tovozina avy ao. Na ratsy na tsara ataon'ny olona amintsika, izany hoe na mandoka antsika izy na manozona antsika, na manampy antsika izy na mamely antsika, rehefa mino ny Romana 8:28 isika dia ho tsara foana ny zavatra raisintsika avy amin'ireny! Kanefa tsy maintsy mino isika. Ny finoana dia tahaka ny fandefasana ilay fitantavanana rano. Tsy mandeha iny raha tsy mandalo ao anatin'iny ny elektrisitén'ny finoana.

Ny teny hebreo hoe 'revayyah' (midika hoe 'fahafenoana') dia tsy miverina afa-tsy indroa ao amin'ny Testamenta Taloha :

Sal. 23:5 - "mihoatra be" (Baiboly KJV), "feno dia feno" (Baiboly NASB)

Sal. 66:12 - "manana amby ampy" (Baiboly KJV), "mahatretrika" (Baiboly NASB)

Rehefa atambatra ireo andininy anankiroa ireo dia mahazo izao fahamarinana ara-panahy izao isika : Rehefa avy nohosoran'Andriamanitra diloilo ny lohantsika (Sal. 23:5), dia ampidiriny any amin'ny fandrika (an-katerena) isika, asiany enta-mavesatra eo ambalahantsika (kanefa tsy mihoatra noho izay zakantsika), ampandehaniny olona hanitsaka ny lohantsika, ary entiny mamaky afo sy rano isika (Sal.66:11,12), ary amin'izany no itondrany antsika ho any amin'ny toerana izay hahatonga ny kapoakantsika ho feno dia feno (Sal. 66:12 ampiarahina amin'ny Sal. 23:5). Koa eo anelanelan'ny fanosorana diloilo sy ny fahafenoana mihoapampana dia maro ny sedra tsy maintsy lalovantsika. Izay ihany no fomba hahatongavantsika any amin'ny fiainana feno dia feno.

Noho izany, na inona na inona fisedrana mahazo antsika, na vokatry ny fahadisoan'ny hafa izany na noho ny hetraketraky ny ratsy fanahy, na noho izay heverina ho kisendrasendra, dia afaka mifaly ao amin'ireny rehetra ireny isika satria ireny koa dia ataon'Andriamanitra miara-miasa hahasoa antsika. Izany hoe hampitovy endrika antsika bebe kokoa amin'i Kristy (araka ny voalazan'ny Romana 8:29).

Ny finoana dia fahatokisana manontolo ny fahendren'Andriamanitra sy ny heriny ary ny fitiavany, izay tsy vitan'ny hoe mamela ireo toe-javatra ireo hitranga eo amin'ny fiainantsika fotsiny fa tena mandamina sy mandrafitra an'ireny mba hahasoa antsika indrindra indrindra koa.