Famaritana : "Ny faminaniana" dia
teny atao amin'olona "ho fampandrosoana, ho famporisihana ary ho
fampiononana", izany hoe "ho fampaherezana, ho fanatanjahana
ary ho fampitoniana" (1Korintiana 14:3). Ao amin'ny
Hebreo 3:13 dia asaina mifampahery isika, mba hampitraka ny
olona, amin'ny fitiavana. Noho izany, ao amin'ny faminaniana, dia
tsy maintsy mifantoka amin'ny fampaherezana aloha mba
hahafahantsika mampitraka ireo olona kivy. Ary izany dia mba tsy
hahatonga azy ireo ho mafy fo noho ny ota. Raha vitantsika tsara
izany dia omen'ny Tompo teny famporisihana sy fananarana ary
fampiaiken-keloka ny olona isika. Ny faminaniana dia tsara kokoa
noho ny fanomezam-pahasoavana miteny amin'ny fiteny tsy fantatra,
satria ny faminaniana dia mampandroso ny olona ao am-piangonana fa
ny "teny tsy fantatra" kosa tsy mampandroso afa-tsy ilay miteny
azy (1Kor.14:4).
Faminaniana natao ho an'ny rehetra : Ny olona
tsirairay ao am-piangonana dia tokony hikatsaka ny
fanomezam-pahasoavana faminaniana avokoa. (araka ny
1Korintiana 14:31
). Fanomezana azon'ny anabavy raisina koa izany, fa tsy ho an'ny
rahalahy ihany. Ny anabavy dia tsy maintsy misaron-doha rehefa
maminany. Ny antony dia izao, ny 1Korintiana 11:3-15dia
mampianatra fa ny lehilahy no lohan'ny vehivavy. Ary rehefa misaron-doha
ny vehivavy dia manambara mangina amin'izany izy fa tsy maintsy saronana
ny voninahitry ny lehilahy ao am-piangonana, mba ho ny
voninahitr'Andriamanitra irery no hita.
Ataovy avy aminao manokana. Rehefa
manomana toriteny isika, dia tsy maintsy fantarina tsara fa
zavatra efa niainantsika izany fa tsy teôria fotsiny.
Jesosy dia tsy nitory afa-tsy izay zavatra efa nampihariny teo
amin'ny fiainany (hoy ny Asa 1:1 "izay nataon'i
Jesosy ALOHA dia AVY EO nampianariny"). Tsy tokony hitory
teôria izay mbola tsy nampiharintsika mihitsy isika! Raha tsy
manana zava-baovao hozaraina isika dia aleo mamerina izay efa
noresahina taloha toy izay hilaza zavatra mbola tsy nampiharina
teo amin'ny fiainana. Tsy homba antsika ny fahefan'i Kristy raha
tsy efa niainantsika aloha ny fankatoavana Azy. Noho izany, rehefa
mianatra ny tenin'Andriamanitra isika dia tsy maintsy manao izay
voalaza, mankato ilay teny eo amin'ny fiainantsika manokana aloha
voalohany indrindra. Ary avy eo isika dia afaka miresaka momba izay efa
nampiharintsika sy niainantsika.
Manàna fo feno fanetren-tena. Tsy mahazo
mizara na inona na inona amin'ny fahatokisan-tena isika. Ary tsy
mahazo manakiana olona mihitsy. Tsy tokony ataontsika koa izay
hahatonga ny olona hihevitra fa efa voavahantsika avokoa ny
olan'ny fiainantsika ! Fa ny tokony atao dia maminany araka ny
fatran'ny finoantsika (Rom. 12:6). Ary tsy maintsy mitory
amin'ny fo feno fanetren-tena, ka tsy manandratra afa-tsy Jesosy.
Rehefa Jesosyireryihany no misandratra dia Izy
no hitaona ny olona hanatona Azy (Jaona 12:32). Koa tsy
maintsy mivavaka mafy isika mba hanampy antsika ny Tompo hanana fo feno
fanetren-tena rehefa mitory ny Teniny.
Aza mitoky amin'ny nofo. "Fa isika
no voafora izay tsy mitoky amin'ny nofo" (Fil. 3:3). Raha
tsy manana fahasahiana hitory ampahibemaso isika dia tsy tokony
hihemotra fa hikatsaka ny herin'ny Tompo, ary Izy no hampahery
antsika. Fa raha tsy mataho-miteny kosa isika dia aoka tsy
hiantehitra amin'izany, fa aoka hiankina bebe kokoa amin'ny Tompo
aza, amin'ny vavaka, mba hampahery antsika. Ny finoana sy ny
fianteherana amin'ny Tompo no tena ilaina indrindra amin'ny
faminaniana.
Mivavaha mafy. Tsy maintsy mivavaka sy
mangataka fahendrena amin'Andriamanitra isika hamantarantsika
tsara ny tokony hozaraina sy ny tsy tokony hozaraina (Jakoba 1:5).
Tsy maintsy mangataka ny herin'ny Fanahy Masina isika, eo
am-pitenenana, mba hahaizantsika miteny amin'ny fanahy mahitsy sy
amin'ny fo madio (Lioka 11:13). Ary tsy maintsy
ataontsika fahazarana koa ny mivavaka rehefa vita. Tsy maintsy mivavaka
isika mba ho latsaka eo amin'ny tany tsara ny voa nafafy ka hamoa. Mba
hiaro antsika amin'ny fireharehana ny Tompo raha nankasitrahan'ny olona
izay nozaraintsika. Ary mba tsy ho azon'ny hakiviana isika raha tsy nisy
nankasitraka izay nozaraintsika. Ny zavadehibe indrindra dia izao ihany,
izay tian'ny Tompo nolazaina ve no nolazaintsika ary tamin'ny
fanetrentena ve no nilazantsika izany. Raha izany no nataontsika
dia efa nomem-boninahitra Andriamanitra, ary izay ihany no
zavadehibe.
Mandania fotoana amin'ny fanomanana. Raha
sarotra amintsika ny miteny dia aoka handany fotoana amin'ny
fandaminana izay zavatra holazaina. Hajao ny fotoana nomena
hitenenanao, ary izay hevidehibe tiantsika hamafisina ihany no
aoka lazaina. Raha manoratra izay tiantsika hozaraina isika dia ho
mora ny tsy mivaona sy manaja ny fe-potoana nomena. Kanefa tsy
maintsy miasa mafy isika mialoha izany. Ny Baiboly dia milaza fa
izay afafin'ny olona no hojinjainy (Galatiana 6:7). Ny
Ohabolana 13:4
dia manao hoe ny fanahin'ny mazoto hohatavezina. Mamaly
soa ny asa mafy Andriamanitra. Milaza amintsika ny
1Korintiana 14:40
hoe "aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy
ny filaminana". Koa ataovy mazava foana ny fitenenana ary
ataovy milamina. Tsy maintsy ataontsika mora raisina ny
Tenin'Andriamanitra atolotsika ny olona, tahaka ny mpahandro mahay miasa
mafy mba hikarakara sakafo mora levonina. Aoka isika ho vonona hamerina
ny zavatra sasany, fa tsy hitady zava-baovao foana. Mety hoe tsy
tena mampientanentana ny zavatra napetraky ny Tompo ao
am-pontsika. Kanefa raha mahatoky isika fa mizara (araky ny
fahafantarantsika) izay tian'Andriamaintra hozaraina dia azo
antoka fa hotahian'Andriamanitra izany.
Tsory ny resaka. Jesosy dia niresaka
tamin'ny fomba tsotra foana. Mora ampiharina ny zavatra
nampianariny ary mora azo foana ny teny lazainy. Mety ho very ny
fahamarinana rehefa miezaka hampiasa teny sarotra sy mampiseho
fahaiza-miteny ny olona. Aoka isika hiteny tsotra mba hahatakatra
izay lazaintsika sy handray zavatra avy amin'izay lazaintsika na
ny ankizy kely aza.
Fantaro ny fotoana tokony hijanonana. Ny
toritenin'i Jesosy dia tsy mba notaritiny lavabe. Ny toriteny teo
an-tendrombohitra dia tsy naharitra afa tsy 20 minitra teo. Afaka
manome teny mahery vaika ao anatin'ny fotoana fohy kely
Andriamanitra ! Ny fitenenana lava loatra dia mety saro-devonina
ho an'ny maro. Mety mahatonga ny olona ho varimbariana koa izany.
Ny hatsaran'ny teny no manandanja kokoa noho ny hamaroany. Hoy ny
Mpitoriteny 6:11
Arakaraky ny hamaroan'ny zavatra lazaina no vao mainka
mampihena ny heviny. Koa inona no soa azon'ny olona
? (Baiboly New Living Translation). Vitsy dia vitsy ny olona no mahavita
mifantoka mandritra ny fotoana maharitra. Aleo filazana fohifohy izay
napetraky ny Tompo tao am-pontsika toy izay toriteny lavabe mahatonga ny
olona tsy liana intsony ka hijereny matetika ny famataranandrony (Lioka
14:8-11).
Aza sarotahotra sy sarokenatra fa sahia. "Fa
tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika fa fanahy mahery"
(2Timoty 1:7). Manana fahasahiana isika noho ny maha-Kristy
an'i Kristy ary satria fantatsika izay nataony teo amin'ny
fiainantsika. Azon'Andriamanitra ampiasaina na dia ny
tsi-fahatanterahantsika aza hitahiana ny hafa. Raha manao izay
kely azontsika atao isika dia hanao izay tsy vitantsika
Andriamanitra, ary hotahiany izay lazaintsika. Raha mahatoky
fotsiny isika ka fenointsika rano ny barika (tahaka ny tao Kana)
dia hovain'ny Tompo ho divay ny rano (Jaona 2:1-11). Tokony
hatoky isika fa hanao izany Andriamanitra. Afaka mitahy olona maro
amin'ny alalan'ny fahalementsika Andriamanitra raha matoky Azy
isika.
Maminania mandrakariva amin'ny fo. Aoka tsy ny
lohantsika no entitsika mampianatra. Milaza ny Baiboly fa ny olona
rehetra dia mahazo maminany (1Kor. 14:31) kanefa ny olona
rehetra tsy tokony ho mpampianatra (1Kor 12:29). Tena ilaina
tokoa ny fampianarana. Kanefa vitsy dia vitsy ny olona nantsoina
ho mpampianatra. Ary raha tsy nomen'Andriamanitra izany antso
izany isika dia tsy tokony hiezaka hampianatra mihitsy. Hoy ny
1Korintiana 8:1 "fa ny fahalalana mampieboebo".
Mety mahatonga antsika hanao tsinontsinona ny hafa izany. Tsy ny
teny lazaintsika ihany no zavadehibe fa ny fomba ilazantsika azy
koa (sy ny antony manosika antsika). Raha tsy misaina mandrakariva
izay mahasoa ny olona isika dia ho variana amin'ny fahalalana sy ny
fampianarana ary izay zavatra manitikitika ny saina sy mampiala voly
fotsiny !! Kanefa ny fiantsoana antsika dia hampitraka sy hamporisika ny
olona.
Katsaho fatratra ny fanomezam-pahasoavana faminaniana
, noho ny fitiavana ny hafa (1Korintiana 14:1). Na inona
na inona ataontsika dia tokony hikoriana avy amin'ny fitiavana. Ny
asa tsara indrindra tsy natao am-pitiavana dia zava-poana. Noho
izany dia tsy maintsy mikatsaka ny fanomezam-pahasoavana faminaniana
isika noho ny fitiavana ny fiangonana, noho ny fitiavana sy ny faniriana
hampandroso sy hanampy ny hafa. Aoka ho izany foana no antoka manosika
antsika. Araka ny nolazain'ny Rahalahy Zac Poonen hoe "Zavatra roa no
tsy maintsy ao am-pon'ny mpanompon'Andriamanitra mandrakariva dia
ny Tenin'Andriamanitra sy ny vahoakan'Andriamanitra".
Maminania ao anatin'ny resadresaka ifanaovana
. Ny faminaniana dia tsy voafetra ho an'ny fitenenana ampahibemaso
mandritra ny fivoriam-bavaka ihany. Afaka maminany isika na
amin'ny resadresaka ifanaovantsika amin'ny olona aza. Mety ho
fampaherezana an-telefaonina fotsiny izany na amin'ny alalan'ny
SMS, na rehefa mitory any an-tokantrano. Faminaniana ny
fampaherezana ary aoka isika hiezaka hampahery ny olona isan'andro
(Hebreo 3:13). Hiaro ny olona tiantsika tsy ho mafy fo noho ny
ota izany. Raha te hitahy ny hafa isika dia izao no fomba azo
atao. Tsy maintsy sokafantsika foana ny masontsika hahita izay
fotoana azo araraotina. Raha nisy zavatra nolazain'ny Tompo ka
nitahiana antsika, dia aoka koa izany hitahiantsika ny hafa. Ny
hoe maminany dia "mizara ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro
mahamety azy". Ary izany no tena hitondra ny fitahiana lehibe
indrindra ho an'ny olona (Ohab. 15-23).
Koa aoka isika hikatsaka fatratra ny haminany, ho
voninahitr'Andriamanitra !!