Nahazo vahana be ny fampianaran'i Balama tao amin'ny fiangonana tao Pergamosy satria efa lasa andevon'olona ny loholona tao.
Ny mpanompon'Andriamanitra dia tsy maintsy mijanona ho olona afaka foana. "Fa olom-boavidy hianarao ka aza mety ho andevon'olona" (1Korintiana 7:23).
Nizara anankiroa ny fampianaran'i Balama. Samy ambaran'i Petera ireo ao amin'ny 2Petera 2:14, 15 : fitiavan-karena sy fijangajangana.
Nolazan'i Jesosy fa ny olona tia vola dia MANKAHALA AN'ANDRIAMANITRA ary ny olona mifikitra amin'ny vola dia MANAMAVO AN'ANDRIAMANITRA (Vakio tsara ny Lioka 16:13).
Raha tsy ampianarintsika ny mpiangona tsara izany dia hahazo vahana be ao am-piangonana ny fampianaran'i Balama ary ho tia vola ireo rahalahy sy anabavy.
Fa raha te-hampianatra izay nampianarin'i Jesosy isika dia tsy maintsy afaka tamin'ny fatotry ny vola. Mora kokoa amin'ny olona ny afaka amin'ny fahatezerana sy ny filan'ny maso noho ny afaka amin'ny fatotry ny vola. Tsy maintsy miady tsy tapaka isika vao ho resintsika izany zava-dratsy izany.
Efa hitantsika tokoa ve "fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra" (1 Timoty 6:10) ? Raha eken'ny olona fa zava-dratsy ny fahatezerana sy ny filàn'ny maso dia tsy mba heverin'ny olona ho toy izany ny fitiavam-bola. Izany no mahatonga ny maro ho andevon'ny vola, tsy tsapan'izy ireo fa mankahala sy manamavo an'Andriamanitra izy ireo amin'izany.
Ny ankabeazan'ny "mpiasa matihanina" dia andevozin'ny fitiavam-bola tahaka an'i Balama. Mitsidika sy miantrano any amin'ny mpino mpanan-karena izy ireo satria fantany fa hahazo fanomezana. Ary amin'izany dia mikombona ny vavany rehefa tokony hananatra mpanankarena sy tsongoin'olombolo noho ny fahotan'izy ireny izy. Mandeha mitory any amin'ny fiangonana izay fantany fa hahazoany rakitra be izy. Ahoana moa no ahafahan'izany mpitory izany manompo an'Andriamanitra ? Nofy izany. Mamôna no tompoiny. Nolazain'i Jesosy fa tsy misy olona mahay manompo tompo roa.
Misy toetra anankitelo tsy maintsy ananan'ny olona te hanompo an''Andriamanitra ao ambanin'ny fanekena vaovao.
Tsy maintsy efa afaka tamin'ny ota izy eo amin'ny fiainany manokana (Romana 6:22)
Tsy mahazo mitady sitraka aman'olona izy (Galatiana 1:10)
Tsy maintsy mankahala vola sy manamavo vola izy (Lioka 16:13).
Tsy maintsy manara-maso tsy tapaka ireo lafin-javatra anankitelo ireo isika hahafantarantsika na azo ekena ho mpanompon'Andriamanitra ao amin'ny fanekena vaovao na tsia.
Ny vola aman-karena dia TSY mahazo mamahatra eo amin'ny fiainantsika raha te hahomby ho an'Andriamanitra isika.
Tsy maintsy ankahalaintsika koa ny mandray fanomezana satria efa nolazain'i Jesosy fa "mahasambatra kokoa ny MANOME noho ny MANDRAY" (Asan'ny apostoly 20:35).
Raha tsy tapahantsika ny fanagiazan'ny vola eo amin'ny fiainantsika dia tsy hahay hitia an'Andriamanitra sy hanompo Azy araka ny tokony ho izy mihitsy isika. Tsy ho voataonantsika ho tia an'Andriamanitra koa ny olona. Ary tsy afaka hanafaka azy ireo amin'ny fampianaran'i Balama isika.
Ny lafiny faharoa amin'ny fampianaran'i Balama dia ny fijangajangana. Io fampianarana io dia mamporisika ny rahalahy sy ny anabavy hifampikasoka malalaka tsy misy fanaraha-maso. Vakiantsika ao amin'ny Apokalipsy 2:14 fa i Balama no namporisika ny vehivavy moabita hifampikasoka malalaka amin'ny zatovolahy israelita. Nitondra ny zanak'isiraely hanao fijangajangana ratsy loatra izany koa novonoin'Andriamanitra tao anatin'ny indray andro ny olona miisa 24000 (Nomery 25:1-9).
Tsy niala ny fahatezeran'Andriamanitra tamin'ny Zanak'Isiraely raha tsy nandray ny lefony i Finehasa. Rehefa hitan'Andriamanitra ny fihetsik'i Finehasa dia faly loatra Andriamanitra koa nomeny azy ny faneken'ny fisoronana mandrakizay (Nomery 23:11-13). Omen'Andriamanitra voninahitra foana ny olona manohitra mafy ny fifampikasohana malalaka eo amin'ny rahalahy sy anabavy ao am-piangonana.
Amin'ny maha-loholona antsika dia mbola isika no tsy maintsy modely amin'ny fitondran-tena. Tsy maintsy matotra tsara ny fihetsika asehontsika manoloana ireo anabavy ary tsy mahazo manao resaka kivalavala sy tsy misy dikany. Tsy maintsy mitandrina manokana mihitsy isika amin'ireo anabavy izay te hiresaka lava amintsika. Raha tia miresaka amin'ny anabavy isika dia tsy mendrika hitondra ny fiangonan'Andriamanitra. Tsy azontsika atao MIHITSY ny miresaka irery amin'ny vehivavy ao anaty efitrano mihidy. Aleo miaraka amin'ny vadintsika rehefa manome torohevitra ny anabavy na aleo miaraka amin'ny loholona anankiray hafa.
Rehefa hitan'ny mpianany fa niresaka tamin'ny vehivavy anankiray Jesosy teo amin'ny fantsakana tao Samaria dia izao no voasoratra "gaga izy ireo satria vehivavy no niresahany" (Jaona 4:27), satria tsy fanaon'i Jesosy ny miresaka irery amin'ny vehivavy. Nitandrina Izy mba tsy hanao zavatra mampieritreritra ny mpijery. Izany no modely tokony harahintsika rehetra.