WFTW Body: 

Josoa 1:1-2 dia milaza hoe " Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy. Efa maty Mosesy mpanompoko ; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao ". Andriamanitra mihitsy no nanandratra an'i Josoa sy nanendry azy ho mpitarika handimby an'i Mosesy. Tsy hahomby ny asanao amin'ny maha-mpitarika anao raha toa Andriamanitra ka tsy nanendry anao ho amin'izany toerana izany. Nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa fa ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladiany dia homen'Andriamanitra azy (and 3), ary tsy hisy olona hahajanona eo anoloany amin'ny andro rehetra hiainany (and 5). Izany dia tandindon'ny teny fikasana nomena antsika ao amin'ny Fanekena vaovao, voalaza ao amin'ny Romana 6:14 manao hoe " Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo, fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana ". Ny tany Kanana dia efa nanjakan'ireo olona lava vaventy maro tamin'ny fotoana lasa. Ho resy daholo anefa izy rehetra. Tsy misy ota na dia iray aza (na ota mahery be aza) afaka handresy antsika. Izany no sitrapon'Andriamanitra ho antsika. Josoa kosa anefa dia tsy maintsy nametraka ny tongony hanitsaka faritra anankiray eo amin'ny tany sy nitaky an'izany tamin'ny anaran'i Jehovah. Izay ihany vao azony io faritra io. Dia toy izany koa ho antsika. Tsy maintsytakiantsika amin'ny finoana ny lovantsika. Ary raha tsy hazonintsika tahaka ny efa antsika ireny teny fikasan'Andriamanitra ireny, dia tsy ho tanteraka eo amin'ny fiainantsika mihitsy.

Paoly dia nitaky ny zony tamin'ny anaran'i Jesosy ao amin'ny filazantsara, ary noho izany dia nahazo fiainana be voninahitra izy. Izao no lazainy ao amin'ny Korintiana faharoa 2:14, " Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay amin'ny fandresena mandrakariva ". "Fandresena mandrakariva", izany no hiram-pandresen'i Paoly, ary azontsika atao hiram-pandresana ho antsika koa izany. Kanefa ny ankamaroan'ny kristiana dia tsy miditra ao anatin'izany fiainam-pandresena izany mihitsy. Enina hetsy no isan'ny Zanak'Isiraely nivoaka avy tao Egypta, kanefa dia anankiroa tamin'izy ireo ihany no niditra ny tany Kanana, dia Josoa sy Kaleba. Dia mitovitovy amin'izany koa ny tahan'isan'ny kristiana miditra ao anaty fiainam-pandresena amin'izao andro izao (2 amin'ny 600 000). Josoa sy Kaleba dia tafiditra tao amin'ny tany nampanantenaina homena ny razany satria nanana izao toe-tsaina izao izy : " Raha Andriamanitra no efa naniraka antsika handova ny tany, dia vitantsika izany ". Finoana izany. Ny finoana dia tsy mijery afa-tsy ny teny fikasan'Andriamanitra ary tsy mijery velively izay zava-tsarotra atrehintsika. Ireo zanak'Isiraely sasany dia nanao hoe "Tsy vita izany. Goavana sady mahery loatra ireo olona lava vaventy ireo". Ankehitriny koa ny kristiana maro dia mahatsapa fa tsy ho vitan'izy ireo mihitsy ny handresy ny fahatezerana sy ny filàn'ny maso satria mahery loatra ireny filàna ireny sady efa nanjaka elabe teo amin'ny fiainany. Ny mpino tahaka izany dia tsy maintsy ho resy lava mandritra ny fiainany ary (raha ny lafiny ara-panahy) ho ringana any an'efitra.

Jehovah dia nanome toky an'i Josoa hoe "Homba anao Aho". Izany no mahatonga ny olona tsy hisy hahajanona eo anatrehan'i Josoa. Tsy avy amin'ny finoana karazam-pampianarana na avy amin'ny karazam-piainana efa nandalovana no handresentsika ny ota. Tsia. Fa avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo tsy miala eo amin'ny fiainantsika, dia amin'ny alalan'ny Fanahiny irery ihany, izay mampandresy antsika. Mpitarika tahaka izany no tadiavin'Andriamanitra ao amin'ireo mpivavaka kristiana ankehitriny. Kristiana azony tohanana sy azony ekena satria madio fo. Hoy Jehovah tamin'i Josoa " Mahereza sy mahatanjaha, fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nanjakan'ny fahavalony efa elabe " (and 6). Tsy misy tokony atahorantsika na ota inona na ota inona. Tsy maintsy mivoaka isika ka mampandresy ny vahoakan'Andriamanitra ny ota ao anatin'ny vatany, dia vatana izay efa nanjakan'ny ota nandritra ny taona maro. Tsy ampy ny mitondra olona ho amin'ny finoana fotsiny sy mitondra azy ho amin'ny batisa anankiroa fotsiny, dia ny famafazana ny rà eo amin'ny tolam-baravarana izany, ny fitàna ny ranomasina mena, ary ny famonosan'ny andry rahona. Vao fiantombohana fotsiny izany. Lesona ho an'ny ankizy vao mianatra mamaky teny sy manoratra izany. Moa ajanontsika hatreo ve ny fampianarana ny zanatsika rehefa mahay mamaky teny sy manoratra izy ? Tsia. Kanefa dia izany no mitranga ao amin'ny tontolo kristiana ankehitriny.

Ny andry rahona, na ny batisan'ny Fanahy Masina, dia tonga mba hitondra azy ireo ho any amin'ny tany izay nampanantenaina homena ny razany. Tao anatin'ny 2 taona fotsiny dia tokony ho efa tafiditra tao ry zareo, kanefa dia tsy tafiditra nandritra ny 40 taona satria olona tsy nino no nitarika azy. "Ny finoana dia avy amin'ny tori-teny (avy amin'ny fihainoana)" ( Rom. 10:17). Raha tsy ampianarina ny mpino mandritra ny fotoam-bavaka ireo fahamarinana ireo, ahoana moa no hinoany ? Dia ahoana koa no handreseny ota ?

Hoy Jehovah tamin'i Josoa : " Koa mahereza sy mahatanjaha tsara ianao, hitandremanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny tenin'Andriamanitra. Aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia " (Josoa 1:7). Raha milaza ny tenin'Andriamanitra hoe " fa ny ota tsy hanan-kery aminareo" (Rom. 6:14), dia minoa ary maneke an'izany. Aza mivily na ho amin'ny ankavia na ho amin'ny ankavanana. Izany hoe : aza ahena ny velaran'izany teny fikazana izany. Aza ahena hoe fa ny ota sasany tsy hanan-kery aminareo. Dia tahaka izany ihany, aza ampitomboina hilaza izay zavatra tsy nolazainy ilay izy. Aza miteny hoe azontsika atao tsara ny ho tonga lafatra tahaka an'i Kristy eto amin'ity tany ity. Tsy ho vitantsika mihitsy ny ho tanteraka tsy hanana ota eto an-tany. Tsy izany no tian'io teny fikasana io lazaina. Tsy manondro afa-tsy fandresena izay zavatra heverintsika hoe ota io (fantatry ny saintsika fa ota). Tsy hitovy tanteraka amin'i Kristy mihitsy isika raha tsy amin'ny fiverenany. Mazava tsara izay lazain'ny Jaona voalohany 3:2 momba an'izany. Noho izany, aza mandeha lavitra kokoa noho ny Soratra masina, ary aza mino izay teny fikasana efa nandrimbinana.