WFTW Body: 

Ao amin'ny Hebreo 3:7 dia misy fampitandremana ho antsika, « Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo ». Avy eo indray ao amin'ny Hebreo 3:12, « Tandremo, ry rahalahy, fandrao misy aminareo hanana fo mafy tsy mino ». Mampitandrina ireo rahalahy masina, izay efa nahazo anjara tamin'ny antson'Andriamanitra ny mpanoratra eto, fandrao izy ireo miafara amin'ny fananana fo mafy tsy mino, ka tsy hino fa Jesosy dia efa tonga tahaka azy ireo. Rehefa leon'ny fiainana resin'ny ota lava ianao vao homen'Andriamanitra anao izany fanambarana izany, fa Jesosy dia efa tonga tahaka anao mba ho fianarana ho anao. Izaho dia kristiana tena resin'ny ota taloha. Saingy tena leo sy tofoka an'izany fiainako resin'ny ota lava izany aho. Nitaraina mafy tamin'Andriamanitra andro aman'alina aho nanao hoe « Tompo ô, tsy fantatro hoe aiza no ahitako ny valiny. Mpitory ny tenin'Andriamanitra aho kanefa tao amin'ny fiainako anaty dia resin'ny ota aho. Resin'ny ota aho tao anatin'ny eritreritro, tao amin'ireo teny nataoko ary tao amin'ny fiainan-tokantranoko. Efa nateraka indray aho, ary efa natao batisan'ny rano. Kanefa resin'ny ota. Asehoy ahy izay zavatra tsy maintsy tokony hofantariko ». Koa dia nasehon'ny Tompo ahy ny tsiambaratelon'ny fahamasinana, dia izao : Kristy efa tonga nofo ary nalaim-panahy tahaka ahy koa, kanefa dia niaina fiainana madio Izy. Tena ninoako tamin'ny foko manontolo izany, ary izany no nanova ny fiainako. Eto dia ampitandremana isika fa raha misy manana fo tsy mino dia mety hiala amin'Andriamanitra izy (Hebreo 3:12).

Ankoatry ny fialàna amin'Andriamanitra, dia misy safidy anankiray ao amin'ny andininy manaraka «Fa mifananara isan'andro raha mbola atao hoe 'Anio '» ( Hebreo 3:13). Tsy fantatsika izay avoaky ny ampitso. Noho izany dia andeha isika hanao zavatra anio. Andeha isika hamporisika olona iray anio. Andeha isika hananatra olona iray anio. Araka ny toe-javatra tamin'ny fotoana nanoratana ity toko ity, ny dikan'izany dia hoe andeha isika hananatra olona anankiray mba hanaovany an'i Jesosy ho efa tonga tahaka azy.

Ny asa iantsoana antsika isan'andro dia ny hanandratra an'i Jesosy. Ny fitondrantenantsika sy ny teny ataontsika dia tsy maintsy milaza mandrakariva hoe « Jereo Jesosy. Tsy Mpamonjy mahagaga tokoa ve izy ! Tsy ny heloko ihany no navelany fa ny fiainako koa dia novainy. Novainy ny fiainan-tokantranoko, nofenoiny ny fifaliana avy amin'i Jehovah aho mba hifaliako mandrakariva, Efa nesoriny niala tamiko ny tahotra ny fahafatesana. Diniho Jesosy ». Ny fiainantsika dia tsy maintsy tonga faka tahaka sy fananarana ho an'ny olona isan'andro. Rehefa mijery ny tavantsika ny olona dia tsy maintsy mahita tahaka ny avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra eo izy.

Ny Hebreo 3:13 dia mampitandrina antsika fa 24 ora monja dia ampy hampiverin-dalana ny olona anankiray. Izany no antony ilàna antsika mifananatra sy mifamporisika isan'andro. Samy manana andraikitra amin'ny namany avy isika ao amin'ny Tenan'i Kristy. I Kaina dia niteny hoe «Tsy mpitandrina ny rahalahiko aho ». Fa ao amin'ny Tenan'i Kristy kosa dia samy mpitandrina ny rahalahintsika avy isika, samy mpitandrina ny rahavavintsika. Raha mahita olona sendra diso lalana ianao dia anaro izy. Raha mahita olona lavo ianao dia areno izy.

Raha tsy misy olona afaka mamporisika sy mananatra anao, dia ao ny Fanahy Masina sy ny Baiboly. Ny apostoly Paoly dia nananatra sy namporisika ny tenako manokana nandritra ny andro maro, tamin'ny alalan'ireo teniny ao anaty Baiboly. Petera sy Jakoba ary Jaona koa dia nananatra sy namporisika ahy. Maro ireo fotoana tsy nananako rahalahy teo anilako nananatra ahy, koa dia ireo apostoly ireo no tonga tamin'ny alalan'ireo pejy ao amin'ny Baiboly ka nampahery ahy. Tsy mahafinaritra be ve izany hoe isika rehetra dia afaka miaraka amin'i Petera sy Paoly ary Jaona ao an'efitranontsika, mba hananatra antsika isan'andro ? Nahoana no tsy avelanao mananatra anao izy ireo ? Maninona no avelanao mihiboka ao anaty Baiboly ao izy ireo ?

Ny Baiboly mihitsy no tena ilainao vakiana, mihoatra noho ny boky hafa rehetra izay miresaka momba ny Baiboly. Tsy tiako ho fantatra akory ireo izay lazain'ny mpandalina Baiboly momba ny zavatra nosoratan'i Petera, na ny zavatra nosoratan'i Paoly, na ny zavatra nosoratan'i Jaona. Petera sy Paoly sy Jaona mihitsy no tiako horenesina mivantana. Noho izany dia ny Baiboly mihitsy ny ahy no vakiako, fa tsy izay boky momba ny Baiboly.