WFTW Body: 

Ny fiainan'i Jesosy dia tena fiainam-pitsaharana tanteraka. Ampy an'i Jesosy ny 24 ora isan'andro nanaovany ny sitrapon'ny Rainy. Fa raha ohatra Izy izao ka nanapa-kevitra hanao izay noheveriny fa mety dia tsy ho ampy azy ireo 24 ora ireo ary tsy ho nahita fitsaharana akory Izy tamin'ny ankamaroan'ny fotoana.

Teo ivelan'ny Vavahadin'ny tempoly Itsaraendrika tao Jerosalema dia matetika Jesosy no nahita lehilahy nalemy tongotra anankiray nangataka fiantrana. Kanefa tsy nanasitrana an'io lehilahy io Izy, satria tsy nahazo tolo-tsaina avy tamin'ny Rainy hanao izany Izy. Taty aoriana, rehefa nakarina ho any an-danitra Jesosy dia i Petera sy Jaona no nanasitrana io lehilahy io, tamin'ny fotoana tonga lafatry ny Ray, ary ny vokatr'izany dia vahoaka marobe no nitodika tany amin'ny Tompo (Asa 3:1-4;4). Izay ilay fotoanan'ny Ray ho fanasitranana ilay lehilahy fa tsy tany aloha tany. Ho voasakana izany sitrapon'ny Rainy izany raha nositranin'i Jesosy talohan'ny fotoana ralehilahy. Fantatr'i Jesosy fa tonga lafatra ny fotoanan'ny Ray, koa tsy mba maimaika hanao zavatra mihitsy Izy.

Jesosy dia nahay nifaly tao anatin'ny sakantsakana rehetra nihatra taminy, satria nanaiky Izy fa ny Rainy Izay any an-danitra, izay manana ny fiandrianana, no nanomana ny fandaharam-potoanany isan'andro. Koa tsy mba nanorisory an'i Jesosy izay sakantsakana. Ny fiainan'i Jesosy dia hitondra fitsaharana tanteraka ao anatintsika tokoa. Tsy midika akory izany fa tsy mila manao na inona na inona isika fa kosa tsy manao afa-tsy izay ao anatin'ny planin'ny Ray ho an'ny fiainantsika. Amin'izay dia ny hanefa ny sitrapon'ny Ray no mahadodona antsika kokoa noho ny fanaovana ny fandaharan'asa efa nomanintsika.

Ny kristiana ara-nofo dia milofo amin'ny fanaovany "izay an'ny tenany" ka matetika ireny olona ireny no mora tezitra sy be tebiteby. Ny fiafaran'ny sasany aza dia mahazo rarin-tsaina sy aretim-batana. Tsy nisy fahotana nataon'i Marta akory tamin'ny nanompoany ny Tompo sy ny mpianatry ny Tompo. Kanefa dia tsy nahita fitsaharana izy ary nanakiana an'i Maria. Izany dia sary mazava azo anehoana ny fanompoana atao ara-nofo. Ny kristiana ara-nofo dia tsy mahita fitsaharana sady mora tezitra. Tsy nitsahatra tamin'ny "asany" izy ary mbola tsy niditra tao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra (Hebreo 4:10). Manana fikasana tsara izy, kanefa tsy fantany fa na dia tsara aza ny asany dia mbola "lamba mihoson-drà" ihany eo imason'Andriamanitra, na dia aorian'ny fiovam-pony aza (Isaia 64:5).

Ny olona "manompo" tahaka an'i Marta, na dia amin'ny fahatsoram-po aza, dia ny tenany ihany no tompoiny raha ny tena marina. Tsy azo antsoina hoe mpanompon'ny Tompo izy satria ny mpanompo dia miandry izay asain'ny tompony atao vao manompo. Jesosy dia tsy mba azon'ny rarin-tsaina mihitsy, satria tena nisy fitsaharana tanteraka tao anatiny. Hoy Izy amintsika :

"Ento ny ziogako ka mianara amiko, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo " (Matio 11: 29).

Izany ilay voninahitr'i Jesosy izay asehon'ny Fanahin'Andriamanitra amintsika ao anatin'ny Teniny sy tiany zaraina amintsika sy aseho amin'ny alalantsika.

Ny Tompo no Mpiandry antsika ary Izy dia te hitondra ny ondriny any amin'ny sahan'ny fitsaharana. Ny ondry dia tsy manamboatra ny fandaharam-potoanany manokana na mandidy izay saha misy ahitra halehany rehefa avy eo. Manaraka ny mpiandry azy fotsiny ny ondry. Kanefa tsy maintsy foanana tanteraka aloha ny fahatokisan-tena sy ny fahavitan-tena vao afaka hanaraka ny Mpiandry azy ny olona anankiray. Jesosy dia nanaraka ny Rainy tamin-kalemem-panahy. Fa ny kristiana ara-nofo kosa dia tsy te ho ondry, noho izany dia entin'ny fahiratan-tsainy mivily lalana izy. Ny saintsika dia tena fanomezana mahagaga sy mahasoa avy amin'Andriamanitra, kanefa mety ho tonga mampidi-doza indrindra amin'ny fanomezana rehetra izy raha asandratra eo amin'ny toeran'ny tompo eo amin'ny fiainantsika.

Ny Tompo dia nampianatra ny mpianany hivavaka hoe "Rainay o, Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny anaovana ny sitraponao any an-danitra". Ahoana moa no fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra any an-danitra ? Tsy mihazakazaka etsy sy eroa ny anjely satria te "hanao zavatra ho an'Andriamanitra". Hisy fisafotofotoana be any an-danitra raha izany no ataon'izy ireo. Inona ary no ataony ? Miandry eo anatrehan'Andriamanitra izy ireo mihaino izay andidian'Andriamanitra azy, ary avy eo ny tsirairay dia manao an-tsakany sy an-davany izay nasaina nataony. Henoy ny teny nolazain'ny anjely Gabriela tamin'i Zakaria " Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra, ary nirahina hiteny aminao aho …" (Lioka 1:19). Izany koa no toerana noraisin'i Jesosy Tompo, niandry teo anatrehan'ny Rainy, nihaino ny feony ary nanao ny sitrapon'ny Rainy.

Ny kristiana ara-nofo dia mety miasa fatratra sy manao sorona betsaka, kanefa raha jerena amin'ny fahazavana tsaratsara kokoa any amin'ny mandrakizay dia ho hita fa "nisasatra mafy nandritra ny alina izy ireo nefa tsy nahazo na inona na inona". Fa ireo izay mitondra ny hazo fijaliany isan'andro (mandà ny ainy ka ataony maty izany) ka mankato ny Tompo dia ho feno hazandrano ny haratony amin'izay andro izay (Jaona 21:1-6).

Hoy Jesosy "Na iza na iza no varimbariana tsy mifantoka amin'ny asa ampanaoviko azy dia tsy mendrika ny fanjakan'Andriamanitra" (Lioka 9:62 - The Living Bible)