WFTW Body: 

Izao no voalaza ao amin'ny Efesiana 1:3 " Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra ". Mariho tsara fa ireo fitahiana rehetra ireo dia fitahiam-panahy avokoa fa tsy fitahiana ara-materialy tsy akory. Ny fitahiana ara-nofo dia ireo fitahiana nampanantenaina ho an'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny fanekena taloha. Azontsika vakiana ao amin'ny Deotoronomia toko faha 28 izany. Izany no mampiavaka ny fahasoavana tonga tamin'ny alalan'i Jesosy sy ny lalàna nomena tamin'ny alalan'i Mosesy. Raha toa ka tao amin'ny Testamenta taloha no nosoratana io andininy io, dia ho toy izao ny fivakiny "Isaorana anie Andriamanitra Tsitoha (fa tsy Andriamanitra Raintsika), Izay nitahy antsika tao amin'i Mosesy tamin'ny fitahiana rehetra tety an-tany". Noho izany dia azo lazaina fa ireo mpino izay mikatsaka voalohany indrindra ny fanasitranana sy ny fitahiana ara-nofo, dia efa miverina any ambanin'ny fanekena taloha mihitsy. Raha ny tena marina dia Zanak'isiraely ny "mpino" tahaka izany fa tsy Kristiana velively. Mpanara-dia an'i Mosesy izy fa tsy mpanara-dia an'i Jesosy.

Moa midika ve izany fa amin'izao andro izao dia tsy mitahy ara-nofo ny mpino Andriamanitra ? Mitahy Izy fa amin'ny fomba hafa. Rehefa katsahin'ny mpino aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homeny azy avokoa izay rehetra ilainy ety an-tany. Tao ambanin'ny fanekena taloha dia tsy nikatsaka afa-tsy ny zavatry ny tany ny olona, ary nomena be dia be tamin'izany izy ireo, izany hoe zanaka be dia be, fananana be miavosa, vola be tsy tambo isaina, fandresena ny fahavalo, laza amam-boninahitra, toerana ambony sy ny sisa. Ao ambanin'ny fanekena vaovao kosa, dia mikatsaka ny fitahiam-panahy isika, izany hoe zanaka am-panahy, harem-panahy, laza ara-panahy, fandresena ara-panahy (fandresena an'i Satana sy fandresena ny nofo fa tsy fandresena ny filistina na fandresena olombelona). Izay ilaintsika eto an-tany, tahaka ny fahasalamana sy ny vola hanaovantsika ny sitrapon'Andriamanitra dia homeny antsika ho fanampin'ireo fitahiam-panahy. Omen'Andriamanitra antsika na ohatrinona na ohatrinona vola izay fantany fa tsy hanimba antsika.

Ny fitenenana hoe "fitahiam-panahy" ao amin'ny Efesiana 1:3 dia azo adika hoe "fitahian'ny Fanahy Masina". Efa nomen'Andriamanitra antsika ao amin'i Kristy ny fitahian'ny Fanahy Masina rehetra. Mila mitaky azy ireny amin'ny anaran'i Jesosy fotsiny sisa isika. Alaivo sary an-tsaina ange izao hoe misy zazavavy anankiray, mpangataka mipetraka eny amoron-dalana ny asany, dia nisy zanaka mpanjaka anankiray nandalo teo amin'izany lalana izany ary nalainy vady razazavavy, dia nanokafany kaonty ary nasiany vola an'apitrisany maro ho azy tao. Izany hoe azon'ilay zazavavy atao ny misintona vola na ohatrinona na ohatrinona ao amin'izany kaonty izany amin'izay fotoana tiany hakana izany. Tena tsara vintana be mihitsy izany zazavavy izany e. Taloha izy tsy nanana afa-tsy kapoaka kely nentina nangataka ary vola madinika vitsivitsy no tao anatiny, izao anefa izy efa miaina sy miadam-pinaritra, efa miankanjo fitafin'Andriana, efa afaka misintona izay vola tiany alaina ao amin'ny bankiny, satria efa eo am-pelatanany ireo seky marobe voasonian'ilay zanaky ny mpanjaka. Izany dia fanehoana sary antsika raha ny ara-panahy no heverina.

Ankehitriny dia azontsika atao ny mankany amin'ny bankin'ny lanitra, mitaky ny fitahian'ny Fanahy Masina rehetra tsirairay amin'ny anaran'i Kristy satria efa antsika avokoa ireny. Ny zavatra rehetra any an-danitra dia antsika avokoa ao amin'i Kristy raha mijanona ho fofombadin'i Kristy isika, raha afaka miteny Aminy isika hoe : "Tompo ô, ho anao irery aho amin'ny androm-piainako rehetra ety an-tany amin'ny maha-fofombadinao ahy". Amin'izay dia ho antsika avokoa ny fitahian'ny Fanahy Masina rehetra. Tsy mila mandresy lahatra an'Andriamanitra isika hoe mendrika ny hahazo an'ireny satria tsy mendrika ny hahazo na dia ny anankiray fotsiny amin'ireny aza isika. Heverinao ve fa ilay zazavavy mpangataka dia miendrika ny hahazo ny harena rehetra izay nomena azy maimaimpoana? Tsia, tsy mendrika ny hahazo ireny izy. Ny zavatra rehetra raisintsika dia noho ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fahasoavany. Azontsika raisina avokoa ny zavatra rehetra any an-danitra satria efa nomena antsika maimaimpoana ao amin'i Kristy. Tsy tambiny azontsika noho ny fifadian-kanina na ny vavaka nataontsika ireny. Marobe ny olona no tsy mandray ireo fitahian'ny Fanahy Masina satria miezaka ny mividy an'ireny amin'ny fifadian-kanina sy ny vavaka. Tsy tahaka izany no handraisantsika ireny. Tsy maintsy amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy irery ihany no anekentsika ireny fitahiana rehetra ireny.

Tadidiko ny fomba nampianaran'ny Tompo ahy izany lesona izany rehefa nivavaka aho indray mandeha fa nisy zavatry ny tany nilaiko nangatahiko taminy. Hoy aho "Tompo ô, efa taona maro izao no nanompoako Anao, koa miangavy re aho mba ataovy amiko izany". Dia namaly ny Tompo hoe : "Tsia, tsy ataoko izany raha amin'ny anaranao no anatonanao Ahy". Tamin'io andro io no nahafantarako ny dikan'ny hoe mivavaka amin'ny Anaran'i Jesosy. Tamin'io andro io no nahatsapako fa ny mpino vaovao vao avy niova fo sy ny tenako izay efa niova fo tamin'ny taona 1959 dia tsy maintsy manatona an'Andriamanitra amin'ny fanorenana mitovy ihany, izany hoe amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Jesosy.