"Mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo…" (Matio 28:20).
Izany dia ampahany faharoa amin'ny Hafatra lehibe. Voalohany, dia mandeha mankany amin'izao tontolo izao aloha isika ary milaza amin'ny olona fa mpanota izy ireo, milaza fa Kristy efa maty noho ny fahotan'ny olona ary efa nitsangana tamin'ny maty, niakatra any an-danitra Izy ary mbola hiverina, ary koa Kristy no hany lalana mankany amin'ny Ray. Na aiza na aiza misy olona manoina izany antso izany dia manasa azy isika hanao an'i Jesosy ho Tompon'ny fiainany, ho mpianatry ny Tompo manara-dia an'i Kristy amin'ny androm-piainany manontolo, manao batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ary mampahafanatra azy ny zavamiafin'ny Telo Izay Iray. Kanefa tsy mifarana eo, izany rehetra izany dia mitovy amin'ny hoe tonga eo amin'ny tsipika fialàna (ligne de départ) amin'ny hazakazaka lavitrezaka olaimpika.
Tsy efa fahombiazana be ve raha toa ianao voafidy handray anjara hisolo tena ny firenenao ary tonga eo amin'ny tsipika fanombohana ny hazakazaka lavitrezaka olaimpika. Na izay fotsiny ihany aza dia efa fahombiazana be kanefa raha izay fotsiny dia tsy dia misy dikany, satria ny fahatongavana eo amin'ny tsipika fialàna dia vao fanombohan'ny fihazakazahana. Zava-dehibe toy izany koa ny fahatongavanao ho mpianatry ny Tompo ka nanaovana batisa anao tamin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, kanefa tahaka ny sarin'ny lalao olaimpika dia tsy maintsy manomboka manao ny fihazakazahanao ianao. Ary ny atao hoe manao ny fihazakazahana dia manao ny zavatra rehetra nandidian'i Jesosy antsika.
Maharitra mandritra ny androm-piainana manontolo ny fihazakazahana ho an'ny kristiana ary izany no tokony ampianarin'ny fiangonana rehetra ny olona.
Raha imasoan'ny fiangonana ny fanaovana ny olona ho mpianatra sy ny fanaovam-batisa dia tsy tokony hijanona eo izy. Inona no tokony hampianarin'izy ireo isak'alahady ao anatin'ny fotoam-mpivavahana ? Ny zavatra rehetra nampianarin'i Jesosy. Izay rehetra nampianarin'i Jesosy, fa tsy hoe zavatra vitsivitsy nofantipantenana, ary azo antoka fa tsy ny psykôlôjia velively na karazana fialamboly. Mampalahelo rehefa ny fanatsarana ny mozikany no mahasarotiny kokoa ny fiangonana noho ny fanatsarana ny toetran'ny mpiangona. Tena zavatra mampalahelo indrindra izany. Inona no heverinao fa mahasarotiny kokoa an'Andriamanitra Izay any an-danitra ?
Andeha atao hoe misy fiangonana vaovao anankiray manao fivoriam-bavaka. Dia eritrereto hoe feno olona efa tena niova fo ao, ary tena te hanao an'i Jesosy ho Tompon'ny fiainany. Raha hitanao fa ny mozika no tena ifantohan'izany fiangonana izany, dia heverinao ve fa faly Andriamanitra ? Tsara raha mety tsara ny mozika, tsy manohitra an'izany aho. Kanefa resaka laharam-pahamehana izy ity. Inona moa no mahadodona kokoa an'Andriamanitra, ny fahamendrehan'ny mpiangona ao amin'io fiangonana io ka hitovizany bebe kokoa an'i Kristy sa mba hampiala voly kokoa ny mozika ? Dia hitantsika amin'izany fa efa nivily lalana tokoa ny kristiana satria ny mpitarika kristiana dia tsy mahafantatra izay ankasitrahan'Andriamanitra.
Inona moa no andrasana amintsika ao am-piangonana ? Tsy maintsy ampianarintsika ny olona hankato ny zavatra rehetra nandidian'i Jesosy. Tsy afaka hampianatra ny olona ny fomba fankatoavana ny didin'Andriamanitra isika raha tsy isika aloha no nankato ny didy. Mariho tsara ny fhasamihafan'ireto fanambarana anankiroa ireto : "Ampianaro azy izay rehetra nandidiako anareo" sy ny hoe "Mampianara azy hanao izay rehetra nandidiako anareo".
Raha asaina mampianatra ny zavatra nandidian'i Jesosy fotsiny aho, dia azoko atao ny maka ny fampianaran'i Jesosy rehetra dia ampianariko ny olona izany tahaka ny mampianatra simia na fizika na tantara. Mandalina ny foto-pahalalana mikasika an'izany aho dia ampianariko ny olona avy eo. Fa ny hoe "Mampianatra ny olona hanao…", izany dia mitaky hoe efa nataoko aloha ilay izy, izay vao ampianariko ny olona ny fomba hahafahany manao azy. Raha izaho aza mbola tsy nanao an'ilay zavatra dia tahaka ny olona mampianatra milomano aho kanefa ny tenako aza tsy mahay milomano. Raha hainao fotsiny ny foto-pahalalana sy ny teknikan'ny filomanosana dia vitanao tsara ny manazava izany amin'ny vahoaka eo amin'ny solaitrabe, na tsy mpilomano aza hianao. Izany dia "mampianatra azy" fotsiny. Fa ny hoe "mampianatra azy hanao…" dia asehonao azy ao anaty dobo filomanosana na any amin'ny renirano ny fomba filomanosanao, mitsingevana sy mifindrafindra toerana eo ambony rano.
Ny mpitondra fivavahana ara-Baiboly dia tompon'andraikitra amin'ny fampianarana ny olona mba tena hanaovan'izy ireo izay rehetra nandidian'i Jesosy, ary fampianarana lava be izany. Izany no antony nanoratako ilay boky hoe "Izay rehetra nampianarin'i Jesosy", mba hanatanterahana io didy io. Zavatra tokana no nokatsahiko dia ny hanatanteraka ny didin'i Jesosy, ny hampianatra izay rehetra nampianarin'i Jesosy, ary ny hampianatra anao hanao ny didin'i Jesosy tahaka izay niezahako nanao izany koa nandritra ireo 52 taona farany teo amin'ny fiainako. Tsy manasongadina ireo didy mahafinaritra ahy fotsiny aho na koa ireo didy mora tandremana ka manao tsirambina ny didy hafa.
Izao no tsy maintsy firehetam-pon'ny mpianatry ny Tompo tsirairay : ny hanao izay rehetra nandidian'i Jesosy.