WFTW Body: 

Boky manan-danja be ho antsika kristiana rehetra ny Tonon-kiran'i Solomona. Isaorako indrindra ny Tompo satria io boky io no nitarihany ahy voalohany mba hianarako tamin'ny nanombohan'ny fiainako kristiana. Fifandraisana manokana, feno fitiavana, feno fanolorantena miaraka amin'i Kristy no loharano ipoiran'ny tena asa fanompoana, na asa fitoriana evanjelika izany na fananganana fiangonana na fampianarana Baiboly na asa soa na inona na inona. Voalohany indrindra aloha dia tsy maintsy mianatra ny "Tononkiran'ny mpampakatra sy ny ampakarina" isika, izany hoe ny tononkira hirain'ny Tompo ho antsika sy hiraintsika ho Azy.

Ao amin'ny Tononkiran'i Solomona 1:1, ny zavatra voalohany tsara homarihina dia tononkiran'i Solomona ilay izy, izany hoe tononkiran'ny mpampakatra aloha voalohany indrindra fa tsy an'ny ampakarina. Ny dikan'izany dia tononkiran'ny Tompontsika ho antsika aloha ilay izy fa tsy tononkirantsika ho Azy. "Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha" (1Jaona 4:19). Tsy isika no nitia Azy voalohany. Izy no nitia antsika voalohany. Noho Izy nihira io tononkira io ho antsika voalohany no ahafahantsika mihira izany ho Azy ankehitriny.

Ao amin'ny Tononkiran'i Solomona 4:8 no andrenesantsika ny mpampakatra miteny amin'ny ampakarina hoe "Avia hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-tampon'ny lavaky ny liona". Fanasana ny ampakarina hitoetra any an-danitra izany. Hoy ny Tompo "Aza mijery zavatra amin'ny fomba fijery ambany ety an-tany. Avia miaraka amiko aty amin'ny lanitra ary avy ety tazanina ny zavatra rehetra. Ho hitanao fa kely, manjavozavo ary tsy misy lanjany ny zavatry ny tany rehefa jerena avy ety ambony". Tian'ny Tompo ampakarina ho any amin'ny toerana avo kokoa isika. Marina fa misy liona any, izany hoe misy devoly, misy hery sy fanapahan'ilay ratsy. Kanefa ho eo akaikin'ny Tompo isika any an-danitra ary ny fiarahantsika Aminy no handresentsika ireo herin'ny ratsy rehetra ireo.

Ao amin'ny Tononkiran'i Solomona 4:12 dia "saha voahidy" no iantsoan'ny mpampakatra an-drazazavavy, zaridaina voatokana ho azy irery, voatokana ho an'ny mpampakatra irery. Tsy natao ho an'olonkafa. Voatokana ho an'ny Tompony irery izy. Moa ve tahaka izany ny fifandraisanao amin'ny Tompo ? Moa ve ny Tompo afaka miteny aminao hoe "Zaridainako ahy manokana ianao, voatokana ho Ahy samirery ?" Maro ny zavatra eto amin'izao tontolo izao izay mety hahasarika antsika, ohatra hoe fahafahana manangom-bola mihoatra noho izay ilaina, mitady fahefana sy laza amam-boninahitra, manao izay hahafantaran'ny olona ny tena sy ny sisa. Ny fakam-panahy tahaka izany dia azo oharina amin'ireo lehilahy hafa mitady hisarika ny ampakarina. Saingy eto dia tsy manaitra ny ampakarina ireny. Ny malalany irery ihany no mahasarika azy. Ho an'ny mpampakatra irery ihany izy. Vitsy dia vitsy ny mpino no manana fifandraisana amin'ny Kristy tahaka izany ary izany no antony tsy maha-mpifankatia azy sy ny Tompo sady tsy hahatakarany ny Teniny. Ny tsiambaratelon'ny fahaizana ny Baiboly dia izao mpifankatia ianao sy ny Tompo aloha voalohany indrindra. Tsy misy mahay manazava amintsika ny dikan'ny teniny mihoatra noho Izy. Miaraha mandeha Aminy tahaka ny nataon'ireo mpianany voalohany ary maniria fatratra ny handre Azy miteny aminao. Dia hisokatra tahaka ny mason'izy ireo ny masonao ary hirehitra tahaka ny fony ny fonao.

Ao amin'ny Tononkiran'i Solomona 5:2 rehefa tonga sasakalina ny mpampakatra niantso hoe "Vohay aho ry havako" dia kamo loatra razazavavy andeha hiakanjo sy hamoha varavarana (Tononkiran'i Solomona 5:3). Natahotra izy sao haloto indray ny tongony (izay efa nosasany). Niezaka nanala ny hidim-baravarana ilay tao ivelany (Tononkiran'i Solomona 5:4). Koa niova hevitra razazavavy ary nanokatra ny varavarana, kinanjo efa lasa ny malalany. Lasa izy satria rehefa niantso izy dia tsy namaly teo no ho eo razazavavy. Mety mitranga amintsika koa izany. Mety miteny amintsika koa ny Tompo hoe "Ajanony izao dia izao izay zavatra rehetra ataonao. Ajanony ny famakiana an'io boky io. Ajanony izany resaka ataonao izany. Avia hitokana miaraka amiko sy miresaha Amiko. Avia hiara-mitsangatsangana Amiko". Ary mety hamaly Azy isika hoe "Tompo ô, andraso kely vetivety fotsiny. Misy asa lehibe tsy maintsy ataoko. Ho vitaiko ao anatin'ny fahefak'adiny dia ho avy aho". Ary rehefa afaka fahefak'adiny, rehefa vitantsika ilay asa lehibe dia miteny isika hoe "Tompo o, vonona amin'izay aho izao". Kinanjo ho hitantsika fa efa lasa Izy. Tsy hitantsika intsony Izy. Te ho tonga mpanompon'Andriamanitra mahomby ve ianao ? Ataovy fahazarana ny mamela ny zavatra rehetra rehefa miantso anao ny Tompo ary henoy Izy. Tsy hanenenanao mandrakizay izany.

Ao amin'ny Tononkiran'i Solomona 5:2 dia hoy ny mpampakatra tamin'ny ampakarina "Nivoaka tamin'ny alina aho ary vonton'ando ny lohako". Satria Jesosy nidina tety an-tany hitady sy hamonjy ny very dia nandeha tamin'ny lalan'ny hazofijaliana Izy (lalan'ny fandavan-tena) ary nijaly Izy rehefa nitady ireo ondry very tao anatin'ny alina maizin'izao tontolo izao. Ankehitriny Izy dia manasa ny fofombadiny hanaraka azy amin'izany lalana izany koa. Saingy tsy mazoto ny fofombadiny.

Ao amin'ny Tononkiran'i Solomona 6:4-10 dia maneho ny fitiavany sy fankasitrahany ny fofombadiny ny mpampakatra. Milaza izy fa amin'ny vehivavy rehetra dia tsy misy tahaka ny fofombadiny, ilay tsy misy kilema. "Nofidiko tao anatin'ny vehivavy rehetra". Tahaka izany no tokony ho fijerin'ny lehilahy rehetra ny vadiny. "Maro ny vehivavy tsara tarehy eto amin'izao tontolo izao kanefa tsy misy tahaka ny vadiko. Ny vadiko no voalohany eo imasoko". Izany no lazain'ny Tompo momba antsika. Tia antsika mihoatra noho ny olon-kendry sy mpanankarena ary malaza eto amin'izao tontolo izao ny Tompontsika.

Ao amin'ny Tononkiran'i Solomona 7:1-10 dia mankalaza ny fofombadiny ny mpampakatra. Aoka hazava amintsika tsara fa na ao aza ny fahalementsika rehetra dia mankalaza sy mankasitraka antsika ny Tompo. Ny ankamaroan'ny mpino dia manamelo-tena mandrakariva satria tsy mino izy fa mankalaza azy ny Tompo. Ary rehefa mankalaza ny molotry ny fofombadiny ny mpampakatra dia mailaka razazavavy mamaly fa ny molotry ny mpampakatra mihitsy aza no tena tahaka izany (Tononkiran'i Solomona 7:10) ! Maneho fa mpifankatia tokoa izy roa, tokony ho mpifankatia tahaka izany isika sy ny Tompontsika.

Ao amin'ny Tononkiran'i Solomona 7:11 dia hoy razazavavy "An'ny malalako aho, sady manina ahy izy (ho amiko ny faniriany)". Tsy milaza fotsiny razazavavy eto hoe an'ny Tompo izy fa koa hoe faly aminy ny Tompony. Hafa ny miteny hoe "Tiako ianao". Fa hafa ny miteny hoe "Faly aminao aho". Mety tia ny vadiny ny lehilahy anankiray kanefa mety tsy faly amin'ny fihetsiky ny vadiny izy. Mety tia anao ny Tompo kanefa mety tsy faly amin'ny lafin-javatra maro eo amin'ny fiainanao Izy. Ny tena fitiavana dia manao izay hahafaly ny Tompo. Amin'izay fotoana izay ny ampakarina dia tonga mpiara-miasa amin'ny mpampakatra ka miteny hoe "Avia ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika" (Tononkiran'i Solomona 7:12). Efa miara-misalahy amin'ny vadiny razazavavy izao amin'ny fikarakarana ny saha misy vokatra tokony hojinjaina. Kanefa aza mandeha irery hankany amin'ireny saha ireny mihitsy ianao. Miaraha amin'ny malalanao. Manàna fifandraisana Aminy ary manompoa Azy avy eo. Izy ihany no mahalala ny faritra tsara indrindra amin'ny saha izay tokony hanaovanao asa ho Azy.

Izany no fomba niezahako nanompoana ny Tompo tao anatin'izay enimpolo taona lasa izay. Tsy mba te handeha irery aho na aiza na aiza. Hoy aho "Tompo ô, ianao no mpitari-dàlana ary hanaraka Anao aho. Andeha isika hiaraka hankany an-tsaha. Lazao amiko izay toerana alehanao. Ary raha tsy ho any Ianao dia tsy te ho any koa aho". Raha manompo ny Tompo ao anatin'ny fiombonam-panahy Aminy sy amin'ny fanekena Azy isika dia tsy hisy fireharehana eo amin'ny fiainantsika, ary tsy hampitaha ny fanompoantsika amin'ny fanompoan'ny hafa isika na iza izy na iza.