WFTW Body: 

Hoy Jesosy "Aza mihary harena ho anareo ety an-tany, izay misy kalalao sy
harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa
miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina
manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra - izao no
antony - satria izay itoeran'ny harenao dia any koa ny fonao" (Matio
6:19-21). Ny ankamaroan'ny olona dia tsy mino fa ratsy ny fitiavam-bola. Tsy
fahotana ny fananana vola fa ny fitiavam-bola no fahotana.

Mora fotsiny ny ahafantarana na mankato an'io didy io ianao na tsia. Raha
toa ny sainao mitodika kokoa any amin'ny zavatry ny tany noho ny any amin'ny
zavatry ny lanitra, izany hoe, raha ny harena amam-pananana ety an-tany no
saintsaininao mihoatra noho ny zavatry ny lanitra dia azo antoka fa ety
an-tany ny fonao ary ety koa ny harenao. Ny hahafantarana na nankato an'io
didy io isika na tsia dia izao, aoka samy hanontany tena hoe aiza no misy ny
foko mandritra ny andro. Eo am-panaovana ny asa eo (na raharaha hafa) raha
toa ka mitebiteby fatratra isika rehefa misy fatiantoka na koa hoe
mientan-kafaliana isika rehefa mahazo tombony dia manambara izany fa eto
amin'ity tany ity ny tena harentsika.

Taona maro lasa izay dia tsaroako fa nisy olona nanome ahy fanomezana kely
ary izao no fanontaniana napetraky ny Tompo tamiko : "Nitombo ve ny
fifalianao ?" Avy hatrany aho dia niaiky fa marina izany ary nibebaka
tamin'ny Tompo aho fa nitombo tokoa ny fifaliako noho io vola kely azoko io.
Tamin'io andro io no nianarako fa tsy maintsy ao amin'ny Tompo irery ny
fifaliako fa tsy ao amin'ny vola. Nianarako ihany koa fa ny fitombon'ny vola
dia tsy tokony hampitombo ny fifaliako mihitsy. Raha mampitombo ny fifaliako
izany dia midika fa ao amin'ny vola ny fifaliako.

Mamporisika antsika ny Baiboly hifaly ao amin'ny Tompo, ary ny Tompo dia tsy
miova. Koa na mahazo vola ianao na very vola dia tsy tokony hitombo na
hihena ny fifalianao ao amin'ny Tompo. Tokony tsy hiova mihitsy izany. Raha
nihena ny fifalianao satria nisy vola very dia azo antoka fa tao amin'iny ny
fonao. Raha nitombo ny fifalianao satria nahazo tombony tombony dia azo
antoka fa tao amin'iny ny fonao. Tsy maintsy matoky an'Andriamanitra isika.
Homeny antsika izay rehetra ilaintsika eo amin'ny fiainana ety an-tany
kanefa tsy tokony hahita ny fifaliantsika ao amin'ireny zavatry ny tany
ireny isika. Azontsika ampiasaina ireny kanefa tsy azontsika atao hahazoana
fifaliana.

Mpanompo mahafatrapo ny vola saingy tompo tsy mifaditrovana koa izy, mitovy
amin'ny afo. Tsy velona isika raha tsy misy afo ao an-trano ohatra hoe
handrahoina hanina. Kanefa raha iny afo ao am-patana iny no lasa tompo ka
mandidy ny ao an-trano dia ho may ny trano. Tompo tsy mifaditrovana ny afo,
mahavita mandoro ny tranonao iray manontolo izy, kanefa raha ianao no
mandidy azy (rehefa ahenanao ny afo ary miteny ianao hoe "Izaho no mandidy
na ampirehetiko ianao na vonoiko. Izaho no mandidy fa tsy ianao". Amin'izay
fotoana izay dia ianao no tompo ao an-trano). Ary amin'izay fotoana izay koa
dia tonga mpanompo mahafatrapo ny afo. Tsy maintsy atao tahaka izany koa ny
vola. Tahaka ny ilantsika ny afo no ilantsika ny vola koa ivelomantsika eto
an-tany kanefa tsy maintsy atao mpanompo izy. Tsy maintsy miteny ianao hoe
"O ry vola, nanapa-kevitra aho fa tsy handidy ahy intsony ianao. Izaho no
handidy anao. Tsy ianao no handidy ny saiko ka hahatonga ahy hisaintsaina
anao isan'andro. Ny Tompo sy ny zavatry ny lanitra no hosaintsainiko fa
ianao kosa hampiasaiko". Izany no fanapahan-kevitry ny olona ara-panahy.

Tena tsara ny volamena raha atao mpanompo. Lazain'ny Baiboly aza fa misy
volamena any an-danitra any ! Kanefa ny vakiantsika ao dia hoe lalambe tena
volamena. Ny dikany dia eo amboniny no andehanana, hitsahin'ny tongotsika
izy izany. Izany no mahasamy hafa ny kristiana misaina ny any an-danitra sy
ny kristiana misaina ny ety an-tany. Ny kristiana misaina ny any an-danitra
dia manao ny volamena ho ao ambanin'ny tongony, izany hoe tsy manapaka azy.
Fa ny an'ny kristiana ara-nofo dia ataony eo ambony lohany ny volamena ary
saintsaininy isan'andro.

Koa raha vola foana no ao an-tsainao ao dia tia vola ianao, na tianao na tsy
tianao. Tahaka ny tovolahy tia tovovavy anankiray izay tsy afaka an-tsainy
mihitsy. Raha tsy afaka an-tsainao ny vola dia tia vola ianao, ary ny
fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra. Tsy voatery ho mpanankarena ianao
vao ho tia vola. Tsy mbola nahita mpangataka tsy tia vola aho. Tia vola
avokoa ny mpangataka rehetra. Raha omenao dimampolo izy dia ataony
tsinontsinona iny. Tia vola izy ary te hahazo vola bebe kokoa. Noho izany
dia tsy ny harena no mahatonga ny olona ho tia vola. Mitovy ihany ny
fitiavam-bolan'ny olona na mahantra izy na manankarena.

Dia toy izany koa, azon'ny olona atao tsara ny miala amin'ny fatiavam-bola
na miavosa be aza ny harenany. Ny toe-tsainao manoloana ny vola no
zava-dehibe. Raha ny mpiasa no mandidy ny ao an-tokantranonao dia ho
zavadoza. Mety hoe kely ny vola anananao (tahaka ny manana mpanampy
anankiray) kanefa mety iny no handidy ny ao an-tranonao sy hanapaka ny saina
aman'eritreritrao. Etsy an-daniny kosa, afaka manana mpiasa miisa 318 tahaka
an'i Abrahama ianao kanefa mpanompon'i Abrahama avokoa izy rehetra ary
nankato azy. Tahaka an'i Abrahama dia azo atao ny manam-bola be ary raha
vitanao ny manapaka an'ireny dia azonao ampiasaina ho
voninahitr'Andriamanitra izy.

Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra (tsy voatery hoe ny fananana
vola be). Zava-dehibe mihitsy ny hahaizantsika manavaka an'ireo. Efa nahita
mahantra maro tia vola be aho ary efa nahita mpanankarena tsy tia vola.
Hitako fa tsy miankina amin'ny habetsahan'ny fananana izany ilay izy fa
miankina amin'ny fitiavana azy. Izany no tian'i Jesosy nambara. Tsy maintsy
mifantoka amin'ny zavatra any ambony ny sainao. Miharia harena any
an-danitra. Fantaro tsara ny eritreritrao, aiza no misy ny fonao, mba
hahitanao ny zavatra ankafizinao.

Dia tohizan'i Jesosy ihany ny teniny ka nampifandraisiny ny maso sy ny vola
ao amin'ny Matio 6:22 "Ny maso no jiron'ny tena, koa amin'izany, raha tsara
ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra". Ny dikan'izany dia hoe ny
fomba fahitanao ny vola no zava-dehibe. Raha ratsy ny masonao, izany hoe
raha jerenao tahaka ny zavatra manan-danja tokoa ny vola, jerenao tahaka ny
zava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainanao, dia ho maizina ny tenanao
rehetra. "Koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny
halehiben'izany fahamaizinana izany !". Mahagaga fa maro ny olona mivoy
fotopampianarana marina, kristiana tsara eo imason'ny olona sady mandeha tsy
tapaka any am-piangonana nefa tia vola loatra. Mety hanambany ny
antokom-pivavahana hafa mihitsy aza izy. Kanefa tsy fantany fa ny mpiangona
ao amin'ireny antokom-pivavahana maty ireny dia afaka amin'ny fitiavam-bola
kokoa noho izy, izay milaza ny tenany fa efa ao amin'ny fiangonan'ny
Testamenta Vaovao.

Apetraho aminao ireto fanontaniana fototra ireto : faly ery ve ianao rehefa
mahazo vola misimisy kokoa ? Mifendrofendro ve ianao rehefa very vola ? Raha
izany dia tia vola ianao. Tsy ho voakitik'izany ny fifaliantsika raha ao
amin'ny Tompo irery. Raha miankina amin'ny zavatry ny tany ny fifaliantsika
dia hiaka-midina hanaraka ny fiovaovan'ny fidiram-bolantsika.

Tsy misy olona mahay manompo tompo roa. "Fa ny anankiray ho halany ary ny
anankiray ho tiany". Toa zavatra tafahoatra no lazain'i Jesosy eto, tahaka
ny tamin'ny niresahan'i Jesosy ny fankahalana ny ray, ny reny, ny vady, ny
zanaka, ny rahalahy ary ny anabavy ao amin'ny Lioka 14:26. Henjana loatra ny
tenin'i Jesosy. Milaza Izy fa raha te hitia an'Andriamanitra ianao dia tsy
maintsy mankahala vola (Matio 6:24). Ny mamôna dia ilazana ny vola, ny
trano, ny tahiry sy ny petrabola. Lazain'i Jesosy fa raha te hitia
an'Andriamanitra ianao dia tsy maintsy ankahalainao izany rehetra izany.
Azonao ampiasaina ny vola kanefa ny fitiavanao an'Andriamanitra no tsy
maintsy ambony indrindra toy ny famirapiratry ny masoandro, ka hanjavona
tahaka ny fanjavon'ny kintana amin'ny antoandro ny fankafizanao vola. Raha
tsy izany no izy dia tsy afaka manompo an'Andriamanitra ianao.

Hoy Jesosy "ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny". Ampidiro ao
amin'io fehezan-teny io ny teny hoe "Andriamanitra" sy ny hoe "mamôna" dia
toy izao ny fivakiny : "Tsy misy olona mahay manompo an'Andriamanitra sy ny
zavatra ara-nofo (vola aman-karena). Fa na izy hankahala vola ary ho tia
an'Andriamanitra na izy hankahala an'Andriamanitra ary ho tia vola". Ny
dikan'io tenin'i Jesosy io dia hoe na iza na iza no tia vola dia mankahala
an'Andriamanitra. Mety tsy fantatrao izany taloha fa fantatrao izy izao.
Milaza i Jesosy fa raha tia vola ianao dia mankahala an'Andriamanitra. Ianao
mety mbola mihevitra fa tia an'Andriamanitra satria manao hira fihirana
marobe ho Azy kanefa tsy izany no nolazain'i Jesosy.

Ny nolazain'i Jesosy dia izao raha mifikitra amin'Andriamanitra ianao dia
hanamavo ny vola ary raha mifikitra amin'ny vola ianao dia hanamavo
an'Andriamanitra. Azonao atao ny manam-bola sy mitady vola kanefa raha vao
manomboka tiavinao ny vola dia manomboka ankahalainao Andriamanitra. Mety
nanome asa tsara ho anao Andriamanitra na nampandova anao vola be, eny tsara
izany. Kanefa raha tiavinao sy fikirinao ny vola dia amavoinao sy
ankahalainao Andriamanitra. Tena zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra
an'izany sy misafidy hanana toe-tsaina mendrika raha te hanompo ny Tompo
amin'ny fahamarinana isika.