WFTW Body: 

"Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, fa aza miankina amin'ny fahalalanao ; maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, fa Izy hitandrina ny làlanao" (Ohabolana 3:5-6).

Ny fo no tena antitranterina ao amin'io andininy io. Izany fanantitranterana ny fo izany dia miverina matetika ao amin'ny bokin'ny Ohabolana. Hitantsika eto fa ny finoana dia tsy misy ifandraisany amin'ny saina. Mahavariana fa Solomona mihitsy no nahatakatra an'izany tao amin'ny Testamenta taloha saingy isika indray no manao izany fahadisoana izany indraindray. Misy fahamarinana sasany takatsika tsara (ohatra hoe Andriamanitra dia Ray be fitiavana na hoe ny fitiavan'Andriamanitra ny mpianatr'i Jesosy dia mitovy ihany tamin'ny fitiavan'Andriamanitra an'i Jesosy. Izany hoe tsy ny olona rehetra no tian'Andriamanitra tahaka an'i Jesosy, tsy ny mpino rehetra koa fa ny mpianatr'i Jesosy izay efa nahafoy ny zavatra rehetra ihany) kanefa mety amin'ny saiko fotsiny no ahatakarako ireny zavatra ireny. Ao anatin'ny fitsapana dia mbola mitebiteby ihany aho satria tsy tamin'ny foko no ninoako an'ireny. Samy hafa be tokoa ny hoe mino zavatra anankiray ao an-tsaiko, izay karazana finoana ananan'ny devoly, sy ny hoe matoky ny Tompo amin'ny foko rehetra, izay ilàko ny fanambaran'ny Fanahy Masina (révélation).

Raha finoana ara-tsaina no tadiavintsika dia mpampianatra Baiboly mahay fotsiny no ilaintsika hanazava ny lohahevitra iray dia ho azontsika tsara izany. Dia mihevitra isika fa izay ilay finoana, kanefa ao anatin'ny fisedrana dia ho hitantsika fa tsy finoana velively ilay izy. Mihevitra isika fa manam-bola, kanefa rehefa tonga any amin'ny mpivarotra dia hay vola sandoka ilay izy. Sarin'ny vola tena izy fotsiny fa tsy tena vola. Ny fisedrana no hampiharihary fa tsy avy ao anatin'ny fontsika ny finoantsika fa avy ao anatin'ny lohantsika fotsiny. Izany no tsy maintsy ivavahantsika mafy mba hanomezan'Andriamanitra antsika "révélation". Rehefa omena antsika izany dia tsy hijanona ao an-tsaintsika fotsiny ny finoana fa hilentika lalina ao am-pontsika. Koa amin'ny fotoam-pisedrana dia hihazona antsika izany finoantsika izany ka tsy hihozongozona isika. Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra !

Izao koa no voalaza "Aza miankina amin'ny fahalalanao". Ny fahalalantsika dia ny fandinihantsika manokana ao anatin'ny saina ao. Tsy avelany hiankina amin'ny sainao ianao ! Fa aoka hoy Izy hatoky ny Tompo amin'ny fonao rehetra ianao. Mampiseho ny fahasamihafan'ny fo sy ny saina Izy eto. Hoy Izy "Tsy azonao ianteherana ny sainao. Ny sainao dia manome toky anao fa efa mino ianao hoe Ray be fitiavana Andriamanitra. Kanefa rehefa tonga ny fitsapana dia mahazo anao ny fanahiana sy tebiteby. Izany dia manaporofo fa tsy inoanao amin'ny fonao rehetra ilay hoe Ray be fitiavana Andriamanitra". Izao no resahintsika matetika ao amin'ny fiangonantsika : ny fahavalon'ny finoana voalohany indrindra dia ny fahakingan'ny saina. Koa sarotra dia sarotra ho an'ny olona kinga saina ny manam-pinoana. Tsy hoe tsy hisy mihitsy akory izany fa sarotra ho azy satria mora miantehitra amin'ny fahaizany amam-pahalalany izy. Ary ho hitanao fa ireny olona kinga saina ireny dia be fanahiana lava na dia azony tsara aza ny ankamaroan'ny Soratra Masina. Tsy mahavita mandresy fahotana izy ireny satria tsy manam-pinoana. Mahira-tsaina izy ka miantehitra amin'ny fandinihan'ny sainy.

Izany no fahadisoana lehibe ataon'ny sekoly biblika sy ny kolejy biblika rehetra. Ny zavatra tsy avelan'ny Tenin'Andriamanitra atao mihitsy no asainy ataon'ny mpianany : asainy miankina amin'ny fahalalany ny mpianatra ka miezaka hanakatra sy hanazava ny Soratra Masina. Tsy misy intsony fomba ahafahan'ny Fanahy Masina manome fanambarana na "révélation". Ny vokany dia tonga sakana lehibe indrindra ho an'ny asan'Andriamanitra hatraiza hatraiza ny olona nivoaka avy tamin'ny sekoly sy kolejy biblika satria nandika an'io fitsipika io izy. Tsy ny fianarana any amin'ny sekoly biblika no ahazoanao finoana. Ny finoana dia azo avy amin'ny fanambaran'ny Fanahy Masina. Ary mihatra ao am-piangonana koa izany. Tsy tokony takarina ara-tsaina fotsiny ny foto-pampianarana na doctrine ary hampitaina any amin'ny hafa avy eo. Tsy maintsy ataontsika latsaka am-po ireny. Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, ary aza miankina amin'ny fahalalanao.

Hoy ny Ohabolana 3:6 "Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra". Raha lazaina tsotra dia izao, atolory an'Andriamanitra ny lafiny rehetra amin'ny fiainanao. Avelao Izy handidy sy hanapaka ny ara-bolanao, ny zavatra vakianao, hanapaka ny fandanianao ny fotoananao, hanapaka ny lafiny rehetra amin'ny fiainan'ny ankohonanao, ny fanirianao mikasika ny hoavin'ny zanakao, avelao Izy hanapaka ny asa fivelomanao, avelao Izy hanapaka anao amin'ny lafiny rehetra. Amin'ny alehanao rehetra. Ary Izy handamina ny alehanao, Izy no hitarika ny dianao sy hitari-dàlana anao. Maro ny olona no te hahazo toro-làlana ao amin'ny sehatra anankiray amin'ny fiainany ka miteny hoe "Tompo o, ato amin'ity sehatra anankiray ity dia vonona aho hanao izay rehetra tianao hataoko. Tariho làlana aho". Ary izao no avalin'ny Tompo "Tsy afaka mitarika anao Aho satria tsy manaiky Ahy ianao any amin'ny sehatra rehetra ! Aza amin'ity sehatra anankiray ity ihany no anekenao Ahy fa aoka mba ho amin'ny sehatra rehetra. Raha vonona ianao ny hamela Ahy handidy sy hanapaka ny fiainanao manontolo dia hitari-dàlana anao Aho".

Raha sehatra anakiray fotsiny no ilànao tari-dàlana avy amin'Andriamanitra ary io sehatra iray io ihany no atolotrao eo an-tanan'Andriamanitra dia tsy misy fampanantenana torolàlana ho anao. Fa raha amin'ny alehanao rehetra kosa, izany hoe amin'ireo lafiny rehetra eo amin'ny fiainanao no anekenao Azy ary te hamela Azy hitarika ny dianao ianao dia hitari-dàlana anao Izy. Ary tsy hitari-dàlana anao fotsiny Izy fa voalaza koa hoe "hisava ny làlana alehanao Izy". Io làlana feno sakantsakana maro io dia hodioviny. Ry rahalahy sy anabavy, raha hitanao fa misy sakantsakana maro isan-karazany eo amin'ny fiainanao tsy ahafahanao mandroso dia tadidio fotsiny ity teny ity : Raha manaiky an'Andriamanitra amin'ny alehanao rehetra ianao ary matoky Azy amin'ny fonao rehetra fa tsy miankina amin'ny fahalalanao dia hisava ny làlanao Izy ! Tsy vitanao amin'ny herinao irery izany, efa ela ianao no niezaka. Izy no handamina ny alehanao. Eritrereto ange izany fiainana mahafinaritra be izany e, rehefa mandroso ianao dia mankeo alohanao Andriamanitra mandamina sy misava ny làlana izoranao. Izany no fiainan'ny olona matoky an'Andriamanitra amin'ny fony rehetra, tsy miankina amin'ny fahaizana amam-pahendreny izy fa manaiky an'Andriamanitra amin'ny sehatra rehetra eo amin'ny fiainany.