"Aza mitsara ary aza manameloka ny hafa mba tsy hotsaraina sy hohelohina koa hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo ; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao ? Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe : Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao ; nefa, indro, ny andry eo amin'ny masonao ? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao" (Matio 7:1-5).
Eny, tena mampalahelo tokoa fa mahazatra ny kristiana ny mitsara, mamingavinga ary manao tsinontsinona olona. Fahita eo amin'ny tontolo kristiana ny fiheveran-tena ho ambony noho ny hafa nefa matetika tsy fantatsika akory ny momba ilay olona. Izao no voalaza ao amin'ny Hebreo 9:27 "Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana". Rehefa inona moa no mitsara ny olona ilay Andriamanitra Tsitoha Mpamorona izao rehetra izao ? Araka ny voalazan'io andininy io dia "maty indray mandeha aloha ny olona ary aorian'izany vao hisy fitsarana". Koa rehefa maty ilay olona vao tsarain'Andriamanitra.
Ary ianao, rehefa inona ianao no mitsara olona ? Tsarainao elabe mialoha ny fahafatesany ilay olona. Fa nahoana moa Andriamanitra no miandry ny fahafatesan'ny olona anankiray vao mitsara azy ? Mety olona ratsy fanahy iny, kanefa hoy Andriamanitra "Mbola manana fanantenana Aho. Mety mbola hiova izy" noho izany dia miandry Andriamanitra. Eritrereto ange raha tonga dia notsarain'Andriamanitra talohan'ny nahafatesany ilay jiolahy anankiray teo ambony hazofijaliana, ilay nankany amin'ny paradisa. Eritrereto raha notsarain'Andriamanitra minitra vitsy na ora vitsy talohan'ny nahafatesany izy. Ho zava-doza loatra izany. Hay olona mendrika ho any amin'ny Paradisa izy tamin'ny farany, kanefa saika notsaraina sy nohelohina tany amin'ny helo. Nandrasan'Andriamanitra ho faty izy aloha ary avy eo dia nentiny tany amin'ny paradisa. Mampiseho izany fa miandry ny fahafatesan'ny olona anankiray Andriamanitra vao mitsara azy. Ny olombelona no tsy manam-paharetana sady mitsara alohan'ny ahafatesan'ny olona. Izany ny hadalan'ny olombelona. Tsy fantany akory ny zava-marina rehetra. Tsy fantany akory ny 99 isan-jaton'ny fiainana manokan'ilay olona, ny fiainany anaty. Tsy fantany akory izay fitolomana am-bavaka ataon'ilay olona kanefa tsarainy. Tsy hisy mpitsara mahay ny asany hanaiky hitsara raharaha miaraka amin'izany porofo kely dia kely izany. Raha tsy mahafantatra afa tsy 1 isan-jaton'ny raharaha anankiray ny mpitsara dia hiteny hoe "Henoinareo aho, mila porofo bebe kokoa aho vao afaka mamoaka didim-pitsarana. Eo am-piandrasana izany dia mihantona ny fitsarana". Izany no tokony holazain'ny kristiana rehetra koa.
Rehefa mitsara olona isika dia mampiseho ny taratry ny toe-pontsika izany. Araka ny voalaza ao amin'ny Ohabolana 27:19 hoe "Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona". Toy ny mijery fitaratra ka ny tarehin'ilay olona ihany no hitany eo. Ny dikan'izany dia izao, ny toetra ratsy eritreretinao fa ao anatin'ny fon'ny olona anankiray dia manondro fotsiny ny toetra ratsy ao anatin'ny fonao. Mieritreritra ianao fa tsy amin'ny fahatsorana mihitsy no anaovan'io olona io zavatra. Izao no ao an-tsainao "Tsy maintsy misy zavatra tetehany ao matoa izy manao an'io satria raha tahaka ahy, tsy manao an'io aho raha tsy misy zavatra tetehako". Mampiharihary ny ao am-ponao izany. Tena hadalana tokoa ny mitsara ny hafa.
Diniho ny fanoharana mikasika ilay zanaka adala. Ao amin'io fanoharana io no amakiantsika ny tantaran'ilay zanaka lahimatoa. Tena tezitra be mihitsy izy rehefa nahita ny hafalian'ny rainy noho ny fiverenan'ilay zanaka adala. Rehefa nivoaka nanontany io zanany lahimatoa io ny Rainy hoe nahoana ianao no tsy miditra ao an-trano dia izao no navaliny ao amin'ny Lioka 15:30 "Io zanakao io". Tsy mba nataony akory hoe "io zandriko io". Jereo ange izany famingavingana. "Izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga". Ahoana moa no nahafantarany an'izany ? Ahoana moa no nieritreretany fa nandeha tany amin'ny vehivavy janga ny zandriny ? Nisy olona nitatitra an'izany taminy ve ? Tsy nisy akory. Tonga dia nihevitra fotsiny izy fa tsy maintsy nandany ny volany tamin'ny vehivavy janga ny rahalahiny. Mety tsy izany akory no marina. Mety nisotrosotro sy nandanilany ny volany tamin'ny hadalana hafa izy fa angamba tsy tamin'ny vehivavy janga. Kanefa rehefa manana sain-diso mikasika ny rahalahiny tahaka ny an'ity lahimatoa ity ny olona anankiray dia hanana sain-diso foana izy mikasika ny hafa. Ary isak'izay manana sain-diso mikasika ny olona anankiray ianao dia fantaro fa ianao no tena fototry ny olana fa tsy ilay olona. Amin'ny farany iny olona iny mety miray latabatra amin'ny Rainy mihinana zanak'omby matavy ary mety ianao no any ivelan'ny trano.
Ny tantaran'ny zanaka adala dia ahitantsika fa eo am-piandohan'ny tantara dia ilay zandriny no any ivelan'ny trano ary ilay zokiny ao an-trano. Amin'ny faran'ny tantara dia ilay zandriny no ao antrano fa ilay zokiny any ivelany satria nitsara ny hafa izy. Ataovy mihitsy izay tsy hahatonga anao ho any ivelan'ny tranon'ny Ray noho ny fitsaranao olona nefa tsy nisy zavatra fantatrao. Ny fomba azo antoka indrindra dia tsy mitsara fotsiny.
Aza mitsara ny hafa. Lazain'i Jesosy hoe raha mitsara ianao dia inona no tsarainao ? Ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao ve no tsarainao kanefa misy andry eo amin'ny masonao ? Izany no nolazain'i Jesosy. Inona moa ny andry eo amin'ny mason'ny olona anankiray ? Tsy misy olona manana vatankazo ao anatin'ny masony izany. Kanefa fanahy inian'i Jesosy nitarina tahaka izany mihitsy mba hanehoana fa ratsy lavitra noho ny an'ilay olona ny fahotanao. Eny, mety nisy ratsy nataon'ilay olona. Kanefa ny tsi-fitiavanao an'iny olona iny dia vatan-kazo raha oharina amin'ny fahotany izay tahaka ny sombin-kazo.
Mety hoe nankany amin'ny vehivavy janga izy. Marina fa fahotana izany. Kanefa na izany aza dia sombin-kazo kely izany raha oharina amin'ny toetra tsy manam-pitiavana izay mitovy amin'ny vatan-kazo be. Asain'ny Tompo manala izany tsi-fitiavana ny hafa izany isika. Lazain'i Jesosy fa izany toetra tsy misy fitiavana asehontsika ny olona izany no mahatonga antsika hahita tsininy foana eo amin'ilay olona. Na inona na inona ataon'io olona io dia lazainao fa misy ambadika foana manosika azy hanao an'izany. Tsy afaka manao zavatra tsara io olona io. Ratsy ny fahitanao an'ilay olona kanefa tsy hitanao ny faharatsianao amin'izany toetra tsy misy fitiavana azy izany. Noho izany dia inona no ambaran'ny Tompo ? Eritrereto hoe misy olona anankiray izay zara raha mahita ny masony. Handeha hanatona an'iny olona iny ve ianao hanala zavatra ao anatin'ny masonao ? Handeha hijery dokotera maso izay efa mila ho jamban'ny katarakta sy areti-maso hafa ve ianao ? Ahoana tokoa moa no ahafahany mitsabo ny masonao sy manaisotra sombinkazo kely ao ? Tsy hanatona an'izany olona izany akory aho.
Izao no ambaran'ny Tompo. Ahoana moa no hahafahanao milaza amin'ny rahalahinao hoe "Avelao esoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao" kanefa misy vatankazo be tsy ahafahanao mahita tsara ao amin'ny masonao ? Mety hanimba ny mason'ilay olona ianao amin'izany. Hoy ny Tompo "Ry mpihatsaravelatsihy ! Jereo ny toetranareo tsy misy fitiavana". Ny olona rehetra tsy manam-pitiavana sy mitsara ny hafa dia mpihatsaravelatsihy araka ny voalazan'ny Matio 7:5. Voalohany indrindra dia esory aloha io toetra tsy misy fitiavana io dia hahita mazava kokoa ianao. Amin'izay fotoana izay dia mety hanatona anao an-tsitrapo io rahalahy io hiteny hoe "Rahalahy ô, mba azonao esorina ve ny sombinkazo eo amin'ny masoko". Tsy mahafinaritra be ve raha tonga aminao izany ?