WFTW Body: 

Fahaiza-mamantatra

Satria efa miha manakaiky ny andro farany dia miha mitombo hatrany koa ny fiasan'ny Fanahy Masina ao amin'ny fiangonana. Miha mitombo hatrany torak'izany koa ny fiasan'ireo fanahy mpamitaka eto amin'izao tontolo izao. Koa raha tsy te ho anisan'izay voafitaka isika dia tsy maintsy mitandrina tsara ireto zavatra manaraka ireto :

(1) fihetsem-po hala tahaka (2) fihenjanana tafahoatra (3) fanaon'ny fariseo ary (4) fanaon'ny sekta.

Eny amin'izay iasan'ny Fanahy Masina no mba iasan'ny fahavalo koa. Noho izany dia aza mihinana am-bolony izay zavatra hitanao sy izay zavatra henonao. Mahaiza ianao mamantatra. Mety hiaraka amin'ny tabataba sy ny fientanam-po ny hetsiky ny Fanahy Masina, ary ireny aza dia tena manampy ny olona ho afaka amin'ny faneriterena isan-karazany sy ny henamaso. Tsy manamavo ny fihetsem-po isika, satria anisan'ny maha-izy antsika izany sady avy amin'Andriamanitra. Kanefa na izany aza dia tsy tokony hindrahindraina tafahoatra ny fihetsem-po satria ny fo no jeren'Andriamanitra fa tsy ny fihetsem-po. Tsara ny manandra-peo rehefa mivavaka, satria manampy anao izany mba tsy handrenesanao loatra ny feo manodidina anao. Tahaka ny manakimpy ny masonao rehefa mivavaka, mba hampifantoka anao bebe kokoa ka tsy ho voasariky ny zavatra manodidina. Tsy ireny fombafomba ireny akory no hahatonga anao ho olona ara-panahy kokoa, fa manampy anao kosa ireny mba hiatahanao amin'ny zavatra manodidina anao. Ny herin'ny Fanahy Masina dia tsy miseho ao anatin'ny kiakiaka, fa ao anatin'ny fiainam-pahamasinana, ao anatin'ny asa fanompoana mahomby, ary ao anatin'ny fijoroana vavolombelona any amin'ny toeram-piasana.

Misy hery mahery vaika ao anatin'ny fo aman'aina (âme) (herin'ny saina, herin'ny hetsipo ary herin'ny sitrapo). Ary marobe ny olona no mitrandraka ireny (tahaka ny any amin'ny yoga) ary mihevitra fa herin'ny Fanahy Masina ireny. Tsy tokony ho voafitak'ireny karazan-kery ireny ianao. Ny Fanahy Masina dia tsy maintsy mankalaza an'i Kristy mandrakariva , tsy hankalaza olona izy na hankalaza andram-piainana. Koa fomba anankiray azo antoka hahafantaranao ny hala tahaka izany.

Fahononan-tena

« Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena » (2 Timoty 1:7). Ny Fanahy Masina dia hanafoana ny tahotra rehetra sy ny fahosana rehetra ao amin'ny fiainanao ary hosoloiny hery sy fitiavana ary fahononan-tena izany. Tsy ho tonga olona ara-panahy mhitsy izay tsy manana fahononan-tena. Ny vokatry ny fanahy dia fahononam-po (Galatiana 5:23). Ny fiainana tsy misy fahononan-tena dia azo oharina amin'ny siny mitete. Na fenoinao impiry aza ny siny mitete dia tsy maintsy ho ritra foana ny rano ao anatiny. Dia tsy maintsy averimberina fenoina ilay siny. Amin'ireto sehatra telo ireto dia tsy maintsy ataonao izay hanananao fahononan-tena bebe kokoa hatrany : amin'ny fampiasanao (1) ny tenanao (2) ny fotoananao ary (3) ny volanao .

Ny Romana 8:13 dia manambara fa amin'ny alalan'ny Fanahy Masina no tsy maintsy amonoantsika ny asan'ny tena. Ireo asan'ny tena ireo dia tsy ireo mivoaka avy ao am-po tsy akory, satria izay asa mivoaka avy ao am-po dia fahotana iniana atao. Fa ireo asan'ny tena ireo dia ireo asa izay mivoaka avy ao amin'ny tenantsika noho ny namelantsika ny tenantsika hanaram-po, ohatra tamin'ny fihinanana diso tafahoatra, ny fatoriana diso tafahoatra, ny fanamparana ny hakamoana, ny fitsaontsaom-bava sy ny sisa. Ny Fanahy Masina dia te hanampy antsika mba hahaizantsika mifehy ny lelantsika indrindra indrindra.

Ny Efesiana 5:16 dia milaza hoe hararaoty ny andro azo hanaovan-tsoa. Raha mahonon-tena ianao dia betsaka amin'ireo fotoana izay lanilany foana no azonao ampiasaina hianaranao Baiboly. Tsy milaza aho akory hoe tsy mahazo miala sasatra ianao na tsy mahazo miala voly na toy izany. Tsy voatery hiditra amin'ny fivavahana haitraitra mampijaly vatana mihafy dia mihafy (ascétique) ianao satria ny fampijaliam-batana dia hitondra anao amin'ny fanandevozana. Ataovy izay azonao atao mba hanangonana « ny sombintsombin'ny » fotoana, tahaka ny nanangonan'ny mpianatra ny sombintsombin'ny mofo, mba « tsy hisy ho very » ( Jaona 6:12). Manàna fahononan-tena mba hanararaotanao ny andro azo hanaovan-tsoa, kanefa tandremonao sao lasa fanatika ! Aoka ho tony.

Ao amin'ny Lioka 16:11, dia nilaza Jesosy fa Andriamanitra dia tsy hanome ny tena harena ara-panahy amin'ireo olona izay tsy mahatoky amin'ny ara-bola. Voalohany indrindra dia tsy maintsy marina amin'ny ara-bola ianao. Izany hoe tsy manambaka olona, mandoa ny trosa rehetra sy ny sisa… Ny dingana manaraka dia tsy maintsy mahatoky amin'ny ara-bola ianao, izany hoe tsy maintsy ialànao ny fandaniam-poana, ny firobarobana, ny haitraitra tsy mahasoa ary ny fandaniam-be tsy voatery atao. Tadidio fa ny kristiana mahazo ny tsara indrindra avy amin'Andriamanitra dia ireo izay mamela ny Fanahy Masina hifehy ny fiainany.