WFTW Body: 

Imbetsaka teo amin'ny fiainako no nitodihako ny lasa sy nijereko ny fomba nitarihan'ny Tompo ahy ary nanavao ny finoako izany. Rehefa tojo zava-tsarotra toa tsy misy vahaolana aho dia tsiahiviko ireo teny fampanantenana ao amin'ny Baiboly ary henoiko ny fampaharezan'ny mpino. Kanefa ny tena mampatanjaka ny finoako indrindra dia rehefa itodihako ny lasa. Manontany ahy ny Tompo aho hoe "Moa hatramin'izay ve efa nisy fotoana nandaozako anao na dia indray mandeha aza". Voatery mamaly aho hoe, "Tsia Tompoko, tsy nisy na indray mandeha aza". Ary dia miteny Izy hoe "Tsy handao anao koa Aho amin'ity indray mandeha ity". Mampahery ahy fatratra mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra izany.

Mbola lavom-pahotana indray ve ianao ? Itodiho ny lasa dia jereo ny fomba namelan'ny Tompo ny helokao taloha. Fony izy namela ny helokao, tsy efa fantatry ny Tompo ve fa mbola ho lavo indray ianao ? Moa ve zavatra tsy nampoiziny ny fahalavoanao indray? Tsia. Koa mbola hamela anao indray Izy. Jereo amin'ny fankasitrahana ny lasa. Hampatanjaka ny finoanao izany. Ankasitraho ny famindrampon'ny Tompo. Rehefa mahita ny fahalavoanao taloha ianao dia hianatra hamindra fo amin'ny mpino lavo manodidina anao.

Tsy maintsy mitodika any ambony mandrakariva isika ahitantsika bebe kokoa ny voninahitry ny Tompo. Mbola betsaka amin'ny voninahitr'i Jesosy no tsy hitantsika. Tsy maintsy maniry fatratra isika hahita izany satria ho amin'izany endrika izany no ezahin'ny Fanahy Masina anovàna antsika. Rehefa mahita ny voninahitry ny Tompo isika dia hanetry tena satria ho hitantsika ny tsy fahatanterahantsika. Izany no tsiambaratelon'ny fahaizana manetry tena mandra-pahatapitry ny androm-piainana.

Tena mora foana ho an'ny olona voahosotr'Andriamanitra sy ampiasain'Andriamanitra amin'ny fomba mahery vaika no tonga mpieboebo. Efa nahita mpitory fivavahana maro tahaka izany aho. Satria nampiasain'Andriamanitra izy ireny dia lasa nirehareha loatra sy nihatakataka tamin'ny vahoaka. Fa inona moa no afaka mitahiry antsika ao amin'ny fahatorotoroana sy ny fanetren-tena mandra-pahafatintsika ? Zavatra tokana ihany : Mibanjina an'i Jesosy, ilay Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa ny finoantsika. Rehefa mijery an'i Jesosy isika dia tsy mahay mieboebo. Tonga mpirehareha ny olona rehefa manomboka mijery ny hafa ary mihevitra ny tenany fa tsara noho ireny, nahazo hosotra kokoa noho ireny, nampiasaina bebe kokoa noho ireny, sy ny sisa…

Fa raha mibanjina an'i Jesosy kosa ny olona anankiray dia hanohoka ny tavany eo amin'ny vovoka amin'ny fibebahana, tahaka ny nataon'ny Apôstôly Jaona tao amin'ny nosy Patmo. Ary raha mijery tsy tapaka an'i Jesosy izy dia hanohoka ny tavany eo amin'ny vovoka mandrakizay. Isika rehetra dia tokony hianatra hanohoka ny tavantsika eo amin'ny vovoka amin'ny fotoana rehetra. Eo no toerana hiarovana antsika. Koa raha tianao ho faly aminao Andriamanitra mandritry ny androm-piainanao manontolo dia mijere foana any ambony.

Misy zavamahagaga maro nomanin'Andriamanitra ho antsika. Misy asa tsara dia tsara nomaniny hataontsika. Tsy fantatsika ny fotoana handaozantsika ity tany ity. Kanefa alohan'ny fiverenan'ny Tompo dia te hanao ny raharaha analan'ny Tompo antsika isika eto amin'ity an-tany ity. Ny ankamaroan'ny olona eto amin'izao tontolo izao dia mijery ny hoavy amin'ny tahotra sy ny tebiteby. Fa isika kosa miandry ny ho avy amin'ny finoana.

Ao amin'ny Deotoronomia 11:21 (Baiboly KJV) dia nolazain'i Mosesy tamin'ny olona fa ny fanirian'Andriamanitra indrindra ho azy ireo dia hoe "mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny zanalahikareo tahaka ny andron'ny lanitra eto ambonin'ny tany". Izany no sitrapon'Andriamanitra ho antsika rehetra, izany hoe mba hitovy amin'ny andro any an-danitra ny androntsika eto an-tany. Tian'Andriamanitra isika na dia izao dia izao aza mba hanandrana mialoha ny fifaliana, ny fiadanana, ny fitiavana, ny fahadiovana ary ny fahatsaran'ny lanitra ao an-tokantranontsika sy ao am-piangonantsika. Efa nanandrana kely tamin'izany aho. Koa tsy mba enta-mavesatra amiko ny fiainako sy ny asa fanompoako. Tsia. Fifaliana ho ahy izany ary ny androko rehetra tsirairay dia mampientan-kafaliana ahy avokoa satria efa nianatra niaina araka ny fitsipiky ny lanitra aho, fa tsy araka ny fitsipiky ny tany. Tsy sarotra aminao ny manapa-kevitra ny hiaina tahaka izany eo amin'ny fanombohan'ny fiainana maha-kristiana anao. Kanefa manantena aho fa hanapa-kevitra hiaina araka ny fitsipiky ny lanitra ianao fa tsy araka ny an'ny tany na dia mandritra io taona ho avy io aza. Aoka ny masonao hifantoka any amin'i Jesosy Ilay naharitra hatramin'ny farany, mba ho tonga tahaka ny andron'ny lanitra eto an-tany ny andronao. Izany no sitrapon'Andriamanitra ho antsika.

Mirary taombaovao feno fitahiana tokoa ho anareo rehetra, heniky ny harem-pahasoavan'Andriamanitra tsara indrindra isan'andro.