WFTW Body: 

Amin'ny lafiny iray dia ahitantsika taratra ny amin'ny fahasambarana azo amin'ny alalan'ny fanomezam -boninahitra an'Andriamanitra ilay fampakaram-bady tao Kana (Jaona 2:1-11). Misy dikany manokana matoa fampakaram-bady no nofidian'i Jesosy hanehoany ny voninahiny voalohany indrindra. Na dia amin'izao fotoana izao aza dia mbola te haneho ny voninahiny any amin'ny fampakaram-bady rehetra i Jesosy ary koa any amin'ny fanambadiana rehetra. Ny firaisana ara-nofo, ny fitiavana ary ny fanambadiana dia anisan'ny fanomezan-tsarobidy indrindra nomen'Andriamanitra antsika ary noho izany dia azo atao fomba fanehoana ny voninahiny izy ireny, tsy amintsika ihany anefa, fa amin'ny hafa ihany koa amin'ny alalantsika, raha mety isika.

Ny tsi-fahampian'ny divay tao Kana dia mampiseho fa tsy maintsy hisy olana sy tsi-fahampiana maro hipoitra any amin'ny fanambadiana rehetra. Mety hitarika ny mpivady any amin'ny fahasorisorenana sy ny famoizam-po lava ireny olana ireny amin'ny farany. Kanefa raha Jesosy no omena ny toerana ambony indrindra ao anatin'ny fanambadiana, dia ho vahany vetivety foana ny olana sy tsi-fahampiana maro rehetra, tahaka izay nataony tao Kana.

Tsy mahafapo an'i Kristy raha ataontsika vahiny manan-kaja asaina ao an-tokantranontsika fotsiny Izy. Tsy maintsy ataontsika Tompo Izy. Kazarana vazivazy fotsiny ihany ny fametahana sora-baventy eo amin'ny rindrina misy soratra hoe "KRISTY NO LOHAN'ITY TOKANTRANO ITY", raha toa ka ny lahy (na ny vavy) no tena lohany ao. Na aiza na aiza kosa anefa anekena an'i Kristy ho Loha sy ho Tompo, dia maneho ny voninahiny mihitsy Izy, tahaka izay nataony tao Kana roa arivo taona lasa izay (andininy 11).

"Ataovy izay asainy ataonareo", izany no torohevitra nomen'i Maria an'ireo mpanompo tao (andininy 5). Narahin'izy ireo izany torohevitra izany ary dia nankato an'i Jesosy ankitsipo teo no ho eo ihany izy ka vetivety foana dia voavaha ny olana. Raha mba manaraka izany torohevitra izany mantsy ireo mpivady (sy ireo tanora mieritreritra ny hanambady) ka hankato avy hatrany sy an-kitsipo ny didin'ny Tompo, dia hahita vahaolana tsy hoe ela izy ireo.

Niova ho divay ny rano tao amin'izany fampakaram-bady izany. Ilay zavatra izay tsy nisy tsiro sady tsy nisy loko ary tsy dia nisy vidiny dia niova tao anatin'ny indray mipy maso ho zavatra mamy sy mamiratra ary lafo vidy. Izany dia anoharana hoe ny zavatra fahita mahazatra ao anatin'ny fiainam-panambadiana (ao anatin'izany ny fanaovana raharaha mandreraka isan'andro vaky izao) dia manomboka misy famirapiratana, rehefa omenao ny Tompo ny fifehezana tanteraka ny ao an-tokantrano. Ny zavatra tsy nisy tsirony dia tonga mamy, ary manomboka misy hakanto tena sarobidy hita eo amin'ilay zavatra tsy notsinontsinoavinao taloha.

Nahazo ny zavatra nilainy ihany koa ny olona, vokatr'ity fahagagana ity. Tsy mahatanteraka ny tanjony mihitsy ny fanambadiana kristiana raha manome fahasambarana ny mpivady fotsiny. Ny fikasan'Andriamanitra dia izao : mba ho feno dia feno tsy tapaka ny kapoakan'ny mpivady rehetra (Salamo 23:5). Tokony ho fitaovana hitahiana ny maro hafa ny mpivady rehetra raha ny tena izy, hitahiana ireo olona rehetra mifanena aminy. Indray mandeha dia izao no nolazain'Andriamanitra tamin'ny mpanompony mahatoky anankiray : "Hitahy anao Aho .. ary ho fitahiana izany hoe ho fanasiana soa ny hafa ianao… (ary) aminao no hitahiana ny ankohoanana rehetra sy ny firenena rehetra ambonin'ny tany" (Genesisy 12:2,3). Izany fitahian'Andriamanitra izany dia ho antsika koa, araka ny voalaza ao amin'ny Galatiana 3:14. Moa misy tanjona lehibe mihoatra noho izany ho an'ny olona ve ao anatin'ny fanambadiana ? Kanefa ny fitomboan'ny fahatongavantsika ho fitahiana ny hafa, dia miankina amin'ny fitomboan'ny fanekentsika an'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika andavanandro. "Amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao" hoy ny Tompo tamin'i Abrahama (Genesisy 22:18).

Ny fahagagana tao Kana koa dia mifono hafatra feno fanantenana ho an'ireo olona izay nanaonao foana ka lavom-pahotana teo amin'ny sehatry ny firaisana ara-nofo sy ny fitiavana ary ny fanambadiana. Rehefa lany ny divay tao Kana dia nitodika tany amin'i Tompo izy ireo ary nanampy azy ny Tompo. Hanampy anao koa ny Tompo, raha mitodika any Aminy ianao amin'ny andro mahory anao, na dia miezinezina tahaka ny inona aza ny fahadisoana vitanao. Ny zavatra angatahin'ny Tompo aminao fotsiny dia ny hitsoranao marina Aminy izay zavatra ilainao (tahaka ny nataon'ireo olona tao Kana). Ary koa ny milaza Aminy ny fahadisoana vitanao. Moa ve tamin'ny tsy fisainanao nisy zavatra lasa lavitra loatra nataonao tamin'ilay tovovavy (na ilay tovolahy) ? Moa ve efa nanaonao foana ianao tamin'ny resaka fitiavana, angamba noho ny tsi-fahalalana ? Vokatr'izany nataonao izany, moa ve ianjadian'ny henatra sy ny fahadisoam-panantenana ianao ankehitriny ? Moa ve tsy azon'ny olona ny zavatra nataonao ka nanakianany anao, na angamba nanalany baraka anao ? Raha izany dia miverena any amin'ny Tompo avy hatrany, tsy misy hatak'andro. Sakaizan'ny mpanota Izy. Miandry Izy, tsy ny hamela ny helokao fotsiny ihany fa koa ny handrava ny korontana rehetra nataon'i Satana teo amin'ny fiainanao. Ny hanatanteraka ireo tanjona anakiroa ireo no nahatongavany teto amin'izao tontolo izao (1 Jaona 3:5,8). Aza manome lalana ho an'ny fahakiviana, satria mbola misy fanantenana na dia ho anao io aza. Ny Tompo dia afaka nanonitra ny zavatra tsy ampy tao amin'ny fampakaram-bady tao Kana, ary mbola afaka manonitra ny banga rehetra eo amin'ny fiainanao Izy. Nampiseho ny voninahiny tao Kana ny Tompo, ary afaka manao izany ho anao koa Izy.

Raha toa ka tratran'ny fahadisoam-panantenana ianao dia matokia fa ny tena fitahiana ao amin'ny fiainana kristiana dia tsy avy amin'ny fandraisan-javatra tsy akory fa avy amin'ny fahafoizan-javatra (Asa 20:35). Hain'Andriamanitra ny manao ny zavatra rehetra hiara-miasa hahasoa anao, sy hanampy anao mba ho voninahitry ny Tompo ny fiainanao manontolo na eo aza ireo faniriana tsy tanteraka.