Rehefa tafatsofoka eo anelanelan'ny mpivady ny devoly dia manomboka miova ho tany karankaina tokoa ny fanambadian'izy ireo. Hoy ny Ohabolana 24:30-32 "Nandalo ny sahan'ny kamo sy ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina aho ; ary, indro, feno sampivato (chardons) izy sady voasaron'ny amiana (orties), ary nirodana ny ampiantany vatony. Dia nojereko ka noheveriko tsara, eny, hitako ka nahazoako anatra". Rehefa tsy karakaraina ny zaridaina dia vetivety foana dia lasa tany lavavolo. Tsy mila mamafy ahitra ianao na mamafy tsilo na mamafy sampivato fa haniry ho azy ao fotsiny ireny. Raha mandalo trano anankiroa ianao ary mahita fa ny zaridainan'ny anankiray dia tsara tarehy ary ny ny an'ny anankiray kosa rakotra zavamaniry tahaka ny tany lava volo dia hieritreritra ianao fa tsy tsara tarehy ho azy tamin'izao fotsiny ilay zaridaina voalohany. Tsy maintsy niasa fatratra sy nifofotra ilay olona mba ho tsara tarehy ny zaridainany. Etsy andaniny, tsy hisy olona hieritreritra mihitsy hoe niezaka mafy ilay olona manana zaridaina rakotra bozaka mba ho ratsy tahaka izao ny zaridainany, fa ny tsi-firaharahiany azy no nahatonga ny zaridainany ho tany efitra.
Dia izany koa ny fitsipika mihatra amin'ny fanambadiana. Raha mahita fanambadiana kanto ianao, dia azonao antoka fa tsy tongatonga ho azy fotsiny tamin'izao izany. Ralehilahy sy ravehivavy no niara-niasa mba hananany izany hakanto izany. Tsy hisy fanambadiana ho tonga zaridaina tsara tarehy raha tsy ny mpivady no miara manongotra ny bozaka sy miara-manondraka azy tsy miato. Etsy andaniny, raha tsy raharahainao ny fanambadianao dia matokia fa tsy maintsy ho tonga tany karankaina izany.
Raha tsy mitandrina ianao dia hitsofoka ao an-tranonao tahaka ny mpangalatra ny devoly, misisika tsimoramora izy kanefa tena tafiditra, mba hamotika ny fifandraisan'ny mpivady. Tsy ho tonga ao anatin'ny fotoana fohy izany. Tsy misy tany lasa lava volo ao anatin'ny roa na telo andro. Mety mieritreritra ianao hoe mandeha tsara ny zavatra rehetra, kanefa raha tsy ahoanao ny hikolokolo ny fanambadianao dia azo antoka fa ho lasa tany lava volo izany rehefa ela ny ela.
Ahoana anefa raha efa lasa tany lava volo ny zaridainanao ? Andeha hojerentsika ny fomba fanovàna ny tany efitra ho tonga zaridaina indray.
Nanome antsika teny fampanantenana lehibe anankiroa Andriamanitra. Ny voalohany dia Isaia 51:3"Fa Jehovah manao ny efitra ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan'i Jehovah". Endrey izany fampanantenana mahafinaritra loatra ! Mangataha amin'ny Tompo mba hanatanteraka izany eo amin'ny fiainanao. Raha tsy mangataka ianao dia tsy mahazo. Izao no voalaza ao amin'ny Jakoba 4:2"Tsy manana hianareo, satria tsy mangataka". Angataho ny Tompo mba hampody ny tany lavavolonao ho tonga sahan'i Edena araka ny nampanantenainy.
Ny fampanantenana faharoa dia ao amin'ny Ezekiela 36:34-36 "Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason'ny mpandalo rehetra intsony izy. Fa holazainy hoe : ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany". Io andininy io dia miresaka fanambadiana efa tsy misy fanantenana intsony ka na ny mpandalo aza dia efa nahatsikaritra. Kanefa lazain'Andriamanitra fa hotsaboiny na dia ny fanambadiana efa simba tanteraka tahaka izany aza. Ary ireo olona nahita hoe efa lao dia hilaza fa efa tonga tahaka ny sahan'i Edena izy izao.
Rehefa avy namaky ireo fampanantenana mahafinaritra be ireo isika dia izao no zava-dehibe indrindra : ny fanambadiana karankaina dia tsy ho tonga zaridaina miravaka voninkazo raha tsy miaraka amin'ny Fanahy Masina. Izany hoe tsy amin'ny teknika sy toro hevitra na amin'ny famakiana boky maro, fa amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina irery ihany. Efa nampanantenain'Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina ao amin'nyEzekiela 36:26-27hoe "Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo". Vakiantsika ao amin'nyGenesisy 2:10fa nisy ony nivoaka avy tao Edena. Izany ony izany dia sarin'ny Fanahy Masina mikoriana manerana ny sahan'ny fanambadiantsika, mamelona indray ny zavatra rehetra.
Rehefa miaiky isika fa tsy manan-kery hampody ny tany karakaina ho tonga zaridaina mahafinaritra ary mitalaho amin'Andriamanitra dia hanampy antsika tokoa Izy ! Hoy ny Salamo 127:1 "Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy". Ny fikelezantsika aina hahatonga ny fanambadiantsika ho fahasambarana dia very maina raha tsy manampy antsika ny Tompo. Ary na dia voaravaka voninkazo aza ny zaridainantsika androany dia tsy ho vitantsika ny hiaro an'izany mba tsy ho tonga tany karankaina raha tsy ny Tompo no miaro azy.
Manahoana ny fifandraisanareo mivady amin'izao fotoana izao ? Tahaka ny tany karankaina ve ? Efa tsy misy fanantenana intsony ve ianao hoe mbola hiverina ho zaridaina indray izany ? Efa miteny ve ianao hoe "Tsy hisy zaridaina ho vanona raha mbola io no vadiko" ? Tena izany mihitsy no tian'ny devoly hoteneninao. Kanefa tsy mahazo mamoy fo. Efa hitanao izao ny teny fampanantenan'Andriamanitra mikasika ny fanarenana, takio am-pinoana ho an'ny fanambadianao izany. Izao no voalazan'ny Ezekiela 36:37 "Izao no lazain'i Jehovah Tompo : miandry Aho mandra-pangatany Amiko hanaovako izany ho azy". Rehefa mangataka amin'Andriamanitra ihany isika vao hataony amintsika ilay izy. Noho izany dia mandehana manatona ny Tompo ary lazao aminy hoe "Tompo ô, mino aho fa hainao ny manao izany ao amin'ny fanambadiako ! Tsy hamoy fo aho".