Satria efa antomotra ny faran'ny taona dia tsara raha mandinika ny fiainantsika isika hoe mizotra mankaiza izany. Ny mpaminany Hagay dia namporisika ny olona tamin'ny androny mba "hihevitra ny lalany". Voasoratra ao amin'ny Hagay 1:5,6 izany : "Koa izao no lazain'i Jehovah Tompon'ny maro : Hevero ny làlanareo".
"Efa namafy be hianareo, kanefa kely no taomina : mihinana hianareo nefa tsy voky ; misotro hianareo, nefa tsy afa-po ; mitafy hianareo, nefa tsy misy mafana ; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka". Azontsika ampiharina amin'ny tenantsika tahaka izao izany : Milaza aminao ny Tompo hoe "Diniho ny fandehan'ny fiainanao".
Efa namoa voa ara-panahy ve ianao ? Betsaka ny nambolenao kanefa kely ny nojinjainao Fivoriam-bavaka maro no efa natrehinao, boky kristiana maro no efa novakianao ary kasety kristiana maro no efa nohenoinao, kanefa ny tokantranonao ankehitriny ve tokantrano araka an'Andriamanitra ary tokantrano misy fiadanana ? Mba efa naharesy zavatra tsotra kely toy ny hoe mivazavaza amin'ny vadinao ve ianao ? Raha tsia dia izao, na dia betsaka aza ny nafafinao dia kely no jinjainao. Mitafy lamba maro ianao nefa tsy mety mahazo hafanana. Mahazo vola be ianao nefa loaka ny paosinao ka very fotsiny ny androatokony.
Tsy misy zavatra tsy hain'Andriamanitra atao. Izany hoe afaka mitondra antsika ao anatin'ny sitrapony tonga lafatra Izy na dia efa lavo nitsinkasina imbetsaka aza isika. Ny tsi-finoantsika irery ihany no afaka manakana Azy. Raha miteny ianao hoe "Ny ahy ny fiainako efa nosimbaiko tanteraka. Tsy ho vitan'Andriamanitra ny mampiditra ahy ao anatin'ny sitrapony tonga lafatra". Dia tsy ho vitan'Andriamanitra izany satria tsy mino IANAO fa hainy atao izany. Jesosy kosa anefa nilaza fa raha mety mino fotsiny isika dia tsy misy na inona na inona tsy hain'Andriamanitra atao ho antsika.
"Tongava aminareo araka ny finoanareo" : izany no lalànan'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra ( Matio 9:29). Izay inoantsika no omeny antsika. Raha mino isika hoe misy zavatra tsy hain'Andriamanitra atao ho antsika dia tsy ho tanteraka eo amin'ny fiainantsika ilay izy. Etsy ankilany, hahita ianao any amin'ny fitsaran'i Kristy fa nisy mpino anankiray izay nanimba be lavitra ny fiainany noho ianao nefa nahatanteraka ny planin'Andriamanitra tonga lafatra teo amin'ny fiainany. Satria nino fotsiny izy fa hain'Andriamanitra ny manangona ny potipotiky ny sombim-piainany sy manamboatra zavatra "tena tsara" avy amin'izany. Hanenina tokoa ianao amin'izay andro izay rehefa hitanao fa tsy ny fahadisoanao ihany (na firy na firy) no nanimba ny planin'Andriamanitra teo amin'ny fiainanao fa ny tsi-finoanao koa !
"Ny antony nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra dia ny handrava (handevona) ny asa nataon'ny devoly" ( 1Jaona 3:8 Baiboly Amplified). Ny dikan'io andininy io dia hoe tonga Jesosy hamaha ny vona na ny fatotra rehetra ataon'ny devoly eo amin'ny fiainantsika. Andeha halaintsika sary tahaka izao : vao teraka isika dia azo lazaina hoe samy nomen'Andriamanitra horonan-kofehy tsara tarehy tsy nisy tomika avy. Rehefa nanomboka niaina isan'andro isika dia nanomboka novahantsika io horonan-kofehy io ary nasiantsika fatotra (fahotantsika). Ankehitriny rehefa avy nanaboraka ilay kofehy nandritra ny taona maro isika dia kivy tanteraka mahita ireo vona an'arivony maro ao aminy. Kanefa tonga Jesosy mba "hamaha ny vona izay nafatotry ny devoly". Noho izany dia mbola misy fanantenana na dia ho an'ireo olona manana ny kofehy be vona indrindra aza.
Ny Tompo dia afaka mamaha ny vona sy ny tonon-kofehy rehetra ary afaka manome horonan-kofehy vaovao tsy misy tomika indray eo am-pelatananao. Izao no hafatry ny filazantsara : Azonao atao ny manomboka fiainana vaovao hatramin'ny voalohany indray. Hoy ianao "Aiza koa no hisy an'izany". Hay, eny ary, tongava aminao araka ny finoanao. Ho anao dia tsy hisy izany. Kanefa maheno olona anankiray hafa aho izay manana fiainana ratsy lavitra noho ny anao miteny hoe "Eny, mino aho fa hataon'Andriamanitra eo amin'ny fiainako izany". Ho an'io olona io koa dia ny lalàna dia hoe tongava aminao araka ny finoanao. Hotanteraka eo amin'ny fiainany ny planin'Andriamanitra tonga lafatra.
Raha misy alahelo araka an'Andriamanitra ao anatinao noho ireo fahadisoanao, na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanao na mena tahaka ny sily dia tsy vitan'ny hoe ho fotsy tahaka ny oram-panala fotsiny, araka izay nampanantenaina tao amin'ny Fanekena taloha (Isaia 1:18) fa Andriamanitra koa dia mampanantena ao amin'ny Fanekena vaovao hoe "tsy ho tsarovako intsony ny fahotany" (Hebreo 8:12). Na inona na inona ditra na hadalana vitanao dia afaka manomboka hatramin'ny voalohany indray ianao miaraka amin'Andriamanitra. Ary na dia efa in-1000 aza ny nanombohanao tamin'ny lasa kanefa ianao mbola lavo ihany dia mbola afaka manomboka fiainana vaovao faha-1001 ianao androany. Mbola hain'Andriamanitra ny manao zavatra mamirapiratra eo amin'ny fiainanao. Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola misy hantenaina. Koa aza ariana mihitsy ny fahatokianao an'Andriamanitra. Matoa tsy afaka manao asa lehibe ho an'ny ankamaroan'ny zanany Andriamanitra dia tsy noho ny fahotan'izy ireo taloha fa noho izy ireo tsy matoky Azy ankehitriny. Koa andeha àry isika "hanome voninahitra an'Andriamanitra satria nampaherezin'ny finoana" (Romana 4:20), hatoky Azy amin'ny ho avy ny amin'ny zavatra noheverintsika hatramin'izay fa tsy hainy atao. Mbola misy fanantenana ho an'ny olona rehetra na antitra na tanora izay nanao fahadisoana be taloha raha mba vonona ny hiaiky ny fahotany izy sy hanetry tena ary hatoky an'Andriamanitra.