Rehefa niresaka tamin'ny mpianany momba ny fiverenany ny Tompo ao amin'ny Matio toko faha-24 dia nohamafisiny imbetsaka fa tsy maintsy miambina ny mpianatra (Matio 24:42,44 ; 25:13). Noho izany ny fiambenana sy ny fahavononana lalandava dia lehibe lavitra mihoatra noho ny famantarana ireo teny faminaniana mikasika ny fiverenan'ny Tompo. Ao amin'ny Matio toko faha-25 (izay manarakaraka ireo faminaniana ao amin'ny Matio 24) dia miresaka momba ireo sehatra telo izay ilàna fiambenana sy fahamarinana mba ho fiomanantsika amin'ny fiverenany i Jesosy.
1. Fahamarinana ao amin'ny fiainana miafina
Ao amin'ity fanoharana ity dia miresaka ireo virijina folo Jesosy (Matio 25:1-13). Mariho fa tsy nisy mpijangajanga tamin'izy ireo (Jereo ao amin'ny Jakoba 4:4 ny famaritana ny fijangajangana ara-panahy). Samy virijina avokoa izy rehetra. Izany hoe samy tsara laza teo anatrehan'ny olona. Samy nazava teo imason'ny olona ny fahazavany (Matio 5:16). Hitan'ny olona rehetra ny asa soa nataony. Kanefa tao amin'ireo virijina ireo dia ny dimy ihany no hendry. Saingy tsy hita niharihary izany tamin'ny voalohany. Ny dimy tamin'izy ireo ihany no nanana solika tao anatin'ny fitondrany (Matio 25:4).
Tsy tahaka ny jiro ny solika fitaiza satria tsy hita rehefa alina ny andro, ary oharina amin'io solika io ny fiainantsika miafina eo anatrehan'Andriamanitra izay tsy hitan'ny olona ao anatin'ny aizin'izao tontolo izao. Samy manana fitondrana solika avokoa isika rehetra. Ny fanontaniana dia hoe misy solika ve ao anatiny sa tsia. Ao amin'ny Soratra Masina manontolo, ny solika dia anoharana ny Fanahy Masina ary ny solika eto dia ilazana ilay fiainan'Andriamanitra izay ampitain'ny Fanahy Masina ho ao amin'ny fanahintsika. Ny toetra ivelany isehoan'izany fiainana izany dia ny fahazavana (Jaona 1:4). Ny toetra anatiny kosa dia ny solika. Ny ankamaroan'ny olona dia sondriana amin'ny laza tsara ety ivelany fotsiny. Hadalana izany. Ao anatin'ny fizahan-toetra sy ny fitsapana no hahitana fa ny fahazavana ivelany fotsiny dia tsy ampy. Mila ny fahafenoan'ilay fiainana masina ao anatiny ny olona anankiray mba hahazoany fandresena.
"Raha malemy ianao ao anatin'ny ady sarotra dia ianao mihitsy no efa malemy" (Ohabolana 24:16). Ny zava-tsarotra eo amin'ny fiainana no mampiseho ny tanjaka sy ny fahalementsika. Tao amin'ity fanoharana ity, ny zava-tsarotra natrehana dia izao, naharitra ela ny mpampakatra. Ny fotoana no mampiharihary ny tena toe-panahintsika anaty. Izay manam-pinoana dia haharitra hatramin'ny farany ka hovonjena. Ny fotoana ihany koa no hanaporofo hoe iza no manana fiainana anaty ary iza no tsy manana. Maro ny olona no tahaka ny voa malaky mitrebona nefa tsy manana fiainana anaty. Tsy misy tany lalina ao am-pony (Marka 4:5). Izany no mahasarotra ny manombana ny fiainam-panahy sy ny fahitsiam-pon'ny mpino vaovao. Ny fotoana no hamosaka ny zavatra rehetra raha manana faharetana isika. Koa ny fiomanana amin'ny fihavian'i Kristy dia fanolokoloana ilay fiainana anaty ho madio sy marina eo anatrehan'Andriamanitra. Izany hoe fahadiovana sy fahamarinan'ny eritreritra, ny toe-tsaina sy ny famporisihan'ny fo, izay tsy hitan'ny manodidina. Raha tsy manana izany isika dia mamita-tena raha mihevitra fa efa vonona amin'ny fiverenan'i Kristy.
2 Fahamarinana ao amin'ny fanompoana ny Tompo
Ao amin'ny fanoharana faharoa dia amafisina ny fahamarinana amin'ny fampiasana ny talenta nomen'Andriamanitra antsika (Matio 25:14-30). Ireo talenta ireo dia ilazana ny vola aman-karena, ny fahaizana voajanahary, ny fanambinana eo amin'ny fiainana, ny fanomezam-pahasoavana sy ny sisa. Tsy mitovy avokoa ny olona rehetra amin'izany lafiny izany satria hitantsika ao amin'io fanoharana io fa ny iray nahazo talenta dimy, ny iray nahazo roa ary ilay fahatelo tsy nahazo afa-tsy anankiray. Kanefa nitovy ny fe-potoana nomena azy ireo hampitomboany amin'ny fahamarinana ny zavatra azony. Izay nomena bebe kokoa dia be kokoa no takiana aminy. Noho izany, ilay nampitombo ny talentany roa ho tonga efatra dia nahazo valisoa mitovy tamin'ilay nampitombo ny azy dimy ho tonga folo. Famaizana kosa no nihatra tamin'ilay nandevina ny talentany "tao anaty tany" (Matio 25:18). Io olona io dia nampiasa ny talenta nomen'Andriamanitra azy ho an'ity tontolo ity fa tsy ho an'Andriamanitra. Tsy misy olona afaka milaza hoe tsy nandray na inona na inona satria efa samy nandray talenta avy tamin'Andriamanitra avokoa ny rehetra. Ny fanontaniana dia hoe ho an'iza no ampiasantsika ny talentantsika. Ny talenta ampiasaina ho an'ny tena dia naman'ny nalevina tao anaty tany ihany. Ny talenta nampiasaina ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany no hisaina ho harena mandrakizay. Raha amin'izany fomba fijery izany dia mahantra ny ankamaroan'ny mpino. Izao no teny filamatra tokony holazaintsika "Ho an'Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra ary tsy misy ho an'ny tena". Amin'izay isika vao vonona amin'ny fiverenan'i Kristy. Tsy azo atao mpianatr'i Jesosy isika raha tsy mahafoy izay rehetra ananantsika. Ny olona tsy mampiasa ny fananany sy ny fanomezana rehetra nomen'Andriamanitra azy ho an'ny Tompo dia mamita-tena raha mihevitra fa efa vonona amin'ny fiverenan'i Kristy.
3 Fahamarinana ao amin'ny fanompoana ny mpiara-mivavaka
Ao amin'ity fizarana fahatelo farany ity dia ny fihetsika asehontsika amin'ny rahalahy sy anabavy sahirana no tian'i Jesosy ambara (Matio 25:31-46). Mety ho fahasahiranana ara-panahy izany mety ho ara-nofo. Eto isika dia mahita fa misy olona mandova ny fanjakana satria nanompo ny mpiara-mivavaka taminy izy toy ny ho an'ny Tompo. Nataony tao amin'ny mangingina ny fanompoany ka tsy fantatry ny tanany havia izay nataon'ny tanany havanana (Matio 6:3). Nafeniny loatra izany hany ka rehefa nampahatsiahivin'ny Tompo azy ny asa soa nataony dia tsy tsaroan'izy ireo akory izany (Matio 25:38).
Nampianarin'i Jesosy teto koa fa ny fanompoana ataontsaika amin'ny anankiray amin'ireo rahalahiny kely indrindra dia heverin'i Jesosy ho fanompoana ataontsika ho Azy (Matio 25:40). Misy dikany matoa ny kely indrindra no resahin'i Jesosy eto satria matetika isika dia voasarika hanompo ny mpino lehibe sy manan-kaja ary hanao tsinontsinona ny mpino mahantra sy mavomavo ! Ny olona variana mihinana sy misotro sy mividy sy mivarotra sy mamboly sy manao trano ho an'ny tenany dia azo antoka fa ho tavela rehefa miverina Jesosy (Lioka 17:28,34). Ny olona nanompo ny Tompo tam-pitiavana sy nitsimbina ny mpiara-mivavaka ihany no horaisina ho any an-danitra. Any amin'ny andinin-tSoratra Masina hafa dia miresaka momba ny vondron'olona anankiray Jesosy izay mifanohitra amin'ity vondron'olona voalaza eto ity. Tsy iza izany fa ireo olona izay mahatadidy ny asa soa rehetra nataon'izy ireo tamin'ny anaran'ny Tompo. Miatrika ny fitsarana farany koa ireo olona ireo ary mampahatsiahy ny Tompo izy fa efa nandroaka demonia, efa nitory, nanasitrana ny marary tamin'ny anaran'i Jesosy sy ny sisa. Kanefa nolavin'ny Tompo izy ireo na dia nanao izany zavatra rehetra izany aza satria tsy nahafeno ilay fepetra voalohany, dia ilay fiainam-pahamasinana miafina eo anatrehan'Andriamanitra. Variana tamin'ny halehiben'ny fanomezam-pahasoavany izy.