WFTW Body: 

Any amin'ny Eglizy Katolika Romana dia fanaon'ny mpiangona ny miaiky ny fahotany amin'ny pretra. Ny fiangonana Protestanta sasany koa dia mamporisika ny mpino hifampiaiky heloka ary manome fampianarana izy hoe : ny mpino rehetra tsirairay dia tsy maintsy manana "namana mpifanadina heloka " aminy, izay iaikeny tsy tapaka ny heloka rehetra nataony mba handreseny ny fahotana. Ny fampianarana tahaka izany dia tsy hita ao amin'ny Testamenta Vaovao mihitsy. Fampianaran'ny psikôlôjian'olombelona izany fa tsy fampianaran'ny Fanahy Masina. Kanefa dia marobe ny mpino no manaiky an-jambany sy mampihatra izany fampianaran-diso izany.

Ny Baiboly dia tsy miresaka na aiza na aiza mihitsy mikasika izany olona mpifanadina helokaizany.Izanyfomba fiadiana amin'ny fahotana izany dia tsy inona akory fa fitadiavana fahamasinana amin'ny alalan'nyfahatahorana olombelona. Izany hoe manalavitra ny fahotana satria menatra hiaiky heloka amin'ilay "namana mpifanadina heloka". Kanefa ny Baiboly dia mandidy antsika hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra, fa tsy amin'ny fahatahorana olombelona (2 Kor.7:1). Andriamanitra no hanadina antsika amin'ny farany, "fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'Izay iafaran'ny ataontsika" (Heb. 4:13).

Amin'ny Tompo irery ihany no tsy maintsy iaikentsika ny helotsika. Ilay didy ao amin'ny Jakoba 5:16 manao hoe "Koa mifaneke heloka hianareo" dia matetika raisin'ny olona ivelan'ny toe-javatra nanoratana azy (ivelan'ny contexte). Tamin'ny nanoratana an'io dia mazava tsara fa mpino marary izay nivavahan'ireo loholony ao am-piangonana no tiany nolazaina tamin'izany. Ary satria ny aretina indraindray dia vokatry ny fahotana (araka ny hitantsika ao amin'ny Jaona 5:14), dia nasaina niaiky ny helony (izay mety niteraka an'ilay aretiny) ilay olona marary tamin'izany "mba ho sitrana". Izany akory dia TSY fampianarana ny mpino mba hiaiky ny helony amin'ny mpino hafa. Tena mampididoza mihitsy ny mampihatra ny andininy tahaka itony amin'ny toe-javatra tsy nanoratana azy. Matetika ny andinin-tSoratra Masina raisin'ny olona ivelan'ny toe-javatra nanoratana azy no anamarinany tena (no ataony prétexte) amin'ny fampianaran-disony. Noho izany dia aoka isika hitandrina ka ny andinin-Soratra Masina rehetra ianaranao dia ianaro ao anatin'ny contexte ary ampitahao amin'ny andininy hafa miray fotokevitra aminy ao amin'ny Baiboly.

Ny fahotana tokana izay tsy maintsy iaikentsika amin'ny olona anankiray dia ny fahotana nataontsikatamin'ilay olona. Ohatra hoe raha ka nisoloky an'ilay olona isika na nisy zavatra nataontsika mety nandratra fo azy sy ny sisa (Mat.5:23,24). Tadidio mandrakariva izany.

Tsy mahazo mitantara amin'ny antsipiriany ny fahotana nataontsika taloha na amin'iza na amin'iza isika, satria manome voninahitra an'i Satana izany (izay nampanao antsika an'ireny fahotana ireny), sady mandoto ny sain'ireo olona mihaino ny fiaikenkeloka ataontsika. Amin'ny fanambarana ataontsika fa nodiovina sy nohamarinina (natao tahaka ny tsy mbola nanota)tamin'ny ràn'i Kristy isika no anomezantsika voninahitra an'Andriamanitra. Tsy maintsy tsarovanao foana izany mandritra ny androm-piainanao. Mazava ho azy fa tsy maintsy manaiky isika fa mpanota novonjena tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra . Kanefa tsy azontsika atao ny miaiky amin'ny antsipiriany ny helotsika na amin'iza na amin'iza afa-tsy amin'Andriamanitra irery ihany. Izany ilay làlan'ny fanekena vaovao.

Ny mpino rehetra izay manao fijoroana vavolombelona dia tokony hanome voninahitra an'Andriamanitra noho izay nataon'Andriamanitra taminy (lafiny tsara), ary tsy tokony hanome voninahitra an'i Satana mihitsy amin'ny fitanisana ireo antsipirian-javatra nasain'i Satana nataony tamin'ny andro mbola tsy niovàny fo. Ampy ny miteny fotsiny hoe mpanota isika taloha, olona nania, mpiodina, sy ny sisa.

Ho an'ny tenako manokana dia nampahery ahy ny nahita fa tao amin'ireo taratasy nosoratan'i Petera dia ny zavatra niainany teo an-tendrombohitry ny fiovàn-tarehy no notantarainy fa tsy ny nandàvany ny Tompo (2 Pet.1:17,18). Dia tahaka izany koa rehefa nanao ny fijoroany vavolombelona teo anatrehan'ny Jiosy i Paoly (Asa 22), sy teo anoloan'i Agripa (Asa 24), dia ny fihaonany tamin'ny Tompo no tena noresahiny tamin'ny antsipiriany fa kely foana no nolazainy mikasika ny fanenjehana ny Kristiana. Ny fiaikena hoe izao na izao ny heloka natao dia hevitra avy tamin'ny katolika romana sy ireo olona tsy mpino. Mampalahelo fa ankehitriny dia mamporisika hanao izany koa ireo mpanoratra protestanta sasany. Izany dia manana ilay "saritsarim-pahendrena any amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanalam-bara-batana ary ny fampijaliam-batana, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampananarana ny nofo" (Kol. 2:23 dika NASB). Ny fanalam-bara-batana dia tsyfanetren-tena, ary tsy fahendrena koa. Ny fahendrena no tena ilaintsika indrindra.