WFTW Body: 

Rehefa leon'ny momba antsika tanteraka ihany isika, izay vao tena vonona ny hanatona ny Tompo. Izao no nolazain'i Jesosy rehefa nanasa ny olona Izy : « Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana » (Matio 11:28). Tsy manasa ny olona rehetra tsy ankanavaka hanatona Azy Jesosy. Eto dia hitantsika fa ireo olona leo sy tofoky ny fiainany resim-pahotana ihany no nasain'i Jesosy hanatona Azy. Ilay zanaka adala dia tsy niverina tany amin'ny rainy raha tsy efa «laniny avokoa ny fananany rehetra » sady « tsy nisy nanome azy » na inona na inona. Tamin'izay fotoana izay vao « nody ny sainy » (Lioka 15:16-18). Tsy afaka mitombo ara-panahy isika raha tsy tonga eo amin'ny fotoana anankiray eo amin'ny fiainantsika, izay tsy hiraharahiantsika intsony ny voninahitra avy amin'olona, izay hitsaharantsika amin'ny fimenomenomana na inona ataon'ny hafa na inona zava-miseho, izany hoe efa tonga leo sy tofoky ny fiainana resim-pahotana izay iainantsika. Izany no atao hoe fibebahana marina.

Raha tsy tonga eo amin'izany toerana izany isika dia hitovy foana amin'ireo zazakely teraka tsy tonga volana, izay mila ajanona ao anaty fanakotrehana (couveuse), (mila afanain'ny hafa sy ampaherezin'ny hafa foana). Tsy tokony ho ao amin'ny fiangonana akory aza no hahazoantsika ny antoky ny hoavintsika, fa tsy maintsy ao amin'ny Tompo irery ihany. Ezekiela 36:25-30 dia naminany ny amin'ny fiainana be dia be izay homen'i Jesosy ao ambanin'ny fanekena vaovao. Dia tohizany ihany ny teniny ao amin'ny andininy faha 31 fa rehefa mahatratra izany fiainana izany isika dia « haharikoriko antsika ny tenantsika noho ny fanao ratsy nataontsika taloha ». Izao dia anisan'ny marika voalohany hamantarantsika ny olon'Andriamanitra : mitomany anaty mandrakariva izy manao hoe « Indrisy olo-mahantra aho. Iza no hanafaka ahy amin'ireo fahotana rehetra ? » (Rom.7:24 dika malalaka). Hatrany hatrany dia maniry izy ho afaka amin'ny faharatsiana rehetra eny na dia fofompofom-pahotana aza.

Tian'Andriamanitra hatanjaka ianao rehefa tonga ny andro fahoriana ( Oha. 24:10). Kanefa tsy maintsy amin'izao androm-piadanana izao no ampandrosoanao ny fahalalanao ny Tompo, raha tianao ny hatanjaka amin'izay andro fahoriana izay.

Ny lalan'Andriamanitra dia tsy lalantsika. Tsy maintsy manorotoro anao izy voalohany indrindra, torotoroiny amin'ny alalan'ny fahadisoam-panantenana sy ny tsi-fahambiazana maro ianao. Aorian'izany dia haniraka anao any amin'izay toerana hahazoanao ilay fanabeazana ara-panahy izay efa nomaniny ho anao Izy.

Tsy misy amintsika izao hanana eritreritra haniraka an'i Mosesy any an-tany efitra mandritra ny 40 taona mba hiandry ondry sy hatao tsinontsinona, niara-nipetraka tamin'ny rafozan-dahiny sy niasa teo ambany fifehezany Mosesy nandritra ireo 40 taona ireo, mba hanomanana azy ho tonga mpitarika lehibe indrindra ho an'ny zanak'isiraely. Tsy nisy hieritreritra an'izany kanefa izany no lalan'Andriamanitra. Zavatra mitovitovy amin'izany koa no nataon'Andriamanitra tamin'i Jakoba talohan'ny nanovàny azy ho andrianan'Andriamanitra (Israely). Ny asa sarotra indrindra amin'Andrimananitra dia ny manorotoro ny olona. Kanefa rehefa vitan'Andriamanitra izany, ny hery hivoaka avy ao amin'izany olona izany dia hihoatra lavitra noho ny hery mivoaka avy amin'ny fanapotehana ataoma (atome).

Izao no nambaran'i Paoly avy tamin'ny zavatra niainany «potraka izahay kanefa miarina ary manohy ny dia » ( 2 Kor. 4:9 - Living). Andriamanitra dia mamela antsika ho potraka indraindray. Kanefa isika tsy mitoetra potraka eo tahaka ny olona hafa rehetra. Mitsangana isika ary manohy ny dia. Ary izany no vao mainka mahatezitra an'i Satana. Andriamanitra koa dia manome antsika fampianarana momba ny fanamasinana avy amin'izany fahapotrahantsika izany, mba hiovàn'izany ho zavatra soa indrindra ho antsika. Noho izany ny ahy dia vao mainka tohizako foana ny fanambarana ny fandresen'i Jesosy sy ny faharesen'i Satana, manomboka amin'izany andro izany, na aiza na aiza alehako. Haleloia !!