WFTW Body: 

Ny ankamaroan'ny fomba amam-panao tao amin'ny fanekena taloha dia ao amin'ny fanekena vaovao no hita ny fahatanterahany. Ny famorana dia fomba fanao lehibe tokoa tao ambany fanekena taloha. Azo antoka fa misy dikany lehibe ara-panahy izany ao amin'ny fanekena vaovao, ary izany tokoa no izy.

Ny dikany dia voafaritra tahaka izao ao amin'ny Filipiana 3:3,4 : " Fa isika no voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo ". Ireo fehezanteny telo ireo dia misy ifandraisany avokoa. Ny hoe manompo amin'ny Fanahy dia manao an'i Kristy ho rehareha ary Izy irery ihany, izany dia tanteraka ao amin'ny fiainana tsy mitoky amin'ny nofo.

Amin'ny famorana ara-nofo dia misy ampahany amin'ny nofon'ny olona esorina. Amin'ny famorana ara-panahy dia ny fitokiana amin'ny nofo (amin'ny maha-izy antsika) no esorina sy vonoina ho faty. Tao amin'ny Testamenta taloha dia tsy azo natao ho isan'ny zanak'isiraely ireo olona tsy mbola voafora ( Gen.17:14). Ao amin'ny Testamenta vaovao dia tsy azo atao ho isan'ny tena fiangonan'i Jesosy Krisry ireo olona manana fahatokisana ny tenany. Ireo izay manao an'i Kristy irery ho reharehany ary tsy manana fahatokisan-tena no isan'ny fiangonana marina. Raha mirehareha isika noho ny nahavitantsika nanorina fiangonana tsaratsara kokoa noho ny an'ny hafa, dia tsy hasian'Andriamanitra toerana ho antsika ao amin'ny tena fiangonany.

Ny Asan'ny apostoly 7:41 dia miresaka momba ireo olona izay nirehareha tamin'ny asan'ny tanany. Raha mirehareha amin'izay zavatra vitantsika isika dia tsy mbola voafora ara-panahy. Raha mahatsapa ianao fa ny tenanao mihitsy no nahavita ilay zavatra, dia efa levona izay ny finoanao. Amin'izay fotoana izay, noho ny fitiavany anao, dia avelan'Andriamanitra ianao "hanarato mandritra ny alina ary tsy hahazo na inona na inona" (Jaona 21:1), mba hampianarany anao fa ny atao hoe finoana marina dia fiankinan-doha tanteraka amin'Andriamanitra irery ihany.

Indray andro i Nebokadnezara dia nitsangana teo an-tampon'ny lapany ary finaritra loatra nijery ny fanjakan'i Babylona lehibe izay naoriny ( Dan.4:26,27). Raha vao nanana izany eritreritra izany fotsiny izy dia nesorin'Andriamanitra taminy ny fanjakany ary nataony tahaka ny biby izy. Taona maro taorian'izay vao naverina taminy indray ny sainy. Tsy misy hafa amin'izany ny mpino maro be izay mibitaka anaty mijery ny zavabita izay nataon'izy ireo ho an'Andriamanitra. Nibebahan'i Nebokadnezara ihany anefa ny hadalany ary nanome voninahitra an'Andriamanitra izy (Dan.31-33). Tamin'ny farany dia voafora ny fon'i Nebokadnezara. Ny zavatra mampalahelo anefa dia mpitondra kristiana marobe no tsy mbola niaina izany famorana ara-panahy izany.

Tian'Andriamanitra ho voafora fo isika mba "hitiavantsika Azy amin'ny fontsika rehetra" (Deo. 30:6). Izany no marika famantarana ny famorana ny fo. Tsy voafora fo isika raha tia tena ary ataontsika ho reharehantsika ny tenantsika.