WFTW Body: 

Andeha hojerentsika ireo toetra efatry ny fiainana feno ny Fanahy Masina, araka ny hita tao amin'ny fiainan'ny Apostoly Paoly.

1- Fahafahampo tanteraka

Voalohany indrindra, ny fiainana feno ny Fanahy Masina dia fiainan'ny fahafahampo tanteraka. Ao amin'ny Filipiana 4:11 dia izao no lazain'i Paoly « fa izaho efa nianatra tsy hierina, na manao ahoana, na manao ahoana ». Ary entin'izany fahafahampo izany miaraka aminy koa ny fahavokisam-pifaliana sy fiadanana. Izany no antony iresahan'i Paoly fifaliana sy fiadanana ao amin'ny andininy faha 4 sy faha 7 ao amin'io toko io ihany. Tsy afaka midera an'Andriamanitra isika raha tsy afa-po tanteraka amin'izay zavatra rehetra ataony amintsika. Raha ilay Andriamanitra tsy refesimandidy no inoantsika, Ilay mahay manova ny zavatra rehetra hiara-hiasa hahasoa antsika (Romana 8:28) dia tsy maintsy mahafapo antsika ny zavamitranga rehetra. Dia afaka hidera an'Andriamanitra amin'izay isika, tahaka an'i Habakoka, na dia tsy hahavokatra aza ny hazo ao an-tsaha, na dia ho faty aza ny biby fiompy, na dia hovlehibe aza ny fatiantoka ara-bola, ary na inona na inona mitranga ( Habakoka 3:17-18). Ny Efesiana 5:18-20 dia mampiseho fa ny vokatry ny famenoan'ny Fanahy Masina dia fiderana miloatra ho an'Andriamanitra. Ny Apostoly Paoly dia nahay nifaly na dia nohidiana tao an-tranomaizina aza izy, sady nofatorana mafy tamin'ny boloky hazo ny tongony (Asa 16:24). Na tao an-tranomaizina aza dia afapo izy ary tsy nisy zavatra nampitaraina azy. Izany no anisan'ny marika voalohany hamantarana ny fiainana feno ny Fanahy Masina. Rehefa misy fimonomononana ao amin'ny kristiana anankiray, dia mampiseho izany fa mitovy amin'ireo zanak'israely nimonomonona tamin'Andriamanitra tany an'efitra izy ary mbola tsy tafiditra ao amin'ny tanim-pandresena izay nampanantenaina.

2- Fitomboana amin'ny fahamasinana

Faharoa, ny fiainana feno ny Fanahy Masina dia fiainana mitombo amin'ny fahamasinana. Ny fitomboan'ny fahamasinana ao amin'ny fiainan'ny olona anankiray no mampitombo koa ny fahatsapany ny fahamasinan'Andriamanitra, izay lavorary indrindra. Ireo zavatra anankiroa ireo dia miaraka foana. Raha ny marina dia ny fahalehibeazan'ny fahatsapan'ny olona ny fahamasinan'Andriamanitra no hamantarana na mitombo amin'ny fahamasinana ny fiainan'ilay olona na tsia. Dimy amby roapolo taona taorian'ny niovany fo, dia izao no teny nataon'ny Apostoly Paoly « Izaho no ambany indrindra amin'ny Apostoly » (1 Kor. 15:9). Dimy taona taorian'izany dia izao no teniny « Izaho no kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra » (Efe. 3:8). Mbola herintaona taorian'izany ihany dia izao no teniny « amin'ireny mpanota ireny dia izaho no lohany ». Marihina fa i Paoly dia tsy niteny hoe izaho no lohan'ny mpanota taloha fa hoy izy : izaho no lohan'ny mpanota amin'izao fotoana itenenako izao. Hitanao amin'ireo fanambarany ireo ve ny fandrosoany tamin'ny fahamasinana ?

Arakaraka ny fanakaikezany an'Andriamanitra no nahatsapan'i Paoly bebe kokoa ny fahalovana sy ny faharatsiana teo amin'ny nofony. Niaiky izy fa tsy nisy zavatra tsara mitoetra tao amin'ny nofony (Romana 7:18). Ny olona feno ny Fanahy Masina dia tena manao izay hitomboany amin'ny fahamasinana fa tsy mody manao mba hisehoana ety ivelany fotsiny. Ny olona feno ny Fanahy Masina dia tsy hanambara hoe izao na izao no nahazoany ny fahamasinany. Tsy handresy lahatra ny olona amin'ny foto-pampianarana mikasika ny fahamasinana izy. Fa noho izy feno ny Fanahy Masina dia tsy mitsaha-mitombo ny fahamasinana eo amin'ny fiainany, koa tonga mirodorodo ny olona hanontany ny tsiambaratelony. Dia izy no hanana ilay voalaza ao amin'ny Baiboly nadikan'i JB Phillips hoe « ny fahamasinana izay tsy misy fitaka » (Efe. : 4:24).

3-Fiainana voahombo

Fahatelo, ny fiainana feno ny Fanahy Masina diafiainana efa voahombo. Paoly dia nilaza hoe «Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho » ( Gal. 2:20). Ny lalana mitondra ny olona amin'ny hazo fijaliana no mitondra azy koa any amin'ny fahafenoan'ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia mitarika antsika foana mankany amin'ny hazo fijaliana tahaka ny nitarihany an'i Jesosy nankany koa. Ny Fanahy Masina sy ny hazo fijaliana dia tsy azo sarahina. Ny hazo fijaliana dia fanehoana an-tsary ny fahalemena, ny henatra ary ny fahafatesana. Ny Apostoly Paoly dia efa raiki-tahotra, very hevitra, vonton'alahelo ary latsa-dranomaso teo amin'ny fiainany ( jereo 2 Kor. 1:8 ; 4:8 ; 6:10 ; 7:5). Ny fiheveran'ny olona an'i Paoly dia adala sy mikiribiby amin'ny hevidiso. Matetika dia nataon'ny olona ho faditr'izao totolo izao sy faikan'olona izy ( 1 Kor. 4:13). Izany rehetra izany dia tsy mahagaga rehefa eo ny fahafenoan'ny Fanahy. Amin'ny alalan'ireny fanetrentena sy famonoana ny sitrapon'ny tena ireny mihitsy aza no vao mainka itarihan'Andriamanitra lavidavitra kokoa ny olona feno ny Fanahy Masina.

4- Fitarana hatrany

Fahefatra, ny fiainana feno ny Fanahy Masina dia fiainana izay miezaka hanatratra ny fahafenoan'ny Fanahy Masina any amin'ny ambaratonga ambony kokoa . « Miezaka hanatratra ny marika aho », izany no lazain'ny Apostoly Paoly, telopolo taona teo ho eo taorian'ny niovany fo, rehefa antomotra ny andro hahafatesany (Fil. 3:14). Mbola tsy nahatratra izy. Mbola miezaka hanatratra ambaratonga avoavo kokoa hatrany amin'ny fahafenoan'ny Fanahin'Andriamanitra eo amin'ny fiainany izy. Ary ampiasainy mafy ny hozatry ny fanahiny rehetra hanatrarany izany tanjona izany. « Tsy toy ny efa tanteraka (na efa lavorary) sahady aho » hoy izy ao amin'ny Filipiana 3:12. Eo amin'ny andininy faha 15 dia toa mifanohitra amin'izany anefa no lazainy « Koa aoka isika rehetra izay tanteraka ( na lavorary) hihevitra izany ». Izany no fifanoheran-kevitra misy ao amin'ny fiainana feno ny Fanahy Masina, toa efa lavorary nefa mbola tsy lavorary. Azo lazaina koa hoe, toa efa feno kanefa mbola te hofenoina bebe kokoa. Ny fahafenoana dia zavatra mbola afaka miova. Mbola misy foana ny fahafenoana bebe kokoa noho ny teo aloha. Ny Baiboly dia milaza fa ny Fanahy Masina dia mitondra antsika avy amin'ny voninahitra ka ho any amin'ny voninahitra (2 Kor. 3:18), na azo lazaina koa hoe, avy amin'ny fahafenoana ka ho any amin'ny fahafenoana. Ny kôpy dia azo fenoina rano, azo fenoina rano koa ny siny, ny sinibe ary ny ony. Nefa samy hafa be mihitsy ny fahafenoan'ny kôpy sy ny fahafenoan'ny ony.

Ezahin'ny Fanahy Masina foana izay hanitarana ny habentsika mba hahafahany mameno antsika amin'ny ambaratonga ambony kokoa. Eo indrindra no idiran'ny hazo fijaliana. Tsy hisy fihitarana eo amin'ny fiainantsika raha alavirintsika ny lalankelin'ny hazo fijaliana. Raha manaiky hitondra ny hazo fijaliana tsy miato kosa isika eo amin'ny fiainantsika, dia hiova ho siny ilay kôpintsika, ary ny sinintsika ho tonga sinibe, ary ny sinibe ho tonga ony ary ny ony ho tonga ony marobe. Isaky ny miakatra ambaratonga iray isika dia mihitatra ny habentsika ka mila fenoina indray isika. Amin'izany dia ho tanteraka amintsika ny teny fampanantenana nataon'ny Tompo hoe « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony (Ary ny Fanahy no nolazainy tamin'izany) » ( Jaona 7:38-39 Baiboly Living).