WFTW Body: 

Efa henoko ny dadako (Zac Poonen) nampiasa ity fanoharana anankiray ity mba hanehoana ny fahasamihafana misy eo amin'ny asan'ny Fanahy Masina tao amin'ny Fanekena taloha sy ny asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny Fanekena vaovao. Tao amin'ny Fanekena taloha dia tahaka ny kaopy kely misy sarony ny fon'ny olona (tahaka ilay efitra lamba izay nanakatona ny toerana masina indrindra tao amin'ny tempolin'ny Jiosy). Nilatsaka teo amin'io kaopy misarona io ny Fanahy Masina ary nikoriana ho onim-pitahiana teny amin'ny vahoaka manodidina, tahaka ny nataon'ny Fanahy Masina tamin'i Mosesy, tamin'i Jaona Mpanao batisa, sy ny sisa…

Fa ao amin'ny Fanekena vaovao kosa dia efa nesorina ny saron'ny kaopy (2 Korintiana 3:12-18). Izany dia noharina tamin'ilay efitra lamban'ny tempoly izay rovitra rehefa maty Jesosy, sy tamin'ny lalana mankany amin'ny toerana masina indrindra izay nosokafana. Ankehitriny, rehefa milatsaka ny Fanahy Masina dia fenoiny aloha ilay kaopy, izany hoe dioviny aloha ny fon'ilay mpino ary rehefa avy eo ny Fanahy Masina dia hiboiboika "avy ao an-kibony" ho fitahiana ho an'ny maro, araka izay nohazavain'i Jesosy tao amin'nyJaona 7:37-39. Tahaka izany no anorenana ilay Fiangonan'ny Fanekena vaovao.

Raha ampiasaintsika hitoriantsika teny ho an'ny olona fotsiny ny Fanahy Masina, dia tsy hanorina afa-tsy congrégation (fivoriam-bahoaka) fotsiny isika na tsy hanorina afa-tsy club (fikambanan'ny mpankafy). Fa raha avelantsika hameno antsika kosa Andriamanitra sy handrotsaka ny fitiavany ao am-pontsika aloha voalohany indrindra dia afaka mikoriana avy ao anatintsika ho an'ny hafa Izy. Amin'izay dia hiara-manorina ilay Fiangonana amin'ireo olona izay manana izany fanahin'ny firaisam-po izany isika. Ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny olombelona no hitobaka avy ao am-pontsika ary hisy tena firaisam-panahy miorina amin'ny alalantsika tsirairay avy, izay samy mitondra ny hazo fijaliantsika.

Raha ny marina, ilay Fiangonana tena izy dia miorina indrindra indrindra rehefa mifanalavitraisika. Tsyrehefa amin'ny fotoam-bavaka alahady ihany akory vao miorina ilay Fiangonana. Eny, miorina ao koa izy amin'ny alalan'ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina. Kanefa, vao mainka izy miorina kokoa rehefa mifanalavitra isika. Rehefa alaim-panahy amin'ny zavatra sasany isika, ohatra alaim-panahy tsy hilaza ny marina na ho tezitra na hitsiriritra amin'ny maso, sy ny sisa, dia eo no anaporofoanao fa anisan'ilay Fiangonan'i Jesosy ianao. Ao anatin'ireny fakam-panahy ireny, raha mitondra ny hazo fijaliantsika isika sy maty ho an'ny tenantsika sy miaro ny firaiketam-pontsika (dévotion) amin'ny Tompo ary manohitra ny fahotana, dia mandeha eo amin'ny mazava isika ka manana firaisam-po amin'ny Tompo. Ary rehefa mifankahita isika avy eo dia tena hanana firaisam-po marina tokoa amin'ny namantsika (1 Jaona 1:7).

Kolosiana 2:2 dia miresaka momba ny fo "ampiraisina amin'ny fitiavana". Tsy haiko ny mampiray ny tenako amin'ny hafa, amin'ny fitiavana. Ny Fanahy Masina irery ihany no afaka manao izany asa fampiraisana mampitambatra fo izany. Kanefa raha ny tenako ihany no miezaka mampiray ny foko amin'ny anao amin'ny fomban'olombelona, amin'ny alalan'ny fanomezana, na amin'ny fandaniako fotoana miaraka aminao, sy ny sisa, dia hanorina clubfotsiny aho. Kanefa hoy Andriamanitra "Matesa fotsiny ho an'ny tenanao". Rehefa manao izany aho dia ny Fanahy Masina no hanao ny asa fampiraisam-po amin'ny fomba tsy hita maso sy tsy takatry ny saina, ato amiko sy ao amin'ireo olona izay efa napetrany ao amin'ny fiangonana misy ahy dia ireo olona izay efa maty ho an'ny tenany koa.

Amin'izay dia ho mamy tokoa ny firaisam-pontsika, tsy noho isika mino foto-pampianarana mitovy na manao hira mitovy, fa satria samy efa latsaka tamin'ny tany isika ary samy efa maty ho an'ny tenantsika. Tonga ao anaty firaisam-po amin'ny hafa isika, ary izany dia noho ny Fanahy Masina.

Na inona na inona firaisana misy eo amintsika, ka tsy misy fahafatesana ho an'ny tenantsika, dia tsy hiteraka afa-tsy fisakaizana ihany izany, fa tsy tenafiraisam-pon'ny kristiana. Ny firaisam-po (communion) dia zavatra ara-panahy, fa ny fisakaizana (amitié) kosa dia zavatra ara-nofo.

Ny olona eny amin'izao tontolo izao no mananafisakaizana. Ny mpikambana any amin'ireny clubs marobe eny amin'izao tontolo izao ireny dia manana fisakaizana akaiky be dia be amin'ireo namany ary tena mifampikarakara tsara mihitsy izy samy izy. Kanefa tsy manana firaisam-po velively izy ireo, satria asan'ny fanahy izany ary ny Fanahy Masina irery ihany no afaka manao izany eo amin'ny fiainantsika. Rehefa hitan'Andriamanitra fa misy zanany "mitondra ny fahafatesan'i Jesosy eo amin'ny tenany", dia mamaly soa azy Izy amin'ny fanomezany azy zavatra bebe kokoa avy amin' " ny fiainan'i Jesosy" (2 Korintiana 4:10-11). Io "fiainan'i Jesosy" ao anatin'ny mpino anankiroa io no mitondra ilay tena firaisam-po ao amin'izy ireo. Ary olona tahaka izany no iarahan'Andriamanitra manorina ilay Fiangonan'ny Fanekena vaovao.

Rehefa nanomboka nahita ireo fahamarinana ireo aho dia nijanona tsy nanontany intsony hoe "Tompo o, aiza avokoa ireo olona izay te-hanorina ilay Fiangonanao tena izy?". Teo no nahitako fa Andriamanitra no hitady azy ireny sy hampitambatra azy ireny amiko, raha toa ny tenako vonona ho latsaka amin'ny tany sy ho faty. Raha mandà ny ho faty ho an'ny tenako aho dia tsy hitondra azy ireo aty amiko Andriamanitra.

Ny fiezahana hitady mpino mahafatra-po eny amin'ny manodidina antsika dia tahaka ny fiezahana hitady "fanjaitra ao anaty mololo". Handany taona maro isika hitady ireo fanjaitra bitika kely ao anaty antonta-mololo, ary angamba mety hahita fanjaitra anankiray noho ny ezaka natao nandritra ny aman-taonany. Kanefa hoy ny Tompo, "Aza mandany ny andronao mitady an'ireo fanjaitra ireo. Izaho mahafantatra ny misy azy. Aoka fotsiny ianao ho latsaka amin'ny tany ary ho faty ho an'ny tenanao". Amin'izay dia ho tonga andriamby mahery vaika ilay fiainan'i Jesosy ao anatinao ka hisintona ireo "fanjaitra" (ireo mpianatra mahafatra-po) (Jaona 1:4; 12:32).

Ireo mpino hafa koa izay te hanana fiainana araka an'Andriamanitra sy hanorina ilay Fiangonan'ny Fanekena vaovao dia voasarika ho any aminao sy voasariky ny hazo fijaliana izay torianao. Izany no lalan'Andriamanitra. Izy no mitondra ireo olona mahafatra-po any amintsika. "Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no manatona Ahy" hoy Jesosy ao amin'ny Jaona 6:37 . Ary izany koa no hataon'ny Ray amintsika. Izany no fomba fanorenana ilay Fiangonan'ny Fanekena vaovao.