Rehefa nitondra ny zanak'Isiraely ho afaka tamin'ny fanandevozana tany Egypta Andriamanitra sy nitarika azy nanavatsava ny tany efitra dia nandidy azy Izy hoe "Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho" (Eksodosy 25:8). Nantsoina hoe Tabernakely izany fitoerana masina izany ary taty aoriana dia ny tempoly no nasolo azy rehefa niditra ny tany Kanana ny zanak'Isiraely.
Hitantsika amin'io andininy io fa Andriamanitra no naniry honina teo anivon'ny vahoakany. Hatramin'izay nahatongavan'i Kristy dia tsy nonina tao anaty trano tety an-tany intsony Andriamanitra. Ankehitriny izy dia te honina ao am-pon'ny olona sy ao an-tokantranony. Mbola miteny ny Tompo androany hoe "Manaova fitoerana masina ho Ahy mba honenako miaraka aminareo". Ho amin'izany tanjona izany no nampiraisan'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin'ny fanambadiana. Tsy maintsy manorina ny tokantranony ho fitoerana masina ho an'Andriamanitra izy ireo mba hahafahan'Andriamanitra miara-monina aminy.
Manorina tokantrano ho voninahitr'Andriamanitra
Amin'ny ankapobeny rehefa manambady ny olona dia mieritreritra hanorina tokantrano ho an'ny tenany. Izany no tanjon'ny mpivady rehetra tsy kristiana. Fa isika mpino kosa raha te hanome voninahitra an'i Jesosy Kristy Tompo sy ny Tenin'Andriamanitra dia tsy mahazo manorina tokantrano ho an'ny tenantsika. Tsy maintsy manorina fitoerana masina honenan'Andriamanitra isika. Izany no fahasamihafana fototra misy eo amin'ny tokantrano tena kristiana sy ny tokantrano tsy kristiana. Ary satria tsy izany no tanjon'ny ankamaroan'ny mpino dia fahoriana sy tsi-fahamasinana no ao an-tokantranony. Ho an'ny tenany no nanorenany tokantrano fa tsy ho an'Andriamanitra.
Rehefa manambady ny olona dia manana fanantenana be fa hahita fahasambarana. Enim-bolana aty aoriana anefa rehefa miseho ny marina dia hafa mihitsy ny fizotran'ny tantara. Tsy mitsahatra mifamaly sy mifampivazavaza izy mivady. Rehefa tonga ny faha folo taonan'ny fanambadiany dia efa samy leo sy tofoka ny vadiny avy izy. Inona no anton'izany ? Satria noho izy ireo tia tena dia trano ho an'ny tenany no naoriny. Ny Tenin'Andriamanitra anefa dia mampianatra fa tsy ho sambatra ny fanambadiantsika raha tsy manome voninahitra an'Andriamanitra sy manorina tokantrano ho Azy isika.
Ny tanjon'Andriamanitra ho an'ny mpivady dia mitovy tamin'ny tanjony ho an'ny Zanak'Isiraely tao amin'ny Testamenta taloha. Manakambana olona ao amin'ny fanambadiana Andriamanitra mba hanorenan'ny mpivady tokantrano ho an'ny voninahitr'Andriamanitra. Ao amin'ny Eksodosy dia nomen'Andriamanitra drafitra mazava tsara hanorenany ny tabernakely ny zanak'Isiraely ary tsy maintsy antsakany sy andavany no hanarahany an'izany. Nanana fanetren-tena tokoa ny zanak'Isiraely ka narahiny antsakany sy andavany ny drafitr'Andriamanitra. Vokatr'izany dia nanarona ny tabernakely ny voninahitr'Andriamanitra (Eksodosy 40:34). Ianareo koa dia tokony hanorina ny tranonareo antsakany sy andavany araka ny drafitr'andriamanitra raha tianareo hitoetra ao ny voninahitr'Andriamanitra. Ataovy izay hanorenana fanambadiana mitovy tanteraka amin'izay efa nandidian'ny Tompo ao amin'ny Soratra Masina. Dia hanarona ny tranonareo koa ny voninahitr'Andriamanitra.
Manorina tokantrano araka ny didin'Andriamanitra
Ao amin'ny tokantrano kristiana maro dia misy lolompo, fahasarotam-piaro, fimonomononana ary fitiavam-bola. Tsy dia samy hafa amin'ny tokantrano tsy kristiana izany. Tsotra ny antony : Tsy afaka mameno ilay tokantrano ny voninahitr'Andriamanitra satria tsy niezaka nanorina ny tokantranony araka ny Tenin'Andriamanitra izy mivady. Fa naleony nanorina ny tokantranony araka ny saina aman'eritreriny.
Ao amin'ny 1Korintiana 11:3 dia voalaza mazava tsara ny lamin'Andriamanitra ho an'ny tokantrano "Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra, ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy". Matetika dia izao no soratra hitantsika eny amin'ny rindrina any amin'ny tokantrano kristiana maro : "Kristy no lohan'ity tokantrano ity". Kanefa raha ny tena marina dia tsy Kristy no lohan'ny tokantrano. Rehefa namorona an'i Adama sy Eva Andriamanitra dia Adama no nataony lohan'i Eva. Andriamanitra mihitsy no lohan'i Adama. Rehefa nakamban'Andriamanitra izy roa, ny zavatra vakiantsika manaraka ao amin'ny Soratra Masina dia ny nidiran'i Satana an-tsehatra. Mampianatra antsika izany fa na dia amin'izao andro izao aza, raha vao akamban'Andriamanitra ao amin'ny fanambadiana ny lehilahy sy ny vehivavy dia ho avy Satana. Koa tsy maintsy miambina isika. Tokony tsy afaka miditra ao an-tokantranontsika mihitsy i Satana.
Fomba ahoana moa no nidiran'i Satana tao amin'io tokantrano voalohany io ? Satria tsy nanaraka ny didin'Andriamanitra i Adama sy Eva. Rehefa nanatona an'i Eva i Satana ary nanolo-tsaina azy handika ny didin'Andriamanitra dia tokony namaly Eva hoe "O ry Satana, izaho irery tsy afaka mandray an'izany fanapahan-kevitra izany. Efa nanome ahy olona ho lohako Andriamanitra. Avelao aloha hanontaniako ny heviny dia avy eo aho mamaly anao". Angamba ho hafa tanteraka mihitsy ny tantaran'ny olombelona raha nanao an'izany i Eva ! Saingy nilaozany niady hevitra tamin'i Satana ary farany dia nandray fanapahan-kevitra tsy nierany tamin'ilay olona lohany izy. Nandika ny didin'Andriamanitra ravehivavy ary avy eo dia namporisika ny vadiny handika ny didin'Andriamanitra koa izy. Tokony ho izao no navalin'i Adama an'i Eva "Andriamanitra no lohako. Avelao aho aloha hanontany ny heviny". Fa na i Adama koa aza dia nandika ny didin'Andriamanitra. Raha mba nankato ny didin'Andriamanitra mantsy izy ireo tao an-tokantranony dia tsy ho nisy ireo fahotana sy fahoriana ary korontana rehetra manjaka eto amin'izao tontolo izao ankehitriny. Izany no fomba ahatafidiran'i Satana ao anatin'ny tokantrano maro sy hanimbany azy ireny na ankehitriny aza. Hoy ny Salamo 127:1 "Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy".
Tsy afaka manorina ny tokantranontsika ny Tompo raha tsy mankato antsakany sy andavany ny Teniny isika.