Rehefa manam-pikasana hanangana trano ny mpivady dia arafitr'izy ireo tsirairay ny biriky. Marina izany amin'ny trano ara-nofo ary marina koa amin'ny trano ara-panahy. Inona avy ireo "biriky" ara-panahy ampiasaintsika ?
Azontsika oharina amin'ny biriky handrafetany ny tranony ny fomba fisainan'izy mivady sy ny teny ifanaovany. Ianao irery ihany no afaka mamaritra ny karazana biriky tianao hananganana ny tranonao. Raha jerena ny karazana biriky ampiasain'ny ankamaroan'ny mpivady dia tsy mahagaga raha mirodana ny tranony.
Rehefa manamboatra trano ara-nofo isika dia mifidy izay biriky mafy sady voafantina tsara satria tiantsika hateza ny rafitrano. Kanefa tsy misy trano maharitra mandrakizay. Tsy maintsy ho rava izy indray andro any. Ny trano tena tokony hifantohantsika dia ny fifandraisana amin'ny vady izay aorintsika mandrakizay. Tandremo tsara ny eritreritrareo sy ny teny ifampiresahanareo mivady. Aoka ireny mba ho eritreritra sy teny feno fahadiovana sy hatsaram-panahy.
Mampitandrina antsika ny amin'ny fitsimohan'ny faka mangidy ny Hebreo 12:15. Mety miforona ao am-pon'ny mpivady izany. Ny Baiboly koa ao amin'ny Kolosiana 3:19 dia mandidy ny lehilahy mba tsy ho sosotra amin'ny vadiny. Ny eritreritra sy ny fihetsem-po toy ny hasosorana dia tsy maintsy vonoina ho faty. Ao anatin'ny eritreritsika dia tokony hisy dian'ny rà, izany hoe hazofijaliana izay hahafatesantsika. Tsy maintsy vonoiko ny eritreritra tsy misy fitiavana, ny eritreritra tia tena, ny eritreritra mampisara-bazana. Aza adino mihitsy fa ny devoly dia eo akaikinao eo foana, apetrany eo an-tananao ny vatony sy ny birikiny izay antenainy fa hampiasainao hanamboaranao ny tranonao. Isika izay efa manambady dia mahafantatra ny fakam-panahy izay manosika antsika hanana eritreritra masiaka, tia tena, mora sosotra sy miahiahy ny vadintsika. Entin'ny devoly ny birikin'ny fitiavantena mba hanamboarantsika ny trano araka ny tombontsoan'ny tenantsika irery. Entin'ny devoly ny birikin'ny tsy fahatokisam-bady. Vonoy ny fiahiahiana ary mianara matoky. Ny tsi-fahatokisam-bady no biriky ratsy indrindra entin'ny devoly.
Toy izany ihany, ny teny aloaky ny vavantsika dia biriky ihany koa izay hananganantsika ny tranontsika. Raha ny teny rehetra avoaky ny vavan'ny mpivady no voarakitra sy aseho an-tsary (izany mihitsy no hiseho amin'ny fitsarana farany) dia firy amintsika no ho faly mamerina mihaino azy ireny ? Sa ve isika handositra hiafina ? Tsy mahafinaritra be ve ny an'ireo mpivady nifanao teny feno hatsaram-panahy sy feno fitiavana. Tsy hampiahiahy azy ireo kely akory na ho ren'izao tontolo izao aza ny resaka nifanaovany rehefa tonga ny fitsarana farany.
Tsy tonga lafatra isika kanefa afaka mianatra fanetren-tena, mianatra manao teny mamy ary mamono ny teny mandratra apetraky ny devoly eo amin'ny lelantsika. Eritrereto ireo teny mandratra rehetra ifanaovan'ny mpivady ("Ny dadanao aza tahaka izao" na "ny anabavinao aza tahaka izao" sy ny sisa). Mampalahelo fa olona maro no manangana ny tranony amin'ny biriky toy izany. Kanefa eo anivon'ny toe-javatra mampalahelo tahaka izany dia mila manangana trano manome voninahitra an'Andriamanitra isika, araka ny modely omen'Andriamanitra antsika ao amin'ny teniny.
Hoy ny Efesiana 4:29 "Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto". Ny teny maloto dia mitovy amin'ny biriky mohaka malemy be. Raha manaraka izao fitsipika tsotra izao ny mpivady : tsy miteny afa-tsy tenim-pahasoavana ho an'ny vady, dia ao anatin'ny herintaona fotsiny isika dia hanana trano mafy orina mihoatra noho ny trano boboka rehetra namboarin'ny olona nandritra ny taona maro. Azontsika tsirairay ananana tokoa izany. Ao an-tokantranontsika dia mety hisy fakam-panahy hanaratsy olona. Kanefa fakam-panahy fotsiny ihany izany. Raha misy olona mitsidika ny tokantranonao ary manomboka mifosafosa ianao dia efa mandrafitra biriky mohaka ianao amin'izay fotoana izay. Notoloran'ny devoly biriky mohaka ianao dia noraisinao tsy am-pihambahambana. Aza avela hanao an'izany amin'ny tranonao izy. Matokia fa raha vonona ny hanaraka ny modely napetrak'Andriamanitra ianao dia ho paradisa ny tokantranonao.
Ao amin'ny Deotoronomia 33:16, Andriamanitra dia antsoina hoe "Izay nitoetra tao amin'ilay roimemy". Manondro ny Eksodosy toko faha-3 izany rehefa niresaka tamin'i Mosesy teo amin'ny roimemy mirehitra afo Andriamanitra. Izany toerana izany no fonenan'Andriamanitra voalohany voalaza ao amin'ny Baiboly. Heverinao ve fa nisy mikraoba na bakteria velona tao amin'izany roimemy mirehitra afo izany ? Tsy ho nolevonin'ny afo avokoa ve ireny. Mila an'izany afo izany isika, dia ny afon'ny Fanahy Masina, mba hamono ny mikraoba sy ny bakteria rehetra ao an-tokantranontsika. Inona moa ny mikraoba sy bakteria resahiko eto ? Ny eritreritra maloto misy eo amin'ny mpivady, ny teny masiaka sy mandratra aloaky ny vava, ny fifosana olona tsy amin'ny antony sy ny sisa. Rehefa feno ny Fanahy Masina isika, rehefa mirehitra ao an-tokantranontsika ny afon'ny Fanahy Masina dia voadio ny tokantranontsika. Tsy maninona na tsy mipirina tsara aza ny tranontsika fa ny tenintsika sy ny eritreritsika kosa dia tsy maintsy madio.
Izany no maha samy hafa ny zavatra mahasarotiny an'Andriamanitra sy ny zavatra mahasarotiny ny olombelona. Ny Fariseo dia tsy misy kianina ety ivelany fa ny mpianatr'i Jesosy kosa mitahiry ny ao anatiny ho madio. Mahitsy ny eritreriny sy ny teniny mba hahafahan'Andriamanitra mitoetra ao an-tranony. Raha izany no tadiavintsika dia hitovy tamin'ny tabernakely tao amin'ny Testamenta taloha ny tranontsika izay nidinan'ny voninahitr'Andriamanitra. Hahafinaritra tokoa raha maro ny tokantrano tahaka izany. Andriamanitra izay nitoetra tao amin'ny roimemy no hitoetra koa ao amin'ny tokantrano izay manome voninahitra Azy.