written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Tokantrano Ny Fiangonana
WFTW Body: 

Ny niantsoana antsika dia ny mba hotahian'ny Tompo, ary amin'izany no hahatongavantsika ho fitahiana ny ankohonana tsirairay avy (sy ny olona tsirairay avy) izay tafahaona amintsika ety ambonin'ny tany. Ny Galatiana 3:13,14 dia milaza fa Kristy efa tonga voaozona hamonjy antsika, teo amin'ny hazo fijaliana, mba ho tonga amintsika ny fitahiana an'i Abrahama izay horaisintsika amin'ny alalan'ny fanomezana ny Fanahy Masina. Izany fitahiana izany dia hita ao amin'ny Genesisy 12:2,3 tamin'ilay nitenenan'Andriamanitra tamin'i Abrahama hoe "Hitahy anao Aho ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany". Izany no antony angatahantsika an'Andriamanitra hameno antsika mandrakariva amin'ny Fanahy Masina.

Lovanao izany. Koa takio ary ataovy fiainanao mandavan-taona. Tehirizo ho madio lalandava ny feon'ny fieritreretanao, amin'ny fibebahana sy ny fiaiken-keloka tsy mitsahatra, mba tsy ho tsentsina ny fantsona hikorianan'ny fitahiana.

Voalohany indrindra, Andriamanitra dia te hitahy anao amin'izay rehetra ataonao : amin'ny ara-panahy, ara-materialy, ara-batana, ara-tsaina, amin'ny asa aman-draharaha sy ny zavatra hafa rehetra. Izao no teny fampanantenan'Andriamanitra : "Ny asanao rehetra dia ataony lavorary avokoa" (Sal.1:3) ary "hambinina izay rehetra ataonao" (Jos.1:8). Amin'izao andron'ny fanekena vaovao izao dia te hitahy sy hanambina anao ary hahalavorary izay ataonao Andriamanitra. Voalohany indrindra aloha dia ao amin'ny fiainanao ara-panahy, ary eo amin'ny fiainanao ara-nofo ihany koa. Tsy toy ny tamin'ny andron'ny fanekena taloha, izay nitahiana ny olona ara-nofo fotsiny.

Faharoa, te hitahy ny hafa amin'ny alalan'ny fiainanao Andriamanitra. Tokony hanandrana zavatra amin'ny fiainan'Andriamanitra misy ao aminao izy ireo. Ny vokatr'izany dia ho tonga "hanitry ny fiainana" ianao ho an'ny olona sasany ary ho an'ireo olona hafa (izay tsy manaiky an'Andriamanitra) dia ho tonga "hanitry ny fahafatesana" ianao (2Kor.2:16).

Mba hahatanteraka izany rehetra izany, dia tsy maintsy mazoto mitady fatratra ny ho feno ny Fanahy Masina mandrakariva ianao.

Ny asantsika ety an-tany dia natao hamelomantsika tena fotsiny, mba hahafahantsika manompo ny Tompo tsy hiankin-doha ara-bola na amin'iza na amin'iza. Kanefa tsy maintsy maniry fatratra ny ho tonga fitahiana ho an'ny olona maro arak'izay tratrantsika eto an-tany isika mandritra ireo andro fohy hiainantsika ety.

Matetika ireo mpitory fivavahana malaza aty Inde dia tsy mandeha mitory afa-tsy eny an-tanàn-dehibe. Zara izy ireo raha mahafoy fotoana hiarahana amin'ireo olona tsotra sy mahantra (izay tsy nahita fianarana) any ambanivohitra. Koa faly tokoa aho rehefa nomen'Andriamanitra tombontsoa sy voninahitra hanao asa fanompoana any amin'ireny olona mahantra any ambanivohitr'i Inde ireny. Filazantsaran'ny fandresena fahotana no toriako any, ary manorina fiangonana any ny Tompo. Ary ny vadiko no mitantana ny toeram-pitsaboana ho an'ireo zaza amam-behivavy mahantra any. Samy notahian'ny Tompo be tokoa izahay mivady noho ny nanompoanay tany an'ireo olona ireo.

Mahagaga ny mahita ireo toerena maro izay efa nitondran'Andriamanitra ny horonam-peonay sy ny bokinay. Efa tonga hatrany amin'ny kaontinanta rehetra izy ireny, hatrany amin'ny faran'ny tany (Asa 1:8). Mpitory fivavahana marobe koa no mampiasa ny bokinay sy ny horonam-peonay amin'ny toriteny ataony any amin'ny fiangonany. Tahaka izany no andehanan'ny Tenin'Andriamanitra lavitra kokoa, tonga hatrany amin'ny fiangonana izay tsy ho tongako mihitsy. Deraina ny Tompo. Izahay dia mamporisika ny olona hampiasa malalaka ny fitaovanay, raha toa ka hiainany tokoa izy ireny fa tsy hampiasainy ataony fitadiavam-bola.

Katsaho mandrakariva ny Tompo mba hahazoanao tsy tapaka ny hosotry ny Fanahy Masina sy ny fanomezam-pahasoavana haminany ("fanomezam-pahasoavana hilaza izay Tenin'Andriamanitra sahaza ireo mpihaino"). Aza mba mierireritra akory hoe fieboeboana ny fangatahana ny fanomezam-pahasoavana haminany. Izany no fomba amitahan'i Satana ny olona. Ny Fanahy Masina dia mamporisika antsika mpino rehetra tsirairay avy mba haniry fatratra ny fanomezam-pahasoavana haminany (1Kor.14:1). Noho izany dia katsaho izany fanomezam-pahasoavana izany. Raha tsy angatahinao amin'Andriamanitra izay zavatra mahory anao, na amin'ny inona na amin'ny inona, dia tsy ho azonao mihitsy izany. Tsy maintsy sahy mangataka izay zavatra ilainao ianao, na ara-nofo izany na ara-saina, na vahaolana amin'ny olana araka asa, na vahaolana amin'ny olana ankapobeny. Andriamanitra dia mamela antsika hiatrika olana mba hanatonantsika Azy ka hahitantsika ny vahaolana. Tsy mankaleo be ve ny fiainana raha tsy mba misy tafio-dirvotra azon'i Jesosy atsahatra akory !! Noho izany mangataha, ary aza mitsahatra ny mangataka mba ho tanteraka ny fifalianareo.