WFTW Body: 

"Sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an'Andriamanitra" (Matio 5:8). Ny tsi-fahadiovan'ny fontsika no manajamba ny masontsika. Misy zavatra maro ambaran'Andriamanitra amin'ny olona madio am-po. Lazain'i Jesosy ao amin'ny Lioka 11:34 fa ny maso no jiron'ny tena. Tiako ampifandraisina amin'ny Matio 5:8 io andininy io (Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an'Andriamanitra).

"Raha tsara ny masonao dia hazava ny tenanao rehetra" (Lioka 11:34). Raha tianao ho fantatra izany hoe jamba dia akimpio fotsiny ny masonao dia ho fantatrao Tsy misy tafiditra intsony ny hazavana rehetra ety ivelany ka tsy mahita na inona na inona intsony ianao. "Ny masonao no jiron'ny tena, koa raha tsara ny masonao dia mazava ny tenanao rehetra, fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao. Koa tandremo sao maizina ny mazava izay ao anatinao. Ary amin'izany raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao" (Lioka 14:34-36).

Ny fieritreretana no lazain'io andininy io. Ny fieritreretana no mason'ny fo. Rehefa tehirizinao ho madio ny fieritreretanao dia feno hazavana ny fonao ary mahita an'Andriamanitra ianao. Fa raha ataonao tsirambina ny fahadiovan'ny fieritreretanao izany hoe tsy nibebahanao ny zavatra tsy nety nataonao, raha ny hafa foana no omenao tsiny fa tsy ny tenanao dia miha manjavona tsikelikely ny masonao ary tsy ho hitanao intsony Andriamanitra. Mety mbola feno fahaizana Baiboly ihany ny ao an-dohanao nefa tsy hahita an'Andriamanitra intsony ianao satria tsy misy ifandraisany amin'ny fahaizana Baiboly izany fa amin'ny fahadiovam-po.

Misy fomba anankiray hafa koa azo anazavana an'io andininy io. Azo ilazana ny fahitana an'Andriamanitra eny amin'ny toe-javatra rehetra koa izany rehefa madio ny fontsika. Rehefa madio ny foko ka jereko ny manodidina ahy dia mahita an'Andriamanitra aho ao anatin'ny toe-javatra iainako rehetra, ao amin'ny zavatra rehetra ataony ary ao amin'ny zavatra rehetra lazainy. Afaka miteny aho fa Andriamanitra no mandidy manapaka ary na dia ny ratsy ataon'ny olona amiko aza dia hitako fa ampiasain'Andriamanitra hahasoa ahy. Jesosy dia nahita an'Andriamanitra tao anatin'ny zavatra ratsy indrindra nahazo Azy.. Rehefa tonga nisambotra azy ny miaramila Romana tao Getsemane, i Petera dia tsy nahita afa tsy i Jodasy mpandray kolikoly namadika an'i Jesosy Kristy sy ireo miaramila romana tonga hisambotra ny Tompony. Tsy hitan'i Jesosy ireny. Hoy Izy : "Ny kapoaka nomen'ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?" Mety hoe Jodasy Iskariota na ny Fariseo na ny mpisoronabe no mpiasan'ny paositra kanefa ny nihavian'ny kapoaka dia tamin'ny Ray. Mampaninona moa na olona ratsy fanahy aza ny fakitera raha avy any amin'ny olo-malalanao ny taratasy.

Ny fon'i Jesosy dia nadio koa nahita an'Andriamanitra Izy tao amin'ny zavatra rehetra. Izany no antony naneken'i Jesosy hosamborina sy halaim-baraka ary hombohana tamin'ny hazo fijaliana. Nadio ny fony ary nahita an'Andriamanitra Izy tao anatin'ny zavatra rehetra. Rehefa tia an'Andriamanitra amin'ny fontsika rehetra isika ary nantsoina araka ny fikasany dia miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra (Romana 8:28). Raha madio ny fontsika dia hataon'Andriamanitra mahasoa antsika ny zavatra rehetra ary rehefa jerentsika ny ratsy nataon'ny olona tamintsika ao anatin'ny toe-javatra toa tsy mifanaraka amin'izay nirintsika dia afaka miteny isika hoe "ao anatin'izao Andriamanitra". Izany no mahatonga fitahiana lehibe ao amin'ny fikatsahana ny fahadiovan'ny fo.

Arakaraky ny andalinantsika kokoa ny Soratra Masina no ahitantsika mazava kokoa an'i Jesosy ao anatn'ny Soratra Masina. Ny ankamaroan'ny olona mianatra ny Soratra Masina dia tsy mahita an'i Jesosy. Foto-pampianarana no hitany ary miady ho an'ny foto-pampianarana izy. Fa rehefa madio ny fontsika ary mazava ny masontsika, io Soratra Masina izay tsy ahitan'ny olona afa-tsy foto-pampianarana io no hanambara an'i Jesosy. Ho hitantsika ny voninahitr'i Jesosy izay asehon'ny Fanahy Masina hisarika ny fontsika ho any amin'i Jesosy sy hanahafantsika Azy bebe kokoa.

Tsy maintsy mitaraina amin'Andriamanitra andro aman'alina ao am-pontsika isika araka ny nolazain'i Jesosy tao amin'ny fanoharana ny amin'ilay vehivavy mpitondratena (Vakio Lioka 18:7) "ny olom-boafidin'Andriamanitra dia mitaraina Aminy andro aman'alina". Tsy maintsy mitaraina mafy tahaka io vehivavy mpitondratena io isika mba ho afaka amin'ny herin'ny fahavalontsika sy mba hananantsika fiainana feno fahadiovana sy hery izay irehetan'ny afon'ny Fanahy Masina mandrakariva. Tsy maintsy atahorantsika mihoatra noho ny aretina Sida na dia ny eritreritra maloto anankiray fotsiny aza (na ny fahalotoana izany na ny fankahalana na ny fanaon'izao tontolo izao na ny fitiavam-bola). Indray mandeha tany Isiraely dia nilaza Andriamanitra fa tsy nisy na dia olona iray aza mifoha hifikitra amin'Andriamanitra. Eny na dia i Timoty aza dia nampahatsiarovina mba hamelomany ny afon'ny Fanahy Masina izay tao anatiny (2Timoty 1:6). Tsy manao zavatra fotsiny amin'izao ao anatintsika Andriamanitra satria fanesorana ny fahafahantsika misafidy izany. Kanefa manampy antsika ny heriny tsitoha rehefa mahita na dia kely aza ao anatintsika Izy faniriana ho Azy sy hahazo ny tsara indrindra avy aminy.

Sambatra ny olona izay mikatsaka amin'ny fony rehetra hitahiry ny fieritreretany ho madio eo anatrehan'Andriamanitra, tahaka an'i Paoly, ka madio am-po satria hahita an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra izy, ao anatin'ny Teniny ary ao anatin'ny zavatra mitranga .