WFTW Body: 

Rehefa nambaran'i Jesosy tamin'ny mpianany ny amin'ny fiverenany ao amin'ny Matio 24, dia nohamafisiny imbetsaka fa tsy maintsy miambina izy ireo (Mat. 24:42,44 ; 25:13). Ny zava-dehibe indrindra izany dia fiambenana ara-panahy sy fiomanana mandrakariva, fa tsy fahafantarana izay zavatra lazain'ny faminaniana akory. Ao amin'ny Matio 25 (izay tohin'ireo faminaniana natomboka tao amin'ny Matio 24), dia misy sehatra anankitelo izay iantsoan'i Jesosy antsika hiambina sy ho marina mba hahatonga antsika ho voaomana ho amin'ny fihaviany.

1 - Fahamarinana amin'ny fiainana miafina

(Matio 25:1-13). Ao amin'io fanoharana io dia niresaka ny amin'ireo virjiny folo i Jesosy. Mariho tsara fa tsy nisy vehivavy janga tamin'izy ireo (Jereo ny famaritana ny fijangajangana ara-panahy ao amin'ny Jakoba 4:4). Samy virjiny avokoa izy rehetra. Izany hoe samy tsara laza teo amin'ny tany ama-monina. Nazava avokoa ny fahazavany ( Matio 5:16). Hitan'ny olona ny asa soa nataony. Kanefa tamin'ireo virjiny ireo dia dimy monja no hendry. Saingy tsy nisy nahatsikaritra izany tamin'ny voalohany. Ny dimy tamin'ireo virjiny ihany no nitondra solika fitaiza tao anaty fitondrany (Matio 25:4).

Ny solika fitaiza dia tsy misy mahita amin'ny alina, tsy mba mitovy amin'ny fanala, ary entina milaza ny fiainantsika miafina eo anatrehan'Andriamanitra izany, izay tsy hitan'ny olona ao anatin'ny aizin'izao tontolo izao. Isika rehetra dia samy manana fitondrana avokoa. Ny fanontaniana dia izao, misy solika ve ao anatiny sa tsia ? Ny solika foana no anoharana ny Fanahy Masina ao amin'ny Baiboly, ary entina milaza ilay fiainan'Andriamanitra ampitain'ny Fanahy Masina ho ao anatin'ny fanahintsika. Ny fisehon'izany fiainan'Andriamanitra izany ety ivelany dia fanazavana (Jaona 1:4). Ny mitahiry azy ao anaty dia ny solika. Maro ny olona no variana fotsiny amin'ny laza tsaran'ny fiainana ety ivelany. Fahadalana izany. Ao amin'ny fotoanan'ny fisedrana sy fitsapana no ahitana fa ny fanazavana ety ivelany fotsiny dia tsy ampy. Tsy maintsy mila ny fiainan'Andriamanitra voatahiry ao anatiny ny olona raha te-hivoaka ho mpandresy.

"Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, dia kely ny herinao" ( Oha. 24:10). Ny fotoan-tsarotra lalovantsika no mampiseho na olona mahery isika na olona kely hery. Ao amin'ity fanoharana ity, ny fotoan-tsarotra dia rehefa nahemotr'ilay mpampakatra ny fihaviany. Ny fotoana no manaporofo na manana fiainam-bavaka isika na tsia. Izay mino ka maharitra hatramin'ny farany no vonjena. Ny fotoana ihany koa no manaporofo hoe iza no manana tahiry anaty ary iza no tsy manana. Ny ankamaroan'ny olona dia tahaka ny voa malaky mitrebona, kanefa tsy manana fiainana anaty. Tsy misy tany lalina ao anatin'ny fony (Marka 4:5). Izany no mahasarotra ny fanombanana ny fiainam-panahin'ny mpino vaovao, sy ny fahatsorampony. Ny fotoana no hamosaka ny zavatra rehetra, raha manana faharetana miandry isika. Ny fomba fiomanana amin'ny fihavian'i Kristy àry, dia ny fananana fiainana anaty madio sy marina, eo anatrehan'Andriamanitra, na ao an'eritreritsika izany, na ao amin'ny toetrantsika na amin'ny faharisihantsika hanao zavatra, izay tsy hitan'ny olona manodidina antsika. Raha tsy manana an'izany isika, dia mamita-tena foana raha mihevitra fa efa voaomana ho amin'ny fihavian'i Kristy.

2 - Fahamarinana amin'ny fanompoana

(Matio 25:14-30). Ao amin'ity fanoharana faharoa ity, dia asongadina ny fahamarinana amin'ny fampiasana ireo talenta nomen'Andriamanitra antsika. Ny talenta dia entina anoharana ny fananana ara-nofo, ny vola, ny fahaizana voajanahary, ny fanambinana, ny fanomezam-pahasoavana sy ny sisa. Tsy mitovy daholo isika amin'io sehatra io, satria hitantsika ao amin'ny fanoharana fa ny anankiray nomena talenta dimy, ny anankiray nomena roa ary ny anankiray tsy nomena afa-tsy iray. Nefa kosa samy nomena fe-potoana mitovy avy izy hampiasany amin'ny fahamarinana ny talenta noraisiny. Fa izay nomena be, dia be koa no hotadiavina aminy. Noho izany ilay olona izay nampitombo ny talentany anankiroa ho tonga talenta efatra dia nahazo valisoa mitovy amin'ny an'ilay nampitombo ny talentany dimy ho tonga folo. Fa famaizana kosa no azon'ilay nandevina ny talentany 'tao anaty tany' (Matio 25:18), izany hoe ilay nampiasa ny talenta nomen'Andriamanitra azy ho an'ity tany ity fa tsy ho an'Andriamanitra. Tsy misy afaka milaza isika fa tsy nandray na inona na inona izy, satria isika rehetra dia samy efa nandray talenta na zavatra hafa tamin'Andriamanitra avokoa. Ny fanontaniana dia izao : inona no ampiasantsika ireny talenta ireny. Ny talenta ampisaintsika ho an'ny tenantsika dia mitovy amin'ny nalevina tao anaty tany ihany. Ny talenta ampiasaintsika ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany no hisaina ho harena mandrakizay. Raha izany fomba fanisana vaovao izany no ampiharina dia hita fa mahantra avokoa ny ankabeazan'ny mpino. Ny teny filamatra tokony ananantsika dia "Ny zava-drehetra ho an'Andriamanitra, ary tsy misy na inona na inona ho an'ny tena". Amin'izay dia ho voaomana ho amin'ny fiverenan'i Kristy isika. Tsy azo ekena ho mpianatr'i Kristy raha tsy efa nahafoy izay rehetra nananana. Raha misy olona izay tsy mampiasa ho an'ny Tompo, ny fananany rehetra sy ny fanomezana rehetra izay nomen'Andriamanitra azy, dia mamita-tena izy raha mihevitra fa efa voaomana ho amin'ny fiverenan'i Kristy.

3 - Fahamarinana amin'ny fanompoana ny rahalahy

(Matio 25:21-46). Ao amin'ity tapany farany ity, dia ny toetrantsika manoloana ireo rahalahy mahantra namantsika no asian'i Jesosy resaka. Mety ho fahantrana ara-panahy izany, mety ho ara-batana. Eto dia hitantsika fa misy olona mandova ny fanjakana satria ny fanompoana nataony ho an'ny rahalahy namany dia tahaka ny nataony ho an'ny Tompo. Tao amin'ny mangingina tanteraka no nanaovany ny fanompoany, koa na dia ny tanany ankavia aza dia tsy nahafantatra izay nataon'ny tanany ankavanana ( Matio 6:3). Hany ka rehefa nampahatsiahivin'ny Tompo azy ireo ny soa nataony dia tsy tadidiny akory ! (Matio 25:38). Jesosy dia nampianatra koa teto fa ny fanompoana ataontsika amin'ny rahalahiny kely indrindra dia mitovy amin'ny fanompoana atontsika ho an'ny Tompo ihany ( Matio 25:40). Misy dikany matoa miresaka ny kely indrindra Jesosy eto, satria isika dia mitady hanompo ny rahalahy lehibe sy manan-kaja foana ary mitady hanao tsinontsinona ny malahelo sy ny amavoina ! Ireo olona variana mihinana sy misotro sy mividy sy mivarotra sy manao trano sy mamboly ho an'ny tenany samirery, dia azo antoka fa ho tavela rehefa miverina Jesosy (Lioka 17:28,34). Ireo izay nanompo ny Tompo sy nentanim-pitiavana niahy ny rahalahiny ihany no horaisina. Misy andininy anankiray ao amin'ny Baiboly iresahan'i Jesosy sokajin'olona izay mifanohitra amin'ity sokajy voalaza eto ity. Tsy iza izany fa ireo olona izay mahatadidy ny soa rehetra nataony tamin'ny anaran'ny Tompo. Izy ireo koa dia eo amin'ny fitsarana, ary mampahatsiahy ny Tompo izy hoe efa nandroaka demonia tamin'ny anaranao izahay, efa nitory, efa nanasitrana ny marary tamin'ny anaranao sy ny sisa. Kanefa nolavin'ny Tompo an-kitsirano izy ireo, na dia nanao izany zavatra rehetra izany aza, satria tsy tanteraka ilay fepetra voalohany takiana, dia ilay fiainam-pahamasinana miafina eo anatrehan'Andriamanitra. Ny halehiben'ny fanomezam-pahasoavany no tena nimasoan'izy ireo.