Ny Fanahy Masina dia antsoina hoe Fanahin'ny fahamarinana. Hoy Jesosy "Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra ; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa ; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo" (Jaona 16:13).
Tsy te hilaza afa tsy ny fahamarinana aho eo amin'ny fiainako satria izany no dikan'ny hoe manaraka an'i Jesosy. Hoy Jesosy "Izaho no fahamarinana". Matetika ny mpitory fivavahana kristiana dia manao teny ankolaka rehefa miresaka amin'ny olona. Izao no ao an-tsainy : "raha tahaka izao no itenenako an'io dia mety miteraka olana fa aleo tenenina ankolaka". Jesosy tsy mba niteny ankolaka mihitsy. Nolazainy tsotra sy mivantana foana ny fahamarinana. Tsy milaza aho hoe vantambantana Izy rehefa miteny ary tsy tokony hivantambantana koa isika, fa tsy mba nanao teny ankolaka i Jesosy mba hahazoany tombontsoa manokana. Mino aho fa tokony halemy paika sy hitsimbina ny olona isika rehefa miteny ny marina (fa tsy mivatravatra). Tokony halemy paika foana isika isak'izay miresaka amin'ny olona fa ny resahiko eto dia ilay filazana ny fahamarinana rehefa ianao no voakasik'ilay izy. Tsy maintsy lazaintsika ny marina momba antsika.
Efa fantatrao ve fa ny Fanahy Masina dia mitari-dàlana antsika ho amin'ny marina rehetra ? Ny fahotana voalohany nomelohin'ny fiangonana tany am-piandohana dia ny fahotana noho ny tsi-fitsorana ny marina, fa tsy ny fahotana noho ny fitsiriritana zavatr'olona. Ao amin'ny Asan'ny Apostoly toko faha 5 dia nahita olona maro nivarotra ny taniny sy nitondra ny vola teo an-tongotry ny apostoly i Ananiasy sy i Safira (maro ny nanao an'izany tao amin'ny Asan'ny apostoly 4:34). Mba te halaza hoe olona mahatoky sy efa nanolotena tanteraka ho an'Andriamanitra koa i Ananiasy sy Safira. Koa nivarotra ny ampahany tamin'ny taniny izy kanefa tsy napetrany teo an-tongotry ny apostoly tahaka ny nataon'ny hafa ny vola rehetra. Andeha ataontsika hoe namidiny roa tapitrisa ny tany ary natazoniny ny iray tapitrisa ka ny 50 isan-jato no nomeny ho an'ny fiangonana. Raha amin'izao fotoana izao ianao no mahita olona mivarotra ny fananany ka manome ny 50% ho an'Andriamaintra, tsy hataonao hoe kristiana tena mahafatra po ve izany olona izany ! Kanefa novonoina i Ananiasy, tsy noho ny vola nomeny na ny vola tsy nomeny fa noho izy nandainga.
Mba nankeo amin'ny filaharan'ireo olona mpanome zato isan-jato izy ary tsy niteniteny rehefa nametraka ny vola teo an-tongotry ny apostoly ny olona. Napetrany koa ny volany dia lasa izy. Rehefa nandeha izy dia hoy Petera "ry Ananiasy miverena kely ianao". Nomen'Andriamanitra fahazavan-tsaina i Petera hoe mpandainga io lehilahy io. Hoy Petera taminy ao amin'ny Asan'ny apostoly 5:4 "Fony tsy namidy ny tany, tsy anao ihany va izy ? Tsy nisy niteny taminao hoe amidio. Tsy mila ny volanao Andriamanitra ary tsy mila ny taninao. Ny olona rehetra dia nanome an-tsitrapo avokoa, ary rehefa namidinao ny tany dia mbola anao ihany ny vola vidin'ny tany. Tsy nisy niteny taminao hoe omeo ny 50% na 10% eny na 1% aza, koa nahoana no nisaina izany tao amponao hianao ? Nandainga tamin'Andriamanitra ianao". Mety afaka namaly i Ananiasy hoe "Izaho tsy nanokatra ny vavako akory". Kanefa fantatrao ve fa azo atao ny mandainga amin'Andriamanitra na dia tsy misoka-bava aza ? Nijoro teo amin'ny filaharana fotsiny i Ananiasy, nametraka ny vola teo an-tongotry ny Apostoly dia lasa nandeha. Tsy niteny izy na indraim-bava aza kanefa tamin'ny fihetsika nataony dia nandainga izy. Fihatsaram-belatsihy izany, mody manao fotsiny.
Azonao atao ny manatrika fiaraha-mivavaka ao am-piangonana ary mody miseho ho olona mahatoky tahaka ny hafa rehetra nefa ianao mandainga. Raha miara-mipetraka amin'ny olona eo ianao ary mody miseho ho olona mahatoky tahaka ny hafa nefa tsy izany akory dia mpandainga ianao na dia tsy manokabava aza. Azonao atao ny mihira ho an'i Jesosy hoe "Raiso aho Tompo o, raiso koa ny volako ho Anao tokoa izao". Ary satria mba miara-mihira amin'ny olona rehetra ianao sady tsara be ny tononkira sy ny feony, nefa tsy tena vokatry ny fonao izany tononkira izany dia tena mpandainga hiringiriny ianao. Betsaka kokoa ny lainga ataon'ny kristiana amin'Andriamanitra amin'ny andro alahady noho ny amin'ny andro hafa amin'ny herinandro noho ny hira hirain'izy ireo ! Raha mihira ianao hoe " Indro Tompo fa omeko …ka tsy misy izay tsy foiko …" kanefa mbola misy zavatra tsy foinao dia mpandainga ianao. Mety tsy milaza ny marina aminao ny mpitory teny kanefa mila mandre an'izany ianao satria izany no marina. Raha efa natolotrao an'i Kristy avokoa ny zavatra rehetra dia hirao izany. Raha tsy izany dia aoka ianao hangina na lazao hoe "Tompo o, tiako hatolotra Anao ny zavatra rehetra kanefa mbola misy tsy natolotro". Izany no marina kokoa. Tsy maninona na tsy mifanaraka amin'ny tononkiran'ny olona aza ny anao. Tsory amin'Andriamanitra ny marina.
Inona ny vokatr'izany ? Ny 2Tesaloniana 2:10 dia miresaka ny amin'ireo olona tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana. Ny fitiavana ny fahamarinana dia mihoatra noho ny filazana ny fahamarinana. Afaka milaza ny fahamarinana aho kanefa ambaratonga ambony kokoa ny tia ny fahamarinana. Manana faniriana mamaivay aho ato anatiko hilaza ny fahamarinana izay tiako aho ary tsy tiako hisy lainga na iray aza ato anatiko. Raha tsy mandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena antsika amin'ny lainga rehetra isika dia voalaza ao amin'ny 2Tesaloniana 2:11 ny vokatr'izany : Andriamanitra mihitsy no hamitaka antsika. Anisan'ny andininy mampatahotra indrindra ao amin'ny Testamenta vaovao io.
Mamelà ahy hilaza mazava aminao ry namako malala fa raha tsy tia ny fahamarinana ianao dia Andriamanitra Tsitoha no hamitaka anao. Satana dia mpamitaka. Ny filànao dia mamitaka anao. Ny fonao dia mamitaka anao. Ambonin'izany, raha ilay Andriamanitra Tsitoha izay fara fanantenanao hiaro anao amin'ny famitahana no misafidy ny hamitaka anao dia inona intsony ny aminao ? Voalazan'ny 2 Tesaloniana 2:11 fa hampino lainga anao Andriamanitra, hampino anao Izy fa olona efa nateraka indray ianao kanefa tsy izany. Hampino anao Izy fa olona feno ny Fanahy masina ianao kanefa tsy feno ny Fanahy Masina akory. Inona no antony ? Tokana ihany : tsy mandray ny fitiavana ny fahamarinana ianao.
Fantatrao ve ny fahotana voalohany voalaza ao amin'ny Baiboly ? Ny lainga, rehefa nilaza lainga tamin'i Eva i Satana hoe "Tsy ho faty tsy akory hianareo" (Genesisy 3:4). Izay ilay fahotana voalohany voalaza ao amin'ny Baiboly : ny lainga.
Inona ny fahotana farany voalaza ao amin'ny Baiboly ? Sokafy ny Baibolinao ao amin'ny toko farany indrindra dia ho hitanao fa ny lainga koa no fahotana farany voalaza ao. Voalaza ao amin'ny Apokalipsy 22:15 fa ny mpandainga dia any ivelan'ny tanàna masina. Koa ny fahotana voalohany sy ny fahotana farany voalaza ao amin'ny Baiboly dia ny lainga. Ny lainga no fahotana voalohany namaizana olona tao amin'ny fiangonana voalohany. Ny olona izay fitahin'Andriamanitra dia ny olona tsy tia ny fahamarinana.
Tena zavadehibe izany ka aza atao tsirambina mihitsy. "Fa aoka ny teninareo ho eny, eny ; Tsia, tsia" (Matio 5:37). Miaro antsika amin'ny famitahana izany. Hoy Jesosy "Izaho no làlana". Mankasitraka an'izany isika rehetra. Manaiky isika fa Jesosy no Làlana sy Fiainana. Kanefa nilaza koa Izy hoe "Izaho no fahamarinana, Izaho no tena marina" (Jaona 14:6).
Tsy afaka nisitraka an'izany ny olona tao amin'ny Testamenta taloha. Hoy Davida ao amin'ny Salamo 51:6 rehefa niaiky ny fahotany tamin'i Batseba izy "Tompo o, manaiky aho fa ianao efa nisafidy ny fahamarinana ao am-po, tsy ananako izany. Mpihatsaravelatsihy aho. Nahavita namono an'i Goliata aho, nahavita nandresy ny Filistina aho kanefa nisy fihatsarambelatsihy tato ampoko. Nanota tamin'i Batseba aho ary nataoko izay nanafenana izany tamin'ny namporisihako ny vadiny hiara mandry taminy tamin'io andro io. Tsy nahomby anefa izany. Avy eo dia novonoiko ny vadiny ary nanambady azy aho. Tompo o fantatro fa ny fahamarinana ao am-po no irinao. Kanefa tsy ananako izany". Ny fahamarinana ao am-po anefa no anisan'ny zavatra mahatalanjona indrindra azontsika raisina avy amin'ny Fanahy Masina ankehitriny. Ny Fanahin'ny fahamarinana no hahatonga antsika ho marina manerana ny any anatintsika lalina any ka hatrany amin'ny fontsika.
Ny Apokalipsy toko faha 14 dia miresaka ireo olona miara-mitsangana amin'ny Zanak'ondry eo an-tendrombohitra Ziona. Ambaran'ny Apokalipsy 14:4fa misy vondron'olona mpandresy izay manara-dia ny Zanak'ondry na aiza na aiza alehany. Ny toetra anankiray mampiavaka azy ireo dia izao : "Tsy nisy lainga hita teo am-bavany" (Apokalipsy 14:5). Raha vao teraka ny zanak'olombelona dia efa mpandainga. Vakiantsika ao amin'ny Salamo 58:3 izany. Kanefa eto dia misy vondron'olona efa afaka tanteraka tamin'ny lainga ka tsy hita ao aminy intsony na ny soritry ny lainga aza. Efa tonga tahaka an'i Jesosy izy ireo : feno fahamarinana ! Te hamporisika anao aho : mila manadio ny tenantsika ho afaka amin'ny karazana lainga rehetra isika.
Na dia vidiana lafo aza ny filazana ny marina, raha mijoro amin'ny fahamarinana ianao ary manapa-kevitra fa hanafoana ny lainga rehetra eo amin'ny fiainanao dia hadio 100 isan-jato ny fiainanao. Afaka mahita an'Andriamanitra ianao. Tsy hisy hahavoa anao ireo famitahana miely patrana eo amin'ny fivavahana kristiana ankehitriny. Ho fantatrao ny marina satria Andriamanitra mihitsy no haneho aminao ny fahamarinana, ary tsy ho voafitaka mihitsy ianao ny amin'ny toetry ny fiainam-panahinao.