written_by :   Zac Poonen
WFTW Body: 

Ny Fanahy Masina no anisan'ny lohahevitra fototra ao amin'ny Testamenta Vaovao, ary ny Fanahy Masina koa no anisan'ny lohahevitra fototra ao amin'i Isaia toko 40 hatramin'ny toko 66.

« Indro ny Mpanompoko izay tantanako ... » (Isaia 42:1). Ny tena mpanompon'Andriamanitra dia izay tantanan'Andriamanitra, fa tsy izay tantanan'ny vola na tantanan'ny fikambanana anankiray na tantanan'ny iraka anankiray. Ny Tompo irery ihany no afaka mitantana antsika amin'ny fotoana rehetra. Mety misy olona manome fanomezana antsika. Kanefa tsy mahazo miantehitra aman'olona ary tsy mahazo miantehitra amin'ny vola velively isika. Ny teny hoe « tantanana » dia manondro izay ianteherantsika. Tsy maintsy miantehitra amin'ny Tompo irery ihany isika. Rehefa tonga olona tsy misy mpiahy intsony isika vao hametraka ny Fanahiny ao anatintsika Andriamanitra.

Izao no voasoratra ao amin'ny Isaia 42:2,3 : « Tsy hiantsoantso Izy na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony any an-dalana ». Notaterina izany teny izany hilazana an'i Jesosy ao amin'ny Matio 12:9 ka ny tohiny dia hoe « ... Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana. Tsy hotapahiny ny volotara torotoro ... ».

Midika izany fa ny Tompo dia tsy mba hanakivy ny olona efa namotika ny fiainany, na iza izany na iza, fa hampahery azy sy hanasitrana azy kosa Izy. Tsy hovonoin'ny Tompo ny lahin-jiro manetona izay efa madiva ho faty. Vao mainka hotsofin'ny Tompo izany ho tonga lelafo. Andriamanitra dia mihevitra foana ny hanampy ny mpino marefo izay efa resin'ny fahotana. Andriamanitra dia mihevitra ny hanampy ireo olona efa kivy sy ketraka ary mampitraka azy ireny.

Ny tena mpanompon'ny Tompo dia manana izany asa fanompoana fampaherezana tahaka izany foana, mampitraka ireo reratsaina sy mamoifo, tsy manan-katenaina intsony sady tena leon'ny fiainana. Andeha isika hikatsaka izany asa fanompoana izany, satria ilain'ny olona rehetra na aiza na aiza izany.

Isaia 42:6-8 : Izao no lazain'ny Tompo amintsika « … Izaho efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana. Izaho efa niantso anao hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ». Asa fanompoana goavana izany. Kanefa tadidio foana ity zavatra anankiray ity : Hoy ny Tompo : « ny voninahitro tsy homeko ny hafa » (Isaia 42:8).

Isika dia tsy mahazo mikitika voninahitra na kely akory aza ao anatin'ny fanompoana ataontsika. Ny fihamboantsika na ny fakantsika voninahitra ho an'ny tenantsika dia tena fahotana lehibe dia lehibe tokoa. Ratsy lavitra noho ny mangala-bola izany. Mety hitahy ny asa fanompoana ataonao Andriamanitra ary mety hampiasa anao amin'ny fomba mahery vaika Izy. Kanefa tsy homen'Andriamanitra ny olona na oviana na oviana ny voninahiny. Raha vao mikitika kely fotsiny ny voninahitr'Andriamanitra ianao, dia mamotika ny tenanao, tahaka ny nahapotika ireo mpanompon'ny Tompo marobe. Raha vao manandra-tena kely fotsiny eo anatrehan'ny olona ianao, mitarika ny olona ho any aminao fa tsy mitarika azy ho any amin'ny Tompo, ka mihambo ho nanao ny zavatra nataon'Andriamanitra, dia efa eo amin'ny toerana mampidi-doza no misy anao. Tahaka izany no nahavery ny hosotr'Andriamanitra teo amin'ny fiainan'ny olona an'aliny maro.

Isaia 42:19 : « Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko ? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko ? Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i Jehovah ary jamba tahaka ny mpanompony ? ». Toa mampanahiran-tsaina izany teny izany, indrindra fa momba an'i Jesosy no resahina mazava tsara eto (araka izay hita ao amin'ny andininy 1).

Inona no dikan'io teny io ? Ny dikany dia hoe ny tena mpanompon'Andriamanitra dia ho jamba sy marenina amin'ny zavatra maro izay hitany sy henony manodidina azy. Mahita zavatra marobe izy, kanefa tsy mitandrina an'ireny (Isaia 42:20). Tsy mandehandeha mijery ny fahotan'ny hafa izy. Tsy mandehandeha mihaino izay lazain'ny olona izy mba hamandrihany azy raha misy zavatra henony. Izany no nataon'ny Fariseo, nitetika izay hamandrihany an'i Jesosy foana tamin'izay zavatra nolazain'i Jesosy izy ireo mba hiampangany Azy. Mampalahelo fa kristiana marobe no tahaka izany, mitetika hiampanga olona foana amin'izay zavatra mety holazain'ilay olona, ary matetika dia fialonana ny asa fanompoan'ilay olona no antony anaovany an'izany. Aza mba manahaka ny olona tahaka ireny.

Aoka ianao ho marenina sy jamba amin'ny zavatra maro izay henonao sy hitanao manodidina anao. Naheno ve ianao fa misy olona nanendrikendrika anao ? Raha narenina izao ianao, dia tsy ho nahare an'izany. Koa manaova marenina àry ! Tsy tsara ho an'ny mpanompon'Andriamanitra ve ny jamba raha misy vehivavy tsara tarehy ? Mana-maso ianao kanefa tsy mahita. Jamba ianao izany. Manan-tsofina ianao fa tsy mandre ! Satria ianao tsy hitsara araka ny hitan'ny masonao sy araka ny ren'ny sofinao. Tahaka izany no niainan'i Jesosy, ary tahaka izany koa no tsy maintsy iainantsika (Isaia 11:3).