WFTW Body: 

Tsy maintsy ianaranao ny manavaka ny fivavahana manaraka fombafomba sy ny fivavahana ara-panahy. Ny fivavahana manaraka fombafomba dia fandraisana anjara amin'ireo asam-piangonana maro. Fa ny atao hoe araka ny fanahy dia mamela ny Fanahy Masina hanova ny toe-tsaintsika (mikasika ny zavatra rehetra) hitovy amin'ny toe-tsain'i Jesosy (Fil. 2:5), " Aoka ho ao aminareo izao saina izao izay tao amin'i Kristy koa …". Tsy azontsika atao mihitsy ny mamita-tena sy milaza ho efa mandroso ara-panahy raha toa ka tsy tonga izany fiovan'ny toe-tsaina ataon'ny Fanahy Masina izany rehefa manoloana ny vehivavy isika, manoloana ny vola, ny olona, ny toe-javatra, ny laza amam-boninahitra sy ny sisa. Ny asa atao amin'ny fanarahana fombabomba fotsiny dia hahatonga antsika ho fasana voalalotra fotsy tahaka ny Fariseo. Tsy maintsy ataontsika izay azo atao, miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina, mba ho voavonjy amin'ny toe-tsaina tsy mendrika isika.

Samy hafa mihitsy ny atao hoe mpanaraka fombafomba sy ny hoe araka ny fanahy. Tao ambanin'ny fanekena taloha dia maro tamin'ireo olona niezaka nitady ny fahamarinana no tonga Fariseo mpanaraka fombafomba. Izy ireny no tena fahavalon'i Jesosy lehibe indrindra. Ankehitriny dia mbola misy olona mandray ny fahamarinan'ny fanekena vaovao amin'ny fanahin'ny lalàna kanefa lasa mpivavaka mpanaraka fombafomba fotsiny. Amin'izao androntsika izao dia izany no fomba ahatongavana ho tena fahavalon'Andriamanitra.

Ny olona izay liana kokoa amin'ny fianarana ny tenin'Andriamanitra amin'ny saina, mihoatra noho ny famenoan'ny Fanahy Masina sy ny fankasitrahan'Andriamanitra, dia efa atahorana ho tonga Fariseo mpanaraka fomba, fa tsy kristiana araka ny fanahy. Tao amin'ny Testamenta Taloha dia nasaina nisaintsaina ny lalàn'i Jehovah ny olona (Sal. 1:2). Fa ao amin'ny Testamanta Vaovao kosa dia asaina misaintsaina ny voninahitr'i Jesosy Tompo hita ao amin'ny filazantsara ny olona (2 Kor. 3:18). Ny soratra mahafaty. Ny fanahy no mahavelona.

Ny fanjakan'Andriamanitra dia fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina (Rom. 14:17). Ny fivavahana manaraka fombafomba dia mety hanana ny fahamarinan'olombelona, saingy tsy hisy fiadanana sy fifaliana mihitsy ao. Ho feno toloko aman-taraina sy tahotra ary fanahiana maro ao. Ny tena fivavahana kristiana dia finoana mitondra fiadanana feno, izany hoe mitondra fihavanana amin'Andriamanitra (madio ny eritreritra momba ny raharaha rehetra), sy fihavananaamin'ny olona (araka izay azontsika atao), ary fiadanana ao anaty (afaka amin'ny ahiahy sy ny rarintsaina). Hitondra fifaliana mitafotafo koa izany, izany hoe fiainana heniky ny fisaorana sy ny fiderana na inona na inona mitranga. Hoy ny hirantsika :

"Tsy nandatsa-dranomaso noho ny fahoriany Izy

Fa ny dininy nanjary rà noho ny fahoriako "

Tahaka izany ny fomba niainan'i Jesosy. tsy mba nalahelo ny tenany na oviana na oviana Izy. Na dia nivoa-drà sy nitondra ny hazo fijaliana aza Izy dia nanao hoe "Aza mitomany ahy" (Lioka 23:28). Tsy nisy fangorahan-tena tao Aminy. Nifaly lalandava Izy na dia nampijalian'ny maro aza satria teo anatrehan'Andriamanitra no niainany. Tahaka izany koa no tokony hiainantsika, tsy mandatsa-dranomaso noho ny fahoriantsika.

Ny fivavahana mpanaraka fombafomba dia mety hahavita asa marobe. Kanefa mirehareha izy ary manamavo ny hafa. Rehefa manao tsinontsinona ny hafa isika na be fireharehana noho ny fahamarinantsika, dia mpivavaka manaraka fombafomba isika izay fa tsy mpivavaka ara-panahy. (Ny fanetren-tena dia tsy dia resahina firy ao amin'ny Testamenta Taloha, satria toetra ao amin'ny fanekena vaovao izany). Tsy maintsy ataontsika azo antoka tsara fa miaraka amin'ny fitomboan'ny fahaizantsika Baiboly dia tonga olona araka ny fanahy isika fa tsy tonga mpivavaka mpanaraka fombafomba kokoa fotsiny.

Mamelà ny heloky ny olona rehetra izay nanisy ratsy anao, ataovy vita fihavanana amin'Andriamanitra sy amin'ny olona ianao, maniria fatratra ny ho fenoina ny Fanahy Masina ary amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra dia manàna finiavana handeha amin'ny lalan'ny fahafatesan'i Jesosy isan'andro. Dia ho tonga olona araka ny fanahy ianao.