WFTW Body: 

Fa Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena. Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro (1Petera 5:5,6).

Ny hoe nasandratra dia tsy midika akory hoe tonga olo-malaza eto amin'izao tontolo izao na eo amin'ny tontolo kristiana ka hajain'ny olona. Fisandratana ara-panahy no resahiny amin'izany, izay andraisana fahefana ara-panahy hanatontosana ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainana sy eo amin'ny asa fanompoana. Kanefa izany fisandratana izany dia miankina amin'ny fanentrentenantsika.

Isika rehetra dia mahafantatra fa izao tontolo izao dia feno olona te hihalehibe hihalehibe hatrany eo imason'ny olona. Ny mpanao politika sy ny mpandraharaha dia samy te hihalehibe avokoa. Mampalahelo fa ireo izay mihambo ho mpanompon'i Kristy koa dia te hihalehibe hihalehibe hatrany. Izy ireo dia te hantsoina amin'ny anaramboninahitratoy ny hoe "Révérend Docteur" ary te hahazo toerana ambony ohatra hoe "Président"-ny fikambanany. Indrisy fa ny fivavahana kristiana amin'izao andro izao dia tsy misy hafa amin'ny orinasa rehetra eto amin'izao tontolo izao !

Ireo tanora mpino ankehitriny dia mahita ireo mpitarika azy misongadina jeren'ny olona rehetra tahaka ny mpilalao sarimihetsika, eny ambony lampihazo mandritra ny fivoriana, mipetraka any amin'ny hotely lafobe sy amin'ny trano mihaja ary mamily fiarakodia lafovidy. Tsy mbola fantany tsara ny fomba fiasan'Andriamanitra hany ka mitsiriritra ireo mpitarika azy izy ary miandrandra ny andro hitovizany amin'izy ireo. Heverin'ireo tanora fa matoa ny mpitory fivavahana valian'Andriamanitra soa tahaka izany dia azo antoka fa olona nahatoky izy nandritra ny taona maro ! Noho izany dia mieritreritra izy ireo fa raha mahatoky koa izy dia ho eny ambony lampihazo mba hisongadina ho jeren'ny olona rehetra indray andro any !

Rehefa hitan'ireo tanora fa mahazo vola be amin'ny fampiasàny ny fanomezam-pahasoavana azony ny mpitory fivavahana maro dia manantena izy ireo fa indray andro any dia ho mpanankarena tahaka izany koa izy. Ny modely arahin'ireo tanora ireo dia tsy Jesosy Kristy fa ireo mpitory fivavahana manankarena toy ny mpilalao sarimihetsika. Izany no tena mampalahelo eo amin'ny tontolo kristiana ankehitriny.

Tsy maintsy porofointsika amin'ireo tanorantsika ireo amin'ny fiainantsika ary tsy maintsy ampianarintsika azy amin'ny toritenintsika fa raha manaradia ny Tompo isika dia tsy ho tonga mpanankarena na malaza fa hatahotra an'Andriamanitra .

Fanampin'izany dia tsy hohenoin'ny olona sy holaviny ary henjehiny isika! Kanefa isika dia afaka hitia izay mankahala antsika sy hitahy izay manozona antsika. Izany no tsy maintsy porofointsika amin'ny taranaka mandimby. Raha tsy manao an'izany isika dia hanaradia "Jesosy anankiray hafa" izy ireo dia ilay Jesosy hitany ao amin'ireo mpitory ara-nofo ankehitriny.

Ny dikan'ny hoe manetry tena eo ambany tàna-maherin'Andriamanitra dia hoe manaiky am-pifalianany zava-mitranga rehetra izay alefan'Andriamanitra eo amin'ny fiainana. Avelantsika izy ireny hampietry antsika mba hihakely isika fa Andriamanitra kosa hihalehibe. Rehefa mihakely eo imason'ny olona isika dia tsy hiankin-doha amintsika ny olona fa hiantehitra amin'ny Tompo.

Tsy maintsy irintsika mafy ny hoe mba hitombo ao anatintsika i Kristy fa isika kosa hihena. Ampandalovin'Andriamanitra toe-javatra maro ny fiainantsika hampihenany antsika mba hahafahan'i Kristy mitombo ao anatintsika. Raha manetry tena isika ao anatin'ireny toe-javatra ireny dia ho tanteraka eo amintsika ny fikasan'Andriamanitra.

Ny fanetrentena koa dia midika hoe mandeha mifona any amin'ilay olona raha nanisy ratsy azy isika. Amin'ny maha mpanompon'ny Tompo antsika dia tsy maintsy mpanompon'ny olona rehetra isika ary tsy maintsy vonona ny hanaiky ny olona rehetra mba hitahiana azy. Rehefa manao fahadisoana isika dia tsy maintsy miaiky haingana an'izany ary mifona raha ilaina. Ny tsy mba manao fahadisoana mihitsy dia Andriamanitra.

Izaho efa niteny tamin'ny Tompo fa vonona ny hifona amin'ny olona rehetra eto ambany masoandro na ankizy kely izy na mpiasa trano na mpangataka na iza na iza, ary izaho tsy hiraharaha ny hambompoko sy ny lazako amin'io resaka io. Ary efa nataoko tokoa izany ka nitahian'Andriamanitra ahy.

Ianareo izay manambady dia fantatrareo fa tena mora ny mandratra tsy nahy ny vady, na dia tsy noeritreretina hatao aza izany. Mety nisy zavatra nolazainao tamin'ny fahatsorana kanefa hafa ny nandraisan'ny vadinao azy. Mety ny mifanohitra amin'izany koa no mitranga, tsy azonao izay tian'ny vadinao nolazaina. Inona no tsy maintsy ataonao raha izany no miseho ? Mamelà ahy hiteny fotsiny hoe : amin'ny fifonanao no hiverenan'ny filaminana haingana kokoa ao an-tokantranonao noho ny amin'ny fiezahanao manazava ny antony nanaovanao ilay zavatra, na amin'ny famakafakana hoe iza no tena diso !

Eritrereto ny toe-javatra anankiray hoe tsy azon'ireo mpiara-miasa aminao izay tianao nolazaina. Mety tsy misy tokony hanazavana zavatra amin'izy ireo satria mety tsy vonona ny hihaino anao izy. Inona no atao raha mitranga izany, indrindra raha tsy misy fahadisoanao na kely aza ? Tokony hitakoko sy hanjoretra eo ve ianao ? Tsia dia tsia. Ataovy fotsiny izay hampadio tsara ny feon'ny fieritreretanao eo anatrehan'Andriamanitra sy eo anatrehan'ny olona dia apetraho eo am-pelatanan'Andriamanitra ny raharaha. Tsy misy azonao atao afa tsy izay. Izany fomba izany no narahiko nandritra ny taona maro izao ary tena notahian'Andriamanitra tokoa aho. Manoro hevitra anao aho mba hanao tahaka izany koa.